Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Fijaliana?

Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Fijaliana?

MIKOTRINGA I LUZIA. Mbola kely izy dia efa voan’ilay areti-mifindra atao hoe polio, ka tsy afaka mibaiko ny rantsambatany ny atidohany. Izao no nolazain’ilay mpampiasa an’azy, tamin’izy 16 taona: “Nosazin’Andriamanitra ianao, dia izay no mahatonga anao malemy hoatran’io. Angamba ianao tsy nankatò an’ny mamanao na ratsy fanahy taminy.” Tena nalahelo be i Luzia tamin’izay, ary tsy hadinony mihitsy iny zava-nitranga iny na dia ela be tatỳ aoriana aza.

VOAN’NY KANSERAN’NY ATIDOHA I DAMARIS. Hoy ny rainy rehefa fantatra hoe voan’io aretina io izy: “Fa inona no nataonao? Tsy maintsy nisy zavatra ratsy nataonao tany, dia nosazin’Andriamanitra ianao.” Kivy be i Damaris rehefa naheno an’izany.

Efa ela ny olona no nino hoe sazy avy amin’Andriamanitra ny aretina. Maro tamin’ny olona niara-niaina tamin’i Kristy, ohatra, no nino hoe “nanota ny olona iray na ny havany matoa izy marary. Sazy vokatr’ilay fahotana ilay aretina.” (Fomba Amam-panao Tany Palestina, anglisy) Nino koa ny olona sasany, 1 000 taona teo ho eo tatỳ aoriana, fa “nandefasan’Andriamanitra areti-mifindra izy ireo satria nanota”, araka ny boky iray momba ny fitsaboana fahiny. Nisy olona an-tapitrisany matin’ny pesta, ohatra, tany Eoropa tamin’ny taona 1300 tany ho any. Midika ve izany hoe nosazin’Andriamanitra izy ireo? Sa bakteria no nahatonga an’ilay aretina, araka ny hitan’ny mpikaroka? Lasa saina ny olona sasany hoe tena nosazin’Andriamanitra tokoa ve ny olona iray matoa marary. *

ERITRERETO IZAO: Raha sazy avy amin’Andriamanitra ny aretina sy ny fijaliana, dia rariny izany raha marary na mijaly ny olona iray nanao ny tsy mety. I Jesosy anefa nanasitrana ny olona. Tsy hoatran’ny nanao tsinontsinona an’izay heverin’Andriamanitra hoe rariny ve izy? (Matio 4:23, 24) Tsy hanohitra an’Andriamanitra mihitsy i Jesosy. Hoy izy: “Manao izay sitrany foana aho”, ary “araka ny nandidian’ny Ray ahy no ataoko.”—Jaona 8:29; 14:31.

“Tsy mba manao ny tsy rariny” i Jehovah, araka ny Baiboly. (Deoteronomia 32:4) Tsy hampianjera fiaramanidina misy olona an-jatony mihitsy, ohatra, izy satria hoe te hanasazy olona iray ao amin’izy io. “Sanatria” azy ny hanao an’izany. Nilaza i Abrahama, mpanompony tsy nivadika, hoe tsy ‘handripaka ny olo-marina miaraka amin’ny ratsy fanahy’ mihitsy Andriamanitra. (Genesisy 18:23, 25) Milaza koa ny Joba 34:10-12 fa “tsy mba manao ratsy” izy ary sanatria azy ny “hanao ny tsy rariny.”

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Tsy sazy avy amin’Andriamanitra ny fijaliana. Izany mihitsy no nolazain’i Jesosy, rehefa nahita lehilahy jamba hatrany an-kibon-dreniny izy sy ny mpianany. “Nanontany azy ny mpianany hoe: ‘Raby ô, fa iza no nanota, io lehilahy io sa ny ray aman-dreniny, no teraka jamba izy?’” Namaly i Jesosy hoe: “Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny.”—Jaona 9:1-3.

Gaga be ny mpianatr’i Jesosy. Nino mantsy ny ankamaroan’ny olona tamin’izany fa nanota ny olona iray na ny havany matoa izy marary. Nasehon’i Jesosy fa diso izany rehefa nanasitrana an’ilay lehilahy jamba izy. (Jaona 9:6, 7) Marary mafy ve ianao? Azo inoana fa faly ianao mahalala hoe tsy Andriamanitra no mahatonga an’izany.

Raha sazy avy amin’Andriamanitra ny aretina, nahoana i Jesosy no nanasitrana ny marary?

Andinin-teny mampahery

  • “Sady tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy mantsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa.” (JAKOBA 1:13) Tsy ho ela koa dia ho foana ny ‘zavatra ratsy’ rehetra mampijaly antsika hatramin’izay. Anisan’izany ny aretina sy ny fahafatesana.

  • “Nanasitrana izay rehetra narary” i Jesosy Kristy. (MATIO 8:16) Izany no fomba nampisehoany hoe hanasitrana an’izay rehetra marary koa ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny hoavy.

  • “[Hofafan’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—APOKALYPSY 21:3-5.

IZA NO TOKONY HOMENA TSINY?

Nahoana àry isika no mijaly mafy hoatr’izao? Efa ela ny olona no te hahafantatra ny valin’izany. Raha tsy Andriamanitra no mahatonga ny fijaliana, dia iza? Hiresaka an’izany ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 4 Nisy olona nosazin’Andriamanitra fahiny, noho ny fahotan’izy ireo. Tsy resahin’ny Baiboly anefa hoe mampiasa aretina na loza na zavatra hafa i Jehovah amin’izao, mba hanasaziana olona noho ny fahotany.