Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Vitanao ny Hanohitra An’i Satana sy Handresy Azy!

Ho Vitanao ny Hanohitra An’i Satana sy Handresy Azy!

“Tohero [i Satana] ka manàna finoana matanjaka.” —1 PET. 5:9.

1. a) Nahoana no amin’izao isika no tena mila manohitra an’i Satana? b) Ahoana no ahalalantsika fa ho vitantsika ny handresy an’i Satana?

MIADY amin’ny sisa voahosotra sy ny “ondry hafa” i Satana. (Jaona 10:16) Te handrapaka mpanompon’i Jehovah betsaka araka izay azo atao izy, satria fohy ny fotoana ananany. (Vakio ny Apokalypsy 12:9, 12.) Ho vitantsika ve ny handresy an’i Satana? Eny! Hoy ny Baiboly: ‘Tohero ny Devoly, dia handositra anareo izy.’—Jak. 4:7.

2, 3. a) Nahoana no zaran’i Satana aza ny olona mino hoe tsy tena misy izy? b) Nahoana ianao no mino fa misy i Satana?

2 Maro no mihevitra fa tsy misy i Satana sy ny demonia, fa mpilalao amin’ny boky sy filma mampahatahotra ary lalao video fotsiny. Raha olona tena misaina, hono, dia tsy hino hoe misy ny anjely ratsy. Zaran’i Satana aza mieritreritra an’izany ny olona! Amin’izay mantsy mora aminy ny manajamba ny sain’izay misalasala hoe misy izy sa tsia. (2 Kor. 4:4) Anisan’ny lainga amitahan’i Satana ny olona, raha ny marina, ilay hevitra hoe tsy misy ny anjely ratsy.

3 Mpanompon’i Jehovah isika ka tsy voafitaka. Fantatsika fa misy ny Devoly satria izy ilay nampiasa menarana mba hiresahana tamin’i Eva. (Gen. 3:1-5) Izy ilay niresaka tamin’i Jehovah ka nanaratsy an’i Joba. (Joba 1:9-12) I Satana koa ilay naka fanahy an’i Jesosy. (Mat. 4:1-10) Izy koa ilay “niady” tamin’ny sisa voahosotra, taorian’ny niorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny 1914. (Apok. 12:17) Mbola mitohy io ady io satria miezaka foana i Satana mandrava ny finoan’ny ondry hafa sy ny sisa amin’ny 144 000. Tsy maintsy manohitra an’i Satana sy manana finoana matanjaka isika raha te handresy azy. Hiresaka fomba telo handresena an’i Satana isika izao.

AZA MANAMBONY TENA

4. Inona no porofo fa tena mirehareha sy manambony tena i Satana?

4 Tena mirehareha sy manambony tena i Satana sady sahisahy ratsy. Raha tsy izany mantsy tsy ho sahiny ny hanakiana ny zon’i Jehovah hitondra sy hanao ny tenany ho andriamanitra. Tsy tokony hanambony tena àry isika, fa hanetry tena raha te hanohitra an’i Satana. (Vakio ny 1 Petera 5:5.) Inona anefa no atao hoe mirehareha? Ratsy foana ve izany?

5, 6. a) Ratsy foana ve ny mirehareha? Hazavao. b) Inona no vokany raha mirehareha loatra isika? Manomeza ohatra.

5 Milaza ny diksionera iray fa ny hoe mirehareha dia midika hoe “mahatsapa ho mendrika na manan-kaja.” Azo lazaina hoe mirehareha koa ianao rehefa “mahatsapa hoe afa-po satria mahavita na manana zavatra tsara ianao na ny olona akaiky anao.” Tsy misy maha ratsy an’izany. Nilaza tamin’ny Tesalonianina ny apostoly Paoly hoe: “Reharehanay eo amin’ireo fiangonan’Andriamanitra ianareo, noho ny fiaretanareo sy ny finoanareo, ao anatin’ny fanenjehana sy ny fahoriana rehetra zakainareo.” (2 Tes. 1:4) Misy maha tsara ny hoe afa-po noho ny zava-bitan’ny hafa àry. Mety hahasoa koa ny hoe mirehareha. Tsy tokony hahamenatra antsika ny fianakaviantsika, na ny kolontsaintsika, na ny toerana nahalehibe antsika.—Asa. 21:39.

6 Mety handrava fihavanana sy hahatonga antsika tsy ho naman’i Jehovah anefa ny fireharehana. Raha mirehareha loatra isika, dia mety tsy hanetry tena fa ho tezitra sy tsy hanaiky rehefa toroana hevitra. (Sal. 141:5) “Be hambo” ny olona toy izany, hoy ny boky iray, na “miavonavona ka mihevi-tena ho ambony noho ny hafa. Matetika anefa no tsy marina ilay eritreriny.” Halan’i Jehovah ny olona mirehareha loatra. (Ezek. 33:28; Amosa 6:8) Azo antoka fa faly be i Satana rehefa mieboebo isika, satria izany no toetrany. Eritrereto ny hafaliany rehefa nahita an’i Nimroda sy Farao ary Absaloma nirehareha loatra! (Gen. 10:8, 9; Eks. 5:1, 2; 2 Sam. 15:4-6) Ny fireharehana koa no nahavoa an’i Kaina. Andriamanitra mihitsy no nanoro hevitra azy, saingy nanambony tena izy ka tsy nanaiky torohevitra. Mafy loha izy ka tsy niraharaha ny fampitandreman’i Jehovah ary loza no vokany.—Gen. 4:6-8.

7, 8. a) Inona no atao hoe fanavakavahana, ary nahoana no azo lazaina fa manambony tena ny olona manavakavaka? b) Nahoana no mety hikorontana ny fiangonana raha misy manambony tena eo anivony?

7 Maro ny porofo ahitana hoe manambony tena ny olona ankehitriny, ary misy vokany ratsy be dia be izany. Manavakavaka, ohatra, izy ireo indraindray. Milaza ny diksionera iray fa “mitsaratsara na mankahala olona hafa firazanana” ny olona manavakavaka. “Mino [koa izy] fa tsara toetra kokoa na mahay kokoa na ambony kokoa ny olona avy amin’ny firazanana sasany.” Miteraka korontana sy ady ary vonoan’olona be dia be izany.

8 Tsy tokony hisy an’izany eo anivon’ny fiangonana. Manambony tena anefa ny Kristianina sasany ka lasa miady ary mety hitatra be ilay izy. Efa nisy an’izany tamin’ny taonjato voalohany, ka nampisaintsaina ny Kristianina tamin’izany i Jakoba hoe: “Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo?” (Jak. 4:1) Mety hiteny na hanao zavatra mampalahelo ny hafa isika raha mankahala olona loatra na mihevitra fa ambony noho ny hafa. (Ohab. 12:18) Mety hikorontana àry ny fiangonana raha misy manambony tena eo anivony.

9. Inona avy ny andinin-teny manampy antsika tsy hanavakavaka sy tsy hanambony tena? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

9 Ahoana àry raha zatra mihevi-tena ho ambony isika? Tadidio fa “maharikoriko an’i Jehovah izay rehetra manana fo mirehareha.” (Ohab. 16:5) Ilaina koa ny misaintsaina hoe: ‘Mihevitra ve aho fa ambony kokoa noho ny olona hafa firazanana na fiaviana na kolontsaina amiko?’ Raha mihevitra toy izany isika, dia tsy miraharaha hoe ‘avy tamin’ny olona anankiray no nanaovan’Andriamanitra ny olona any amin’ny firenena rehetra.’ (Asa. 17:26) Iray firazanana ny olona rehetra satria samy taranak’i Adama. Tena adala izay mieritreritra fa misy firazanana ambony kokoa noho ny hafa. Manome vahana an’i Satana isika raha manana toe-tsaina toy izany. Tsy tiany hifankatia sy hiray saina mantsy isika. (Jaona 13:35) Tsy tokony hanambony tena na hanavakavaka àry isika raha te hanohitra sy handresy an’i Satana.—Ohab. 16:18.

AZA TIA HARENA NA TIA AN’ITY TONTOLO ITY

10, 11. a) Nahoana isika no mety ho lasa tia an’ity tontolo ity? b) Inona no vokany rehefa lasa tia an’ity tontolo ity i Demasy?

10 I Satana no “mpitondra an’izao tontolo izao” ary eo ambany fahefany izy io. (Jaona 12:31; 1 Jaona 5:19) Maro amin’ny zavatra tian’ny olona àry no mifanohitra amin’ny fitsipiky ny Baiboly. Marina fa tsy ratsy daholo ny zavatra eto amin’ity tontolo ity. Mampiasa ny tontolony anefa i Satana ka manararaotra ny faniriantsika mba hahatonga antsika hanota. Ataony lasa tia an’izao tontolo izao koa isika ka mety hanao tsirambina ny fanompoana an’i Jehovah.—Vakio ny 1 Jaona 2:15, 16.

11 Tia an’ity tontolo ity ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany. Hoy, ohatra, i Paoly: ‘Nandao ahy i Demasy satria tia an’ity tontolo ity.’ (2 Tim. 4:10) Tsy lazain’ny Baiboly hoe inona teo amin’ilay tontolo no tian’i Demasy ka nahatonga azy handao an’i Paoly. Angamba natakalony harena ny fanompoana an’i Jehovah. Tena voa mafy i Demasy raha izany. Ho nomen’i Jehovah tombontsoa mahafinaritra be mantsy izy raha mbola niara-nanompo tamin’i Paoly. Ity tontolo ity ve dia ho afaka hanome azy zavatra tsara kokoa noho izany?—Ohab. 10:22.

12. Inona no mety hitranga ka hahatonga antsika ho ‘voafitaky ny harena’?

12 Mety hitranga amintsika koa izay nanjo an’i Demasy. Kristianina isika ka ara-dalàna raha te hamelona tsara ny tenantsika sy ny ankohonantsika. (1 Tim. 5:8) Tian’i Jehovah hiadana ny olombelona, matoa napetrany tao amin’ny Paradisa tsara tarehy i Adama sy Eva. (Gen. 2:9) Mety hanararaotra ny faniriantsika anefa i Satana ka hampiasa ny harena mba hamitahana antsika. (Mat. 13:22) Maro no mihevitra fa ho sambatra izy raha manam-bola, na ho tafita izy raha manankarena. Tena voafitaka izay mieritreritra an’izany, ary mety tsy ho naman’i Jehovah intsony, nefa io no zava-tsarobidy indrindra. Nampitandreman’i Jesosy ny mpanara-dia azy hoe: “Tsy misy mahay manompo tompo roa, fa ny iray ho halany ary ny iray ho tiany, na ny iray hifikirany ary ny iray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.” (Mat. 6:24) Tsy hanompo an’i Jehovah intsony isika raha variana mikatsaka harena. Izany anefa no tena irin’i Satana hataontsika! Aza atakalo vola aman-karena mihitsy àry ny fifandraisana amin’i Jehovah. Tsy tokony ho tia harena isika raha te hanohitra sy handresy an’i Satana.—Vakio ny 1 Timoty 6:6-10.

AZA MIJANGAJANGA

13. Ahoana no fiheveran’ity tontolo ity ny fanambadiana sy ny firaisana?

13 Fandrika ampiasain’i Satana koa ny fijangajangana. Maro no mihevitra fa maneritery na efa lany andro ny hoe tsy mampirafy, ary na ny misora-panambadiana aza. Hoy ny vehivavy iray mpilalao filma: ‘Sarotra ny tsy hampirafy, na lehilahy ianao na vehivavy. Mbola tsy nahita olona tsy nampirafy na tsy te hampirafy aho.’ Hoy koa ny lehilahy iray mpilalao filma: “Angamba isika tsy natao hiaraka amin’ny olona iray mandra-pahafaty izany mihitsy.” Azo antoka fa faly i Satana rehefa misy olo-malaza manao tsinontsinona ny fanambadiana. Tsy tiany io fanomezan’i Jehovah io ka satriny aza hikorontana. Tokony hitovy amin’ny an’i Jehovah àry ny fiheverantsika ny fanambadiana, raha tiantsika ny hanohitra an’i Satana sy handresy azy.

14, 15. Inona no azonao atao raha alaim-panahy hijangajanga ianao?

14 Tokony hiezaka tsy hijangajanga isika, na mpitovo na manambady. Mora ve izany? Tsia! Mety hirehareha, ohatra, ny ankizy any am-pianarana hoe efa nanao firaisana tamin’ny olona maro. Misy koa mirehareha hoe efa nandefa sary na hafatra vetaveta tamin’ny findainy. Mitovy amin’ny manaparitaka sary vetaveta ahitana ankizy anefa izany, any amin’ny tany sasany. Hoy ny Baiboly: ‘Manota amin’ny vatany ihany ny mpijangajanga.’ (1 Kor. 6:18) Maro no mijaly sy maty satria mihanaka ny aretina azo avy amin’ny firaisana. Misy tanora tsy manambady koa nefa tsy virjiny intsony, ary milaza ny ankamaroany fa manenina. Ataon’ny haino aman-jery izay hiheverantsika fa tsy misy vokany ratsy ny mijangajanga. Mety hihevitra àry isika fa tsy mampaninona ny mandika ny lalàn’Andriamanitra. Tena diso anefa izany. Voafandriky ny “hery mamitaky ny ota” isika raha mino an’izany.—Heb. 3:13.

15 Inona àry no azonao atao raha miady mafy tsy hijangajanga ianao? Ekeo hoe misy zavatra mila resenao. (Rom. 7:22, 23) Mangataha hery amin’Andriamanitra. (Fil. 4:6, 7, 13) Ialao izay toe-javatra mety hitarika anao hijangajanga. (Ohab. 22:3) Ary tohero avy hatrany ny fakam-panahy, raha vao mipoitra.—Gen. 39:12.

16. Inona no nataon’i Jesosy rehefa naka fanahy azy i Satana, ary inona no azontsika ianarana avy aminy?

16 Modely ho antsika i Jesosy satria nanohitra fakam-panahy. Tsy voafitaky ny fampanantenan’i Satana izy, ary tsy naka fotoana hieritreretana azy ireny akory. Tonga dia namaly kosa izy hoe: “Voasoratra hoe.” (Vakio ny Matio 4:4-10.) Nahalala ny Tenin’Andriamanitra i Jesosy, ka nahita andinin-teny holazaina avy hatrany raha vao nisy fakam-panahy. Tsy tokony hanaiky halaim-panahy hijangajanga àry isika, raha te hanohitra an’i Satana sy handresy azy.—1 Kor. 6:9, 10.

HANDRESY IANAO RAHA MIARITRA

17, 18. a) Inona no tetika hafa ampiasain’i Satana, ary nahoana izany no tsy mahagaga antsika? b) Inona no miandry an’i Satana, ary nahoana izany no mandrisika anao hiaritra?

17 Tsy ny fireharehana sy ny fitiavan-karena ary ny fijangajangana ihany no ampiasain’i Satana hamitahana antsika. Misy Kristianina, ohatra, enjehin’ny fianakaviany, na esoin’ny mpiara-mianatra aminy, na raran’ny fanjakana tsy hitory. Tsy mahagaga antsika izany satria efa nilaza i Jesosy hoe: “Ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako. Fa izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.”—Mat. 10:22.

Tsy maintsy ho ringana i Satana (Fehintsoratra 18)

18 Inona àry no tokony hatao raha te hanohitra an’i Satana sy haharesy azy? Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Raha miaritra ianareo dia ho voavonjinareo ny ainareo.” (Lioka 21:19) Tsy hisy zavatra ataon’olombelona ka hoe hitondra fahavoazana mandrakizay ho antsika. Tsy hisy olona hahavita hampisaraka antsika amin’Andriamanitra raha tsy isika mihitsy no mamela azy hanao izany. (Rom. 8:38, 39) Tsy mandresy i Satana, na maty aza ny mpanompon’i Jehovah. Mbola hatsangan’i Jehovah mantsy ilay mpanompony! (Jaona 5:28, 29) Tena manjombona kosa ny hoavin’i Satana. Halefa any amin’ny lavaka mangitsokitsoka mandritra ny 1 000 taona izy, rehefa ringana ny tontolony. (Apok. 20:1-3) “Hovahana” vetivety “avy ao amin’ny fonja nitoerany” izy amin’ny faran’ny 1 000 taona ka havela hamitaka ny olombelona lavorary. Horinganina izy avy eo. (Apok. 20:7-10) Tsy maintsy ho ringana i Satana, fa tsy toy izany kosa ianao! Tohero àry izy ka manàna finoana matanjaka, dia handresy azy ianao!