Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Chine

Nitombo 41 isan-jato be izao ny mpivady nisaraka tany Beijing, tamin’ny Janoary ka hatramin’ny Septambra 2013, raha ampitahaina amin’ny tamin’ny 2012. Milaza ny mpikaroka fa resaka hetra ny anton’izany. Asaina mandoa hetra 20 isan-jato mantsy ny mpivady manana trano roa, raha amidy ny iray. Tsy voatery handoa an’izany kosa izay nisara-bady, raha mahafeno fepetra sasany.

Zava-misy Eran-tany

Nampirisika ny olona hihinana bibikely ny Firenena Mikambana, mba hiadiana amin’ny tsy fahampian-tsakafo. Be otrikaina mantsy ireny bibikely fihinana ireny, sady “mahasolo hena mihitsy” araka ny tatitra iray. Mihinana ny zavatra tsy fihinan’ny olona koa izy ireny ka manodina an’izany ho lasa fihinana, rehefa izy indray no atao sakafo. Miaiky anefa ilay tatitra fa ‘misy ihany olona mihevitra fa mahatsiravina ny mihinana bibikely.’

Kanada

Misy hopitaly mitsabo olona te hanan-janaka, ka mitahiry atodinaina efa lasa tsaika. Tsy hita intsony anefa ny “tompon’izy ireny.” Misy hopitaly iray, ohatra, arivo be izao ny atodinaina mbola velona tehirizina ao, saingy “nanjavona” ny tompony. Tsy hitan’ny hopitaly àry izay hanaovana azy ireny, satria matahotra izy ireo sao henjehin’ny lalàna, na heverin’ny fiaraha-monina hoe mamono olona.

Irlandy

Rehefa hanambady ny Katolika, dia nila nifidy na hisoratra any amin’ny biraom-panjakana, na hanao mariazy katolika. Ny pretra ihany mantsy no afaka nanoratra fanambadiana, ankoatra ny solontenam-panjakana. Tamin’ny 2013 anefa, dia nomena fahefana hanao izany koa ny olona vitsivitsy tsy mpivavaka. Hoy ny Masoivohom-baovao Reuters: ‘Be dia be no tsy te hanao mariazy katolika, nefa koa tsy te hisoratra fotsiny. Tsy maharaka’ àry ireo mpanoratra fanambadiana tsy misy resaka fivavahana.