NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Novambra 2019

Ho hitanao ato ny lahatsoratra hianarana manomboka ny herinandron’ny 30 Desambra 2019 ka hatramin’ny 2 Febroary 2020.

Miezaha ho Mpinamana Be Dieny Mbola Tsy Tonga ny Farany

Betsaka no azo ianarana avy amin’i Jeremia. Nisy zava-tsarotra nitranga talohan’ny nandravana an’i Jerosalema, ary nanampy azy hiatrika an’izany ny namany.

Ahoana no Anampian’ny Fanahy Masina Antsika?

Afaka manampy antsika hiaritra ny fanahy masin’Andriamanitra. Misy zavatra efatra tsy maintsy ataontsika anefa mba hahazoana fanampiana faran’izay betsaka avy amin’izy io.

Kojakojainao Tsara ve ny Ampinganao?

Miaro antsika hoatran’ny ampinga ny finoana. Inona no azontsika atao mba ho azo antoka hoe matanjaka tsara foana izy io?

Inona no Azontsika Ianarana avy Amin’ny Levitikosy?

Ahitana lalàna nomen’i Jehovah ho an’ny Israelita ny bokin’ny Levitikosy. Marina fa tsy takina hanaraka an’ireny lalàna ireny ny Kristianina, nefa mahasoa antsika izy ireny.

Vitao Izay Natombokao

Mety handray fanapahan-kevitra tsara isika, nefa mety ho sarotra amintsika ny hanatanteraka an’ilay izy. Ireto misy soso-kevitra hanampy anao hamita an’izay natombokao.

Fantatrao Ve?

Inona no asan’ny mpiandraikitra ny tao an-trano?