Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voavaky Ihany Ilay Horonana Tranainy Be

Voavaky Ihany Ilay Horonana Tranainy Be

Tsy voavaky ny ampahan’ilay horonana may hita tao En-jedy, hatramin’ny nahitana azy tamin’ny 1970. Nisy teknolojia azo nitarafana azy anefa vao haingana, ary hita fa ampahany amin’ny bokin’ny Levitikosy izy io ary misy ny anaran’Andriamanitra

NAHITA horonam-boky iray main’ny afo ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany, tamin’ny 1970. Tao amin’ny toerana iray nisy synagoga izy io no hita, tany En-jedy, any Israely, eo akaikin’ny morontsiraka andrefan’ny Ranomasina Maty. Nodorana io synagoga io rehefa noravana ilay tanàna, angamba taoriana kelin’ny taona 500. May be ilay horonana ka tsy voavaky ny soratra tao aminy. Tsy afaka novelarina akory ilay izy sao ho simba. Soa ihany anefa fa nisy teknolojia azo nitarafana an’ilay izy vao haingana, ka toy ny hoe novelarina ilay horonana. Programa vaovao natao hikirakirana sary amin’ny ordinatera kosa no nahafahana namaky ny tao anatiny.

Hita tamin’izany hoe soratra avy ao amin’ny Baiboly no ao amin’ilay horonana. Andininy sasany avy amin’ny fiandohan’ny bokin’ny Levitikosy no hita ao amin’ny sisan’ilay izy, ary misy ny Litera Efatra mampiseho ny anaran’Andriamanitra. Toa teo anelanelan’ny taona 50 sy ny taona 400 izy io no nosoratana. Nilaza i Gil Zohar ao amin’ny Gazetin’i Jerosalema (anglisy) hoe tamin’ny mbola tsy voavaky ilay horonan’i En-jedy, dia arivo taona teo ho eo no elanelan’ireo Baiboly sora-tanana anankiroa tranainy indrindra, izany hoe ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty (taona 100 T.K. tany ho any) sy ny Kôdeksa Aleppo l(taona 930 A.K. tany ho any). Rehefa voavaky kosa ny horonan’i En-jedy, dia izy io indray no tranainy indrindra ao aorian’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty, amin’ireo horonana rehetra misy ny Soratra Hebreo hita hatramin’izao. Resahin’ny manam-pahaizana fa porofoin’io horonan’i En-jedy io hoe “tsy niova ny soratra tao amin’ny Torah, * na dia an’arivony taona tatỳ aoriana aza. Tsy niova izy io na dia nanao diso aza ireo mpanao dika soratra.”

^ feh. 4 Antsoin’ny Jiosy hoe Torah ny boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly (Genesisy, Eksodosy, Levitikosy, Nomery, ary Deoteronomia).