Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA

Iza no Tena Tafita Amin’ny Fiainana?

Iza no Tena Tafita Amin’ny Fiainana?

AHOANA raha nisy zavatra mba nokasainao, nefa tsy nety akory ilay izy? Aza kivy fa mbola misy foana ny azo atao. Ary na atao aza hoe tsy azo arenina intsony ilay izy, dia mbola afaka mandray lesona avy amin’iny ianao, ka manao tsara kokoa amin’ny sisa.

Aleo aza hoatr’izany, toy izay hoe jerena toa tafita ianao, kanefa tsy tsara akory ny fiainanao. Na dia tonga saina aza mantsy ianao atỳ aoriana, ka mba te hanarina an’izany, dia efa tara loatra.

Misy, ohatra, olona tsy mieritreritra afa-tsy ny hitady vola sy hividy zavatra foana. Hoatran’ny tafita erỳ izy ireo raha jerena etỳ ivelany satria manan-javatra be dia be, kanefa tsy sambatra akory. Izany no nahatonga an’i Jesosy Kristy hiteny hoe: “Inona moa no soa ho azon’ny olona raha mahazo an’izao tontolo izao izy nefa very ny ainy?” (Matio 16:26) Hoy koa i Tom Denham, mpanoro hevitra momba ny asa: “Tsy ho sambatra mihitsy ianao, raha ny hahazo fisondrotana fotsiny no ao an-tsainao, na koa ny hahazo fananana sy vola be. Na lasa manankarena aza ianao dia tsy ho afa-po mihitsy, fa hahatsiaro foana hoe misy banga ny fiainanao.”

Maro no miaiky fa marina izany. Nisy fanadihadiana natao, ohatra, tany Etazonia, ary nomena lisitra nisy zavatra 22 ny olona. Nilazana izy ireo hoe alaharo ireo, ka “izay hahatonga ny olona ho afa-po amin’ny fiainana” no ataovy voalohany. Nahazo ny toerana voalohandohany ny hoe salama, mifandray tsara amin’olona, ary manana asa mahafinaritra. Tany amin’ny laharana faha-20 kosa no nisy ny hoe “manam-bola be.”

Mazava àry fa tsy izay manankarena no tena hoe tafita, fa izay sambatra sy afa-po amin’ny fiainana. Mba fantatry ny olona ihany izany, saingy ny handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’izany no toa sarotra.