Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaka Maneho An’ilay Tena Fitiavana ve Ianao?

Miezaka Maneho An’ilay Tena Fitiavana ve Ianao?

Miezaka Maneho An’ilay Tena Fitiavana ve Ianao?

HOY ny apostoly Jaona: “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Io no toetran’Andriamanitra misongadina indrindra. Noho ny fitiavany, dia afaka manatona azy sy mifandray akaiky aminy isika. Misy vokany hafa koa anefa ny fitiavany antsika. Misy fomba fiteny hoe: “Mamolavola ny toetrantsika ny zavatra tiantsika.” Mamolavola antsika koa anefa ny olona tiantsika sy tia antsika. Natao araka ny endrik’Andriamanitra isika, ka afaka maneho fitiavana toa azy. (Gen. 1:27) Tia an’Andriamanitra àry isika, “satria izy no tia antsika voalohany.”—1 Jaona 4:19.

Teny efatra ilazana ny fitiavana

Nilaza ny apostoly Paoly fa “mbola tsara kokoa” noho ny zavatra hafa rehetra ny fitiavana. (1 Kor. 12:31; 13:1) Fa nahoana? Inona tokoa moa ilay fitiavana resahiny eo? Hodinihintsika ilay teny hoe “fitiavana” mba hamaliana izany.

Maro ny teny grika ilazana ny hoe fitiavana, fa mifandray amin’ireto teny efatra ireto ny ankamaroany: Stôrge, erôs, filia, ary agape. Rehefa nilaza ny Baiboly hoe “Andriamanitra dia fitiavana” dia agape no teny nampiasainy. * Hoy i William Barclay, manam-pahaizana momba ny teny grika: ‘Ny saina no tena miasa rehefa maneho ny fitiavana agape. Tsy fihetseham-po fotsiny mantsy izy io fa tena mifehy ny fiainana mihitsy, ary tsy tonga ho azy fa iezahana hananana. Isika mihitsy no manapa-kevitra haneho azy io.’ Fitiavana mifanaraka amin’ny toro lalana no atao hoe agape, nefa koa misy fihetseham-po lalina tafiditra amin’izany matetika. Misy tsara sy ratsy ny toro lalana, fa ny toro lalana nampanoratin’i Jehovah ao amin’ny Baiboly no tsara, ka tokony harahin’ny Kristianina. Ny fitiavana agape àry ilay tian’i Paoly horesahina, ary io no tena fitiavana. Ilaina foana ny maneho azy io rehefa mifandray amin’ny hafa. Ahoana no anaovana izany?

Fitiavana eo amin’ny mpianakavy

Tena mahafinaritra ny hoe anisan’ny fianakaviana miray saina sy mifankatia! Efa voajanahary ny fitiavana ny mpianakavy, ary stôrge matetika no teny grika ilazana azy. Miezaka ho tia ny mpianakaviny ny Kristianina. Nilaza anefa i Paoly fa “tsy ho tia ny mpianakaviny” * ny olona amin’ny andro farany.—2 Tim. 3:1, 3.

Mampalahelo fa izany no hita eo anivon’ny fianakaviana maro. Betsaka ny vehivavy manala zaza, maro ny olona tsy miraharaha ny ray aman-dreniny be taona, ary mitombo haingana be ny fisaraham-panambadiana. Inona no anton’izany? Satria tsy tia ny mpianakaviny izy ireo.

Milaza koa ny Baiboly fa “mamitaka mihoatra noho ny zava-drehetra ny fo.” (Jer. 17:9) Mahakasika ny fo sy ny fihetseham-po ny fitiavana ny mpianakavy. Marihina anefa fa agape no teny nampiasain’i Paoly mba hilazana ny fitiavana tokony hasehon’ny lehilahy amin’ny vadiny. Nampitoviny amin’ny fitiavan’i Kristy ny fiangonana izy io. (Efes. 5:28, 29) Mifanaraka amin’ny toro lalana nomen’i Jehovah, Ilay namorona ny fianakaviana, koa izy io.

Inona àry no hataontsika raha tena tia ny mpianakavintsika isika? Hikarakara ny ray aman-drenintsika be taona, ary hanao ny andraikitsika amin’ny zanatsika. Hananatra am-pitiavana ny zanatsika koa isika, rehefa ilaina izany. Tsy hobaikoin’ny fo fotsiny isika, satria mety hahatonga antsika hilefitra loatra amin’ny ankizy izany.—Efes. 6:1-4.

Fitiavana eo amin’ny lahy sy vavy

Fanomezana avy amin’i Jehovah ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady. (Ohab. 5:15-17) Ny teny grika erôs no ilazana ny fitiavana eo amin’ny lahy sy vavy, kanefa tsy nampiasa an’io teny io ny mpanoratra Baiboly. Nahoana? Nanana andriamanitra atao hoe Eros ny Grika fahiny, ary lazain’izy ireo hoe andriamanitry ny fitiavana eo amin’ny lahy sy vavy izy io. Izao no voalazan’ny Tilikambo Fiambenana iray efa ela: “Nanompo an’i Eros ny Grika, ary niankohoka teo amin’ny alitarany, sady nanao sorona ho azy. ... Ny fitiavana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny firaisana ara-nofo no zava-dehibe indrindra tamin’izy ireo. Mamerina izany fahadisoana izany koa ny olona maro ankehitriny. Hita teo amin’ny tantara anefa fa mitarika ho amin’ny fitondran-tena maloto sy ny fanaranam-po amin’ny filan’ny nofo izany, ary mampisara-bazana. Izany angamba no tsy nampiasan’ny mpanoratra Baiboly an’ilay teny hoe erôs.” Tokony hofehezin’ny toro lalan’ny Baiboly àry ny fihetseham-pontsika, mba tsy ho ny fifanintonana ara-batana fotsiny no hibaiko antsika. Raha manana olon-tiana ianao, dia mieritrereta hoe: ‘Noho izy manintona ahy fotsiny ve no itiavako azy sa maneho ilay tena fitiavana (agape) koa aho?’

Afaka ny hadio fitondran-tena ny tanora raha manaraka foana ny toro lalan’ny Baiboly, na dia tena mafy aza ny faniriana hanao firaisana, mandritra “ny fotoana fivelaran’ny fahatanorana.” (1 Kor. 7:36; Kol. 3:5) Mihevitra ny fanambadiana ho fanomezana masina avy amin’i Jehovah koa isika. Hoy i Jesosy: ‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’ (Mat. 19:6) Tsy ny fifanintonana ara-batana fotsiny àry no mahatonga ny Kristianina hijanona amin’ny vadiny. Mihevitra ny voadim-panambadiana ho tena zava-dehibe kosa izy. Rehefa misy olana ao an-tokantranony, dia tsy maika hitady fomba hisarahana amin’ny vadiny izy, fa miezaka haneho ireo toetra kristianina mba hahasambatra ny fianakaviany. Ho sambatra foana izay miezaka toy izany.—Efes. 5:33; Heb. 13:4.

Fitiavana eo amin’ny mpinamana

Hankaleo ny fiainana raha tsy misy ny namana! Hoy ny Baiboly: ‘Misy namana mifikitra noho ny rahalahy.’ (Ohab. 18:24) Tian’i Jehovah hanana namana tena tia antsika isika. Fantatsika tsara, ohatra, fa mpinamana be i Davida sy Jonatana. (1 Sam. 18:1) Milaza koa ny Baiboly fa “tian’i Jesosy” ny apostoly Jaona. (Jaona 20:2) Filia no teny grika ilazana ny “fitiava-namana” sy ny “firaiketam-po.” Tsy misy maha ratsy ny hoe manana namana akaiky eo anivon’ny fiangonana. Milaza anefa ny 2 Petera 1:7 fa mila ampiana fitiavana (agape) ny ‘fitiavantsika ny rahalahy’, izany hoe ny filadelfia. (Ny filadelfia dia fitambaran’ny filôs na “namana” sy adelfôs na “rahalahy.”) Mila mampihatra an’io torohevitra io isika, raha te hifandray tsara foana amin’ny namantsika. Mila manontany tena àry isika hoe: ‘Manaraka ny toro lalan’ny Baiboly ve aho rehefa mifandray amin’ny namako?’

Manampy antsika tsy hiangatra amin’ny namantsika ny Tenin’Andriamanitra. Tsy manao fitondra-mitanila isika, ka hoe somary milefitra amin’ny namantsika, nefa hentitra kokoa amin’ny olon-kafa. Tsy mandokadoka olona koa isika mba hahatonga azy ho namantsika. Tena ilaina ny toro lalan’ny Baiboly, satria manampy antsika handinika tsara ka hahay hifidy namana, fa tsy hiaraka amin’ny “naman-dratsy” izay “manimba ny fahazarana mahasoa.”—1 Kor. 15:33.

Ny fifankatiavan’ny Kristianina

Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka tsy hisy fihatsarambelatsihy ny fitiavanareo. ... Aoka ianareo hifaneho firaiketam-po lalina raha ny amin’ny fitiavan-drahalahy.” (Rom. 12:9, 10) Ireo no mampifandray ny Kristianina. Maneho ‘fitiavana (agape) tsy misy fihatsarambelatsihy’ isika. Tsy baikoin’ny fo fotsiny izy io, fa mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly. Manampy antsika hifankatia koa ny “firaiketam-po lalina” (filôstôrgôs, izay fitambaran’ny filôs sy stôrge). Miseho indray mandeha monja ao amin’ny Baiboly izy io, ary milaza fifankahazoana am-po toy ny misy eo amin’ny mpianakavy. Farany, manana “fitiavan-drahalahy” (filadelfia) isika. Nilaza ny manam-pahaizana iray fa midika hoe “fanehoana hatsaram-panahy sy fangorahana ary fanomezana fanampiana” io teny io. Mifandray akaiky ny mpanompon’i Jehovah, rehefa maneho fitiavan-drahalahy sy fitiavana agape.1 Tes. 4:9, 10.

Tsy fikambanana natao hitadiava-namana fotsiny àry ny fiangonana kristianina, fa fianakaviana mifandray akaiky sy miara-manompo an’i Jehovah. Mifankatia toy ny mpianakavy isika ka mifampiantso hoe rahalahy sy anabavy. Tena mpinamana koa isika, ary baikoin’ilay fitiavana mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly. Tena miavaka tokoa ny fifankatiavantsika Kristianina! Enga anie àry isika rehetra hiezaka foana hanamafy ilay fifankatiavana mampiray sy mampiavaka ny tena fiangonana kristianina!—Jaona 13:35.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Ampiasaina koa ny agape rehefa miresaka momba ny fitiavana zavatra tsy tokony hotiavina.—2 Tim. 4:10; 1 Jaona 2:15-17.

^ feh. 7 Ilay hoe ‘tsy tia ny mpianakavy’ dia avy amin’ny teny grika astôrgôi, izay tsy inona fa stôrge misy tovona a midika hoe “tsy misy.”—Jereo koa ny Romanina 1:31.

[Teny notsongaina, pejy 12]

Miezaka manamafy ilay fifankatiavana mampiray antsika ve ianao?