Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO HANAMPY ANAO HIZAKA NY FAHORIANAO?

Ahoana no Hiatrehana Azy? Inona no Azonao Atao Dieny Izao?

Ahoana no Hiatrehana Azy? Inona no Azonao Atao Dieny Izao?

Mety hahita torohevitra be dia be hanampy anao hizaka ny fahorianao ianao. Tsy voatery hahomby daholo anefa izy ireny. Samy manana ny fomba iatrehany fahoriana mantsy ny olona. Mety tsy handaitra aminao àry ny torohevitra sasany, na dia mety amin’ny hafa aza.

Misy ihany anefa ny torohevitra mety amin’ny ankamaroan’ny olona. Ampiasain’ny manam-pahaizana izy ireny matetika, sady mifanaraka amin’ny toro lalana ao amin’ny Baiboly.

1: AVELAO NY HAFA HANAMPY ANAO

  • Tena hanampy anao hizaka ny alahelonao izany, araka ny tenin’ny manam-pahaizana sasany. Mba te ho irery anefa ianao indraindray. Mety ho tezitra mihitsy aza ianao, rehefa misy olona te hanampy anao. Tadidio fa ara-dalàna izany.

  • Tsy voatery hiaraka amin’ny olona foana ianao. Aza ailikilika anefa ny hafa rehefa mba te hanampy anao. Mbola hila azy ireo ihany mantsy ianao any aoriana any. Teneno fotsiny ry zareo rehefa mba te hitokana ianao na mila namana.

  • Mahaiza mandanjalanja rehefa hanapa-kevitra hoe rahoviana ianao no mba te ho irery, ary rahoviana no hiaraka amin’ny hafa.

TORO LALANA: “Tsara ny roa noho ny iray ... Fa raha lavo ny iray, dia afaka manarina azy ilay namany.”—Mpitoriteny 4:9, 10.

2: MIHINÀNA SAKAFO MAHASALAMA ARY MANAOVA FANATANJAHAN-TENA

  • Tsy hiady saina be ianao raha mihinana sakafo mahasalama. Miezaha hihinana voankazo, legioma, ary aza mihinana sakafo matavy loatra.

  • Misotroa rano be dia be.

  • Raha tsy dia mazoto homana ianao, dia kelikely ihany hohanina isaky ny mihinana, fa ataovy matetika fotsiny. Anontanio koa ny dokotera sao dia mila mihinana fanampin-tsakafo ianao, ohatra hoe vitaminina. *

  • Miezaha manao dia maika, na karazana fanatanjahan-tena hafa, dia tsy halahelo be loatra ianao. Manadinodino ny alahelony ny olona sasany rehefa manao fanatanjahan-tena. Ny hafa indray afaka misaintsaina ny fiovana eo amin’ny fiainany.

TORO LALANA: “Ny olona tsy misy mankahala ny nofony, fa mamelona sy miahy azy.”—Efesianina 5:29, Fandikan-teny Katolika.

3: MIEZAHA HO AMPY TORIMASO

  • Ny olona nidonam-pahoriana no tena tokony ho ampy torimaso, satria mety ho reraka kokoa izy ireo noho ilay fahoriana.

  • Mety tsy hahita tory tsara ianao raha be loatra ny kafe na toaka sotroinao.

TORO LALANA: “Aleo fialan-tsasatra eran-tanan’ila, toy izay asa mafy eran-tanan-droa nefa toy ny misambo-drivotra fotsiny.”—Mpitoriteny 4:6.

4: FANTARO IZAY METY AMINAO

  • Samy manana ny fomba iatrehany fahoriana ny olona. Mila fantarinao àry hoe inona no tena mety aminao.

  • Misy tia mamboraka ny fihetseham-pony. Ny hafa indray tsy dia tia manao an’izany. Na ny manam-pahaizana aza samy manana ny heviny, raha ilaina izany na tsia. Inona no azonao atao raha te hamboraka ny fihetseham-ponao ianao, nefa misalasala? Ataovy tsikelikely ilay izy. Izay namanao akaiky aloha iresahana.

  • Mahavita miatrika ny fahoriany ny olona sasany, na dia tsy mitomany firy aza. Misy indray mahatsiaro ho maivamaivana rehefa avy mitomany be.

TORO LALANA: “Ny fon’ny olona no mahatsapa ny alahelo ao anatiny.”—Ohabolana 14:10.

5: AZA MANIMBA TENA

  • Lasa misotro toaka be na midoroka zava-mahadomelina ny olona sasany mba hanadinoana ny fahoriany. Manimba tena anefa ny olona manao an’izany. Mety hohadinodinony ny fahoriany amin’iny fotoana iny, nefa hisy vokany ratsy be ilay izy avy eo. Tsy aleo ve zavatra mahasoa no atao?

TORO LALANA: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto.”—2 Korintianina 7:1.

6: MANAOVA ZAVATRA MAHASOA

  • Aza mitanondrika be foana, fa mitadiava zavatra hatao mba hanadinoanao ny fahorianao.

  • Mitadiava namana vaovao na miezaha hifandray kokoa amin’ny namanao. Azonao atao koa ny mianatra zava-baovao na miala voly.

  • Tsy dia hifantoka be loatra amin’ny fahorianao ianao rehefa mandeha ny fotoana. Lasa variana manao zavatra hafa mantsy ianao.

TORO LALANA: “Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy, ... misy fotoana itomaniana ary misy fotoana ihomehezana, misy fotoana idradradradrana ary misy fotoana itsinjahana.”—Mpitoriteny 3:1, 4.

7: AZA OVAOVANA NY FAHAZARANAO

  • Tohizo ny fahazarana tsara nanananao taloha.

  • Hiverina amin’ny laoniny ny fiainanao, raha tsy ovaovanao ny ora atorianao, ny fotoana iasanao, na ny fotoana anaovanao zavatra hafa.

  • Tsy dia halahelo be intsony ianao, raha variana manao zavatra mahasoa.

TORO LALANA: “Mahalana izy vao hahatsiaro ny androm-piainany, satria ataon’Andriamanitra revo amin’ny zavatra mahafaly ny fony izy.”—Mpitoriteny 5:20.

8: AZA MAIKA HANDRAY FANAPAHAN-KEVITRA LEHIBE

  • Hanenina ianao raha maika handray fanapahan-kevitra lehibe.

  • Aza maika hifindra trano, hiova asa, hivarotra na hizara ny fananan’ilay olona nodimandry.

TORO LALANA: “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto, fa hahantra kosa izay rehetra maimaika.”—Ohabolana 21:5.

9: TSAROVY ILAY OLONA NODIMANDRY

  • Manao zavatra ny olona sasany mba tsy ho hadinony mihitsy ilay olona nodimandry. Hitany hoe mahasoa an’azy izany.

  • Azo atao, ohatra, ny manangona sary na zavatra hafa mampahatsiaro anao an’ilay olona. Azonao soratana ao anaty karine na diary koa izay zava-nitranga tianao hotadidina.

  • Raha mbola tsy vitanao ny mijery an’ireny fahatsiarovana ireny, dia ampirimo tsara fotsiny aloha. Azonao jerena izy ireny rehefa tsy malahelo be intsony ianao.

TORO LALANA: “Tsarovy ny andro fahiny.”—Deoteronomia 32:7.

10: MANDEHANA MAKA RIVOTRA

  • Azo atao, ohatra, ny mandeha manao vakansy.

  • Raha tsy mety aminao ny manao vakansy lava be, dia manaova zavatra tsotsotra azonao atao ao anatin’ny iray na roa andro. Ohatra hoe mandeha mitsangantsangana, mitsidika valan-javaboary, na maka rivotra kely any ambanivohitra.

  • Hahasoa anao ny miala kely amin’ny mahazatra, na dia vetivety fotsiny aza.

TORO LALANA: “Andao hitokana any amin’ny toerana mangina, dia mialà sasatra kely.”—Marka 6:31.

11: MIEZAHA HANAMPY NY HAFA

  • Ho falifaly ianao isaky ny manampy ny hafa.

  • Tsy ianao irery no malahelo an’ilay olona nodimandry, fa eo koa ny havany na ny namany. Afaka manampy azy ireny ianao, satria mahatakatra ny fihetseham-pony. Afaka manampy olon-kafa indray ianao aorian’izay.

  • Tsy hoe ho falifaly fotsiny ianao rehefa manampy ny hafa, fa hahatsapa koa hoe mbola ilaina.

TORO LALANA: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.

12: FANTARO IZAY TENA ZAVA-DEHIBE

  • Mety hanampy anao hahita an’izay tokony ho zava-dehibe eo amin’ny fiainana ny zavatra nahazo anao.

  • Diniho hoe inona no tena andanianao ny fotoananao.

  • Manaova fanovana raha ilaina.

TORO LALANA: “Aleo mankany amin’ny trano misy fisaonana toy izay mankany amin’ny trano misy fanasana, satria fahafatesana no iafaran’ny olombelona rehetra, ka hisaintsaina izany ny velona.”—Mpitoriteny 7:2.

Tsy hoe tsy halahelo intsony akory ianao raha mampihatra an’ireo. Maro anefa no nahita hoe lasa maivamaivana ny fahoriany, rehefa nanao zavatra izy mba hiatrehana an’ilay izy. Efa nanaraka ny torohevitra sasany voaresaka tato amin’ity lahatsoratra ity mantsy izy ireo. Tsy voatanisa tato daholo akory ny zavatra azo atao mba hanamaivanana ny fahoriana. Mety handray soa anefa ianao, raha manandrana ny sasany amin’izy ireo.

^ feh. 13 Tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana manokana ny Mifohaza!