Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

Tezi-dava Aho Sady Nahery Setra

Tezi-dava Aho Sady Nahery Setra
  • TERAKA: 1974

  • FIRENENA: MEKSIKA

  • FIAINANY TALOHA: NAHERY SETRA SADY MPIADY AN-DALAMBE

NY FIAINAKO TALOHA:

Teraka tao Ciudad Mante aho. Toerana kanto ao amin’ny fanjakan’i Tamaulipas, any Meksika, izy io. Malala-tanana sy tsara fanahy ny ankamaroan’ny mponina ao. Nampidi-doza anefa io toerana io taloha, satria nisy fikambanan-jiolahy tao.

Efatra mirahalahy izahay ary izaho no faharoa. Nataon’i Dada sy Neny batemy tany amin’ny Katolika aho, ary lasa anisan’ny antoko-mpihiran’ny fiangonana. Niezaka nampifaly an’Andriamanitra aho, satria natahotra mafy sao hijalijaly mandrakizay any amin’ny afobe.

Nilaozan’i Dada izahay tamin’izaho dimy taona. Nalahelo be aho ary tsapako hoe nisy banga teo amin’ny fiainako. Tsy azoko hoe nahoana izy no lasa nefa izahay tena tia azy. Tsy maintsy niasa hatramin’ny alina be àry i Neny, mba hamelomana anay efa-dahy.

Tsy nisy mpanara-maso aho, ka ningitrika ary niaraka tamin’ny ankizy lehibe kokoa. Nampianarin’izy ireo niteny ratsy aho, nifoka, nangalatra, ary niady. Tia nanjakazaka aho tamin’izany, ka nianatra ady totohondry, tolona, haiady, sady nianatra nampiasa fitaovam-piadiana. Lasa nahery setra aho. Nifampitifitra izahay matetika rehefa niady, ka imbetsaka aho no hitan’i Neny nihosin-dra teny an-dalana sady efa saika maty. Mafy taminy izany, nefa tsy maintsy nitondra ahy tany amin’ny hopitaly izy.

Tonga tao aminay i Jorge, tamin’izaho 16 taona. Namako tamin’ny mbola kely izy. Vavolombelon’i Jehovah, hono, izy ary te hiresaka hafatra lehibe taminay. Dia nanazava ny finoany teo izy sady nampiasa Baiboly. Mbola tsy namaky Baiboly mihitsy aho, ka faly erỳ rehefa nahalala ny anaran’Andriamanitra sy ny fikasany. Nasain’i Jorge hianatra Baiboly izahay, dia nanaiky.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Azoazoko erỳ ny aiko rehefa fantatro hoe tsy mampianatra momba ny afobe ny Baiboly. (Salamo 146:4; Mpitoriteny 9:5) Lasa fantatro hoe Ray be fitiavana Andriamanitra, ary mitady izay hahasoa an’ireo zanany. Tsy natahotra be azy intsony aho.

Rehefa nandeha teny ny fianarako Baiboly, dia tsapako hoe nila niova aho. Nila nianatra nanetry tena aho, ary tsy tokony hahery setra intsony. Nanampy ahy ilay torohevitra ao amin’ny 1 Korintianina 15:33 hoe: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa” na ny fitondran-tena tsara. Hitako hoe tsy tokony hiaraka tamin’ny naman-dratsy intsony aho raha te hiova. Olona teo anivon’ny fiangonana indray àry no nataoko namana. Tsy herisetra mantsy no entin’izy ireo mandamina olana, fa ny toro lalan’ny Baiboly.

Nisy vokany be tamiko koa ny Romanina 12:17-19. Resahina ao hoe: “Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza. ... Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. Aza mamaly faty ... fa voasoratra hoe: ‘“Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly”, hoy i Jehovah.’” Lasa nino aho fa hanitsy ny tsy rariny i Jehovah amin’ny fotoana mety aminy. Niova tsikelikely aho, ka nanjary tsy nahery setra intsony.

Tsy hohadinoiko mihitsy ilay zava-nitranga indray takariva izay. Teny an-dalana hody aho no notafihin’ny andian-jatovo fahavalonay taloha. Nodarohan’ilay lehiben’izy ireo ny lamosiko, sady hoy izy: “Arovy leity ny tenan’ialahy a!” Nivavaka mangina aho tamin’izay, ary nangataka ny fanampian’i Jehovah mba hahavita tsy hamaly. Tena te hamely azy aho, saingy vitako ihany ny niala teo. Hitako indray ilay lehiben’izy ireo ny ampitson’iny. Sosotra be aho ary te hamaly faty. Nivavaka mangina indray anefa aho, mba hahaizako mifehy tena. Gaga aho fa nanatona ahy izy, ary niteny hoe: “Miala tsiny leisy tamin’ilay omaly a. Te ho lasa hoatran’ialahy aho, raha ny marina. Mba te hianatra Baiboly koa aho.” Faly aho fa nahavita nifehy ny hatezerako, ka lasa nianatra Baiboly koa izy.

Tsy nety nianatra Baiboly intsony ny fianakaviako, tamin’izany. Izaho kosa nanohy foana, ary tsy nisy navelako hisakana ahy. Fantatro fa handray soa aho raha mifanerasera amin’ny vahoakan’Andriamanitra foana. Ireo mantsy no ho lasa fianakaviako, ary ho sitrana ny ratram-poko. Nandroso aho, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa tamin’ny 1991.

NY SOA NORAISIKO:

Tezi-dava sy tia nanjakazaka aho taloha, sady nahery setra. Tena nanova ahy anefa ny Tenin’Andriamanitra. Mitory ny hafatra momba ny fihavanana ao amin’ny Baiboly aho izao. Efa 23 taona aho izay no mpitory manontolo andro.

Nisy fotoana aho niasa an-tsitrapo tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Meksika. Tao no nahitako an’i Claudia, tovovavy tena mavitribitrika. Nivady izahay tamin’ny 1999. Faly be aho fa nomen’i Jehovah an’io namana tsy mivadika io.

Nanompo tao amin’ny fiangonana tenin’ny tanana meksikanina izahay, ka nanampy olona marenina hianatra momba an’i Jehovah. Nasaina nifindra teto Belize izahay tatỳ aoriana, mba hitory amin’ny olona eto. Tsotra kokoa ny fiainanay, nefa mahatsiaro sambatra izahay. Tsy atakalonay na inona na inona izany.

Nianatra Baiboly indray i Neny tatỳ aoriana, ary natao batisa. Efa Vavolombelon’i Jehovah koa izao ny zokiko lahy sy ny vady aman-janany. Afaka nitory tamin’ny namako sasany aho, ary efa manompo an’i Jehovah izy ireo izao.

Indrisy fa nindaosin’ny fahafatesana ny havako sasany, satria nahery setra be foana. Efa maty koa aho hoatr’izay raha tsy niova. Faly aho fa notaomin’i Jehovah hifandray aminy sy ny vahoakany. Nanam-paharetana izy ireo sady tsara fanahy tamiko, rehefa nampianatra ahy hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly.