Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NISY NAMORONA VE?

Ny Fahaizan’ny Tantely Mipetraka Amin-javatra

Ny Fahaizan’ny Tantely Mipetraka Amin-javatra

TSY manana olana mihitsy ny tantely rehefa hipetraka amin-javatra. Nahoana?

Diniho izao: Mila manidina faran’izay mora ny tantely vao afaka mipetraka soa aman-tsara. Mba hahavitany an’izany, dia tokony hokajiny aloha ny hafainganam-pandehany sy ny halaviran’ny toerana tiany hipetrahana, ary hahenany mifanaraka amin’izay ny hafainganam-pandehany. Sarotra amin’ny ankamaroan’ny bibikely anefa ny manao izany. Tsy mitovy amin’ny mason’ny olona mantsy ny mason’izy ireny, satria mifanakaiky kely sady tsy afaka mifantoka ka tsy afaka mikajy halaviran-toerana.

Ahoana àry no ataon’ny tantely? Hoatran’ny hoe mihalehibe ny fahitany zavatra iray arakaraka ny anatonany azy io. Toa vao mainka mitombo haingana ny halehiben’izy io, rehefa mihamanakaiky izy. Hita tamin’ny andrana nataon’ny oniversite iray any Aostralia hoe ahenan’ny tantely ny hafainganam-pandehany mba hitovy foana ny fahitany ny hangezan’ilay zavatra jereny. Efa lasa faran’izay kely ny hafainganam-pandehany alohan’ny hipetrahany amin-javatra, ka tsy sahirana izy.

Hoy ny Tatitry ny Akademia Amerikanina Momba ny Siansa: ‘Tsotra ilay teknika sady azo ampiharina amin-javatra maro, ohatra hoe amin’ny fitaovana hibaikoana robot kely manidina.’

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny fahaizan’ny tantely mipetraka amin-javatra, sa nisy namorona?