Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FANAMBADIANA

Ahoana no Handaminana Olana?

Ahoana no Handaminana Olana?

OLANA

Isaky ny miresaka olana ianareo mivady, dia vao mainka mihenjan-droa ny tady rehefa vita ilay resaka. Inona àry no azonareo atao? Fantaro aloha fa tsy mitovy ny fomba firesaky ny lehilahy sy ny vehivavy. *

TSARA HO FANTATRAO

Tian’ny vehivavy resahina aloha ilay olana vao omena vahaolana izy. Ny miresaka fotsiny no ilainy indraindray.

“Maivamaivana aho rehefa resahiko amin’ny vadiko ny fihetseham-poko, ary fantatro hoe azony ilay izy. Vao miresaka kelikely fotsiny izahay, dia efa azoko ny aiko.”—Alisoa. *

“Tsy afaka ao an-tsaiko mihitsy ilay olana, raha tsy hazavaiko amin’ny vadiko aloha hoe inona no tena tsapako. Tsy mampiasa saina be ahy intsony ilay izy, rehefa avy miresaka izahay.”—Diary.

“Ilaiko ny miresaka satria manampy ahy izany hamakafaka hoe inona ilay olana sy ny antony nahatonga an’ilay izy. Hoatran’ireny ataon’ny polisy manao famotorana ireny e!” —Faratiana.

Ny lehilahy indray maika hitady vahaolana. Ara-dalàna izany satria mahatsapa hoe ilaina ny lehilahy rehefa mamaha olana. Manome vahaolana izy satria tiany ho hitan’ny vadiny fa azo ianteherana izy. Very hevitra àry izy rehefa tsy tonga dia ekena ny vahaolana arosony. Hoy i Benja: “Tsy azoko mihitsy ny antony iresahanao olana raha tsy tianao ny homena vahaolana!”

Hoy ny boky Torohevitra Fito Hahasambatra ny Tokantrano (anglisy): “Mila mahatakatra tsara an’ilay olana aloha ianao, vao manome torohevitra. Ataovy fantatry ny vadinao hoe azonao tsara ilay olana, izay ianao vao manome vahaolana. Tsy vahaolana mantsy matetika no tadiaviny, fa ny hihainoanao azy tsara fotsiny.”

INONA NO AZONAO ATAO?

Ho an’ny lehilahy: Miezaha foana hihaino tsara ny vadinao sy hahatakatra ny fihetseham-pony. Hoy i Tojo: “Rehefa avy mihaino ny vadiko aho indraindray dia mieritreritra hoe ‘Tsy hahavaha olana mihitsy raha resaka fotsiny!’ Tiany anefa aho raha mihaino azy. Izay ihany no tadiaviny matetika.” Mitovy hevitra aminy i Vonjy. Hoy izy: “Tsy tapahiko mihitsy ny tenin’ny vadiko rehefa miresaka amiko izy, ary izay no hitako hoe mety indrindra. Matetika mantsy izy no milaza ho maivamaivana kokoa rehefa avy niresaka.”

Andramo izao: Rehefa miresaka olana ianao sy ny vadinao, dia aza maika hanome soso-kevitra raha mbola tsy nangataka an’izany izy. Jereo tsara eo amin’ny masony izy. Henoy tsara ny vadinao, ary ekeo izay lazainy. Avereno ny hevi-dehibe noresahiny mba hahitany hoe azonao ny tiany holazaina. Hoy i Fidy: “Tian’ny vadiko ho fantatra raha azoko ny fihetseham-pony ary mitovy hevitra aminy aho. Izay fotsiny no ilainy indraindray!”—Toro lalan’ny Baiboly: Jakoba 1:19.

Ho an’ny vehivavy: Resaho amin’ny vadinao izay tianao hataony. Hoy i Noro: “Mety hieritreritra isika hoe fantatry ny vadintsika izay tena ilaintsika. Mila ampahafantarina azy mihitsy anefa ilay izy indraindray.” Hoy koa i Mamy: “Izao, ohatra, no lazaiko aminy: ‘Misy zavatra mampiasa saina ahy, dia tiako raha mba henoinao hatramin’ny farany aho. Tsy vahaolana loatra no ilaiko, fa ny mba hahazoanao an’izay tsapako.’”

Andramo izao: Aza mieritreritra hoe tsy miraharaha ny fihetseham-ponao ny vadinao raha tonga dia manome vahaolana. Te hanampy anao kosa izy. Hoy i Estera: “Tsy tonga aho dia sosotra, fa miezaka mitadidy hoe tena miahy an’ahy ny vadiko sady te hihaino ahy. Te hanampy ahy koa anefa izy.”—Toro lalan’ny Baiboly: Romanina 12:10.

Ho an’ny mpivady: Izay tiantsika hatao amin’ny tenantsika matetika no ataontsika amin’ny hafa. Izay tian’ny vadinao hatao aminy anefa no tokony hoeritreretinao, rehefa misy olana mila alamina. (1 Korintianina 10:24) Hoy i Mahery: “Mila vonona hihaino isika lehilahy. Ny vehivavy koa tokony mba hanaiky homena vahaolana indraindray. Ho afa-po ny mpivady raha samy mitady marimaritra iraisana.”—Toro lalan’ny Baiboly: 1 Petera 3:8.

^ feh. 4 Mety tsy hitovy amin’izay voalaza ato ny tsapan’ny lehilahy sy vehivavy tsirairay. Hanampy ny mpivady hifankahazo sy hahay hifampiresaka kokoa anefa ny toro lalana ato.

^ feh. 7 Novana ny anarana ato.