Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FANAMBADIANA

Miezaha Hanaja ny Vadinao

Miezaha Hanaja ny Vadinao

OLANA

Hoy ny lehilahy iray: “Samy hafa ny fahazoanay roa ny hoe manaja, tamin’izahay vao nivady. Tsy hoe diso akory ny azy na hoe ny ahy no marina, fa tsy nitovy hevitra fotsiny izahay. Tiako anefa raha nanaja ahy kokoa ny vadiko rehefa niresaka tamiko.”

Hoy ny vadiny: “Efa fahazaranay tany an-trano ny miteny mafy sy manapaka tenin’olona. Asehonay be amin’ny endrikay koa izay tsapanay. Aminay ireo tsy midika hoe tsy manaja. Hafa mihitsy anefa ny fomba nitaizana ny vadiko.”

Mila mifanaja foana ny mpivady, fa tsy hoe tsindraindray ihany. Ahoana àry no ampisehoanao hoe manaja ny vadinao ianao?

TSARA HO FANTATRAO

Tena ilain’ny lehilahy ny hoe hajaina. Izao no torohevitry ny Baiboly ho an’ny lehilahy: ‘Aoka ny lehilahy tsirairay avy ho tia ny vadiny tahaka ny tenany.’ Hoy koa anefa izy io: “Aoka kosa ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny.” (Efesianina 5:33) Samy mila fitiavana sy fanajana ny mpivady, fa ny lehilahy no tena faly rehefa hajaina. Hoy i Solofo, * lehilahy iray efa manambady: “Mila tsapan’ny lehilahy hoe mahay miatrika an’izay mitranga izy, mahavaha olana, ary mahavelom-bady aman-janaka.” Mandray soa ny lehilahy rehefa hajain’ny vadiny noho izy mahavita an’ireo. Mahasoa an’ilay vehivavy koa anefa izany. Hoy i Kanto: “Maneho fitiavana bebe kokoa amiko ny vadiko, rehefa manaja azy aho.”

Tokony hohajaina koa ny vehivavy. Ahoana tokoa moa no hitiavan’ny lehilahy iray ny vadiny, raha tsy hajainy izy io? Hoy i Dera: “Mila manaja ny hevitry ny vadiko aho, sady mihaino ny soso-keviny. Mila mihevitra ny fihetseham-pony koa aho. Na tsy azoko aza hoe maninona izy no tezitra na malahelo, dia tsy mety raha tsy raharahaiko fotsiny ilay izy.”

Samy manana ny heviny ny tsirairay. Mihevitra angamba ianao hoe efa manaja vady. Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe tsapan’ny vadinao ve fa manaja azy ianao. Niaiky an’izany ilay vehivavy noresahina teo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Olana.” Hoy izy: “Tsy nieritreritra aho hoe tsy nanaja vady. Raha izany anefa no tsapan’ny vadiko, dia izaho izany no nila niova.”

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Soraty izay toetra telo tianao amin’ny vadinao. Mety hanampy anao hanaja kokoa azy ny mieritreritra an’ireo toetrany ireo.

  • Jereo mandritra ny herinandro hoe manao ahoana ianao (fa tsy ny vadinao) amin’ireto lafiny ireto:

Ny teninao: Hita tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ny mpivady maro fa ‘sambatra sy mateza ny tokantrano, rehefa be kokoa (avo dimy heny) ny zavatra tsara noresahin’izy mivady noho ny zavatra ratsy nolazainy rehefa nandamina olana izy ireo. Saika zava-dratsy daholo kosa no noresahin’ireo mpivady nieritreritra ny hisara-panambadiana.’ *Toro lalana: Ohabolana 12:18.

Eritrereto izao: ‘Manaja ny vadiko ve aho rehefa miresaka aminy? Fanakianana ve no tena ataoko sa teny fiderana? Manao ahoana ny toe-peoko rehefa misy fanamarihana na fitarainana ataoko?’ Miombon-kevitra aminao ve ny vadinao?—Toro lalana: Kolosianina 3:13.

Andramo izao: Ataovy tanjona ny hidera ny vadinao indray mandeha isan’andro, fara fahakeliny. Soso-kevitra: Eritrereto indray ny toetra tsarany voamarikao taloha. Ataovy fahazarana ny milaza amin’ny vadinao hoe inona ny zavatra tianao aminy.—Toro lalana: 1 Korintianina 8:1.

Ny ataonao: Hoy i Voahangy: “Betsaka ny raharaha ataoko ato an-trano. Rehefa tsy manamaivana ny ezaka ataoko anefa ny vadiko fa mba mampirina ny entany na manasa vilia, dia tsapako hoe tsy miasa maina aho sady tena ilaina.”

Eritrereto izao: ‘Hita amin’ny fomba itondrako ny vadiko ve fa manaja azy aho? Ampy ve ny tambitamby sy ny fotoana atokako ho azy?’ Miombon-kevitra aminao ve ny vadinao?

Andramo izao: Manorata fomba telo tianao hanehoan’ny vadinao fanajana anao. Asaivo manao an’izany koa izy. Jereo avy eo izay nosoratany, ary asaivo jereny ny anao. Samy afaka miezaka mampihatra an’izay voalaza ao ianareo amin’izay. Mifantoha amin’ireo zavatra tiany hataonao. Atombohy ilay izy, dia azo inoana fa mba hanao ny anjarany koa izy.

^ feh. 8 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 14 Avy amin’ilay boky hoe Torohevitra Folo Manatsara ny Tokantrano (anglisy).