Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NISY NAMORONA VE?

Ny Fahaizan’ny Zavamaniry Manao Kajy

Ny Fahaizan’ny Zavamaniry Manao Kajy

NY HAZAVANA avy amin’ny masoandro no ampiasain’ny zavamaniry mba hanamboarana sakafo. Mbola manao zavatra miavaka hafa koa anefa izy ireny, araka ny fikarohana natao tamin’ny zavamaniry sasany. Tsinjarainy tsara ny sakafo haniny mandritra ny alina.

Diniho izao: Mandritra ny andro ny zavamaniry no mamadika ny gazy karbonika ho lasa tavolo (amidon) sy siramamy. Ireny tavolo voangony ireny no haniny rehefa alina ny andro, amin’izay izy tsy noana sady afaka mitombo foana. Tsinjarainy tsara ilay sakafo, mba tsy ho haingana loatra na hiadana loatra ny fihinanany azy. Ataony tsara ilay kajy, mba ho ny 95 isan-jaton’ilay sakafo no laniny rehefa mangiran-dratsy ny andro. Efa manomboka manamboatra indray mantsy izy amin’izay.

Ny fandinihana ny voan-tsinapy no nahalalana an’izany rehetra izany. Hitan’ny mpikaroka hoe mitsinjara tsara ny tahirin-tsakafony io zavamaniry io mandritra ny alina, na adiny 8 na 12 na 16 sisa tavela, alohan’ny ahatongavan’ny mangiran-dratsy. Tsinjarainy amin’izay fotoana sisa tavela ny ambina tavolo ao aminy, mba ho antonony tsara ny fatran’ny sakafo haniny.

Ahoana no ahalalan’ny zavamaniry ny habetsahan’ny tahirin-tsakafony? Ahoana no andrefesany ny fotoana? Ary ahoana no ahaizany manao kajy? Mety ho fantatsika izany, rehefa mikaroka bebe kokoa ny manam-pahaizana.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona ve ny fahaizan’ny zavamaniry manao kajy, sa nisy namorona?