Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | TENA MISY VE NY ANJELY?

Misy Anjely Ratsy Ve?

Misy Anjely Ratsy Ve?

Eny. Ahoana no nampisy azy ireny? Tadidinao angamba fa noforonin’Andriamanitra hanan-tsafidy ny anjely. Nanao safidy ratsy ny anjely lavorary iray, taoriana kelin’ny namoronana an’i Adama sy Eva, lehilahy sy vehivavy voalohany. Nitaona ny olona tetỳ an-tany hikomy izy. Vitany ny nitarika azy mivady hivadika tamin’Andriamanitra. (Genesisy 3:1-7; Apokalypsy 12:9) Tsy resahin’ny Baiboly hoe iza no anaran’io anjely io, na hoe inona ny toerana notanany tany an-danitra talohan’ny nikomiany. Mety àry raha nantsoin’ny Baiboly hoe Satana Devoly izy io. Midika hoe “Mpanohitra” ny hoe Satana, ary “Mpanendrikendrika” ny hoe Devoly.—Matio 4:8-11.

Mbola nitohy ihany anefa ilay fikomiana. Nisy anjely “nandao ny fonenana sahaza azy” koa tamin’ny andron’i Noa, saingy tsy fantatra ny isany. Nandao ny fianakavian’Andriamanitra tany an-danitra izy ireo, ary nidina tetỳ an-tany. Niova ho olombelona izy ireo mba ho afaka hanao firaisana ara-nofo. Zavatra mamoafady anefa izany, satria tsy noforonina hanao an’izany ny anjely.—Joda 6; Genesisy 6:1-4; 1 Petera 3:19, 20.

Nanao ahoana ireny anjely ratsy ireny? Niverina ho anjely indray izy ireo ary nody tany an-danitra, rehefa nandefa safodrano naneran-tany Andriamanitra mba handringanana ny ratsy fanahy. Tsy nahazo niverina tamin’ilay “toerany tany am-boalohany” intsony anefa ireo anjely nikomy ireo. Naetry kosa izy ireo ka toy ny hoe voageja ao anaty ‘haizim-be’, atao hoe Tartara. (Joda 6; 2 Petera 2:4) Antsoina hoe demonia izy ireo, ary manaiky hofehezin’i Satana Devoly, ilay “lehiben’ny demonia”, izay “miseho foana ho toy ny anjelin’ny mazava.”—Matio 12:24; 2 Korintianina 11:14.

Ampianarin’ny Baiboly fa lasa mpanjaka tany an-danitra ny Mesia, tamin’ny 1914. * Noroahina avy tany an-danitra i Satana sy ny demoniany taorian’izay. Natsipy tetỳ amin’ny manodidina ny tany izy ireo, ary voafetra ihany ny zavatra azony atao. Hita hoe ratsy saina sy tena tia mamaly faty ireo anjely ireo, matoa be dia be ny faharatsiana sy ny olona maloto fitondran-tena.—Apokalypsy 12:9-12.

Porofo anefa izany fa tsy ho ela dia tsy havela hampihorohoro ny olona intsony ireo anjely lozabe ireo. Havela hitsapa toetra ny olona izy ireo, rehefa tapitra ireo 1 000 taona nitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra ny tany paradisa. Ho vetivety ihany anefa io fitsapana farany io. Haringana mandrakizay izy ireo aorian’izay.—Matio 25:41; Apokalypsy 20:1-3, 7-10.

^ feh. 6 Manazava bebe kokoa momba an’io Fanjakana io ny toko 8 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, ary azo alaina ao amin’ny www.dan124.com/mg.