Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Eo Ambony Fasika sa Vatolampy no Anorenanao?

Eo Ambony Fasika sa Vatolampy no Anorenanao?

Eo Ambony Fasika sa Vatolampy no Anorenanao?

TIA mamaky Baiboly ve ianao? Sa ianao mianatra Baiboly tsy tapaka miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah? Raha izany no izy, dia mety ho tsapanao fa nanampy anao ny fahalalana azonao, ka nanjary fantatrao hoe nahoana no tototry ny olana izao tontolo izao. (Apokalypsy 12:9, 12) Andinin-teny maro koa no nampahery anao tao anatin’ny sarotra, sy nanome fanantenana anao.—Salamo 145:14; 147:3; 2 Petera 3:13.

Tena ilaina ny mahalala tsara ny Baiboly raha te ho mpianatr’i Kristy. Tsy ampy anefa izany. Misy dingana lehibe tokony hataon’ireo mianatra Baiboly koa raha maniry ho tena Kristianina foana izy, indrindra rehefa iharam-pitsapana. Inona izany? Mba hamaliana izany, dia andeha hodinihintsika vetivety ilay toritenin’i Jesosy teo amin’ny tendrombohitra iray any Galilia.—Matio 5:1, 2.

Izay nanjo an’ireo trano roa

Fantatrao tsara ve ilay Toriteny teo An-tendrombohitra? Ao amin’ny Filazantsaran’i Matio sy Lioka no ahitanao an’io toriteny malaza io. (Matio 5:1–7:29; Lioka 6:20-49) Voavaky ao anatin’ny 20 minitra monja izy io. Misy andinin-teny 20 mahery avy ao amin’ny Soratra Hebreo anefa ao, ary misy teny an’ohatra 50 mahery. Miavaka, ohatra, ilay fanoharana momba an’ireo trano roa naorina, satria io no namaranan’i Jesosy an’ilay toriteny. Raha takatrao ny dikan’io fanoharana io, dia ho fantatrao izay azonao atao mba hahatonga anao ho mpanara-dia an’i Kristy foana, na inona na inona fitsapana ny finoanao.

Hoy i Jesosy: “Izay rehetra mandre izany teniko izany ka mankatò, dia hoharina amin’ny lehilahy malina izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy. Ary latsaka ny orana ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany. Tsy nirodana anefa ilay trano, satria naorina teo ambony vatolampy. Fa izay rehetra mandre izany teniko izany ka tsy mankatò kosa, dia hoharina amin’ny lehilahy adala izay nanorina ny tranony teo ambony fasika. Ary latsaka ny orana ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany. Dia nirodana ilay trano, ary mafy ny fianjerany.”—Matio 7:24-27.

“Nihady lalina”

Inona no fahamarinana lehibe nampianarin’i Jesosy ny mpianany, tamin’ilay fanoharana momba an’ireo lehilahy roa nanao trano? Ho hitantsika izany rehefa dinihintsika akaiky ny tenin’i Jesosy. Inona no voamarikao momba an’ireo trano roa? Nitovy ihany ny loza namely azy ireo. Nitovy bika angamba ireo trano ireo. Mety ho faritra iray koa no nanorenana azy ireo, na mety ho nifanila mihitsy aza. Naorina teo ambony fasika anefa ny iray, fa ny iray kosa teo ambony vatolampy. Ahoana no hahalalantsika izany? “Nihady lalina” ilay lehilahy malina, hoy ny Filazantsaran’i Lioka, mba hipaka hatrany amin’ny vatolampy ny fototr’ilay trano naoriny. (Lioka 6:48) Tsy nirodana ny tranony, noho izany.

Inona no hevitra tian’i Jesosy hasongadina? Ny zavatra nataon’ireo lehilahy nanao trano no tiany hasongadina, fa tsy ny bikan’ireo trano, na ny toerana nanorenana azy, na ny herin’ilay rivo-doza. Nihady lalina ilay iray, fa tsy toy izany kosa ilay anankiray. Ahoana no hanahafantsika an’ilay lehilahy malina izay nihady lalina? Namintina ny hevi-dehibe tamin’ilay fanoharana i Jesosy rehefa nilaza hoe: ‘Koa nahoana ianareo no miantso ahy hoe: “Tompo ô! Tompo ô!”, nefa tsy manao izay lazaiko? Hasehoko anareo hoe mitovy amin’inona moa ny olona manatona ahy sy mihaino ny teniko ka mankatò: Tahaka ny olona nihady lalina vao nandatsaka fototra teo ambony vatolampy.’—Lioka 6:46-48.

Toy ny hoe manorina trano eo ambony fasika isika, fa tsy mihady lalina, raha mihaino fotsiny ny fampianaran’ny Baiboly na mamaky Baiboly fotsiny. Mila ezaka mafy kosa ny mampihatra ny fampianaran’i Kristy, satria mila mihady lalina hatrany amin’ny vatolampy.

Raha te ho mpanara-dia an’i Kristy foana àry ianao, dia mila mampihatra ny zavatra renao. Mitovy amin’ilay lehilahy malina izay nihady lalina ianao, raha ampiharinao eo amin’ny fiainanao ny zavatra ianaranao ao amin’ny Baiboly. Tokony hanontany tena àry izay rehetra mianatra Baiboly hoe: ‘Mpihaino fotsiny aho sa mpankatò? Mamaky sy mianatra Baiboly fotsiny ve aho, sa manaraka ny torohevitry ny Baiboly rehefa manapa-kevitra?’

Mandray soa izay mihady lalina

Diniho izay nitranga tamin’i José. Nobeazin’ny ray aman-dreniny hanaraka ny fitsipiky ny Baiboly izy. Izy kosa anefa tsy mba niezaka nianatra ny Tenin’Andriamanitra mihitsy. Hoy izy: “Niezaka ny ho tsara toetra aho, rehefa tsy nipetraka tao amin’i Dada sy Neny intsony. Ratsy toetra anefa ireo namako. Nanomboka nidoroka zava-mahadomelina aho, naloto fitondran-tena, ary niady tamin’ny olona.”

Nanapa-kevitra hiova ihany i José, ka nanomboka nazoto nianatra Baiboly. Hoy izy: “Namaky an’ilay Toritenin’i Jesosy teo An-tendrombohitra aho ary azoko tsara ny heviny, ka izany no nandrisika ahy hiova. Ela aho vao nahavita nanova ny toetrako sy ny fiainako. Natahotra aho tamin’ny voalohany hoe ahoana no hiheveran’ireo ‘namako’ ahy. Resiko ihany anefa izany tahotra izany. Tsy nandainga sy tsy niteny ratsy intsony aho, ary nanomboka nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hitako fa marina ilay fampanantenan’i Jesosy hoe ho sambatra foana ianao raha manana fiainana tsotra sy mampihatra ny torohevitry ny Baiboly.”—Matio 5:3-12.

Toy ny hoe mihady lalina ianao ka manorina trano eo ambony vatolampy, rehefa miezaka mafy mampihatra ny zavatra vakinao avy ao amin’ny Baiboly. Inona no soa ho azonao avy amin’izany? Hoy i Jesosy: “Rehefa tondraka ny rano, dia namely mafy an’izany trano izany ny renirano, saingy tsy nampihozongozona azy, satria tsara orina izy.” (Lioka 6:48) Toy ny hoe mafy orina tokoa ny tranonao raha mampihatra ny zavatra ianaranao ianao. Tsy hirodana ilay izy ary tsy hihozongozona akory, na dia misy fitsapana mahery toy ny tafiotra aza. Mampahery tokoa izany!

Nilaza i Jakoba mpianatra, rahalahin’i Jesosy, fa mandray soa hafa koa ireo mianatra Baiboly, raha mankatò ny teny fa tsy mihaino fotsiny. Hoy mantsy izy: ‘Aoka ianareo ho mpankatò ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny ihany. Izay mijery tsara ny lalàna tonga lafatra mitondra fahafahana, ary maharitra amin’izany, ka tonga mpankatò ny teny fa tsy mpihaino manadino, dia ho sambatra izy rehefa mankatò.’—Jakoba 1:22-25.

Tena ho faly sy sambatra izay manaraka ny torohevitry ny Baiboly. Io fifaliana io no manome hery ny mpanara-dia an’i Kristy, mba hijoroany tsara na dia mahery toy ny tafiotra aza ny fitsapana misedra ny finoany. Ireny fitsapana ireny koa no ahitana raha tena mifikitra amin’Andriamanitra izy na tsia.

Inona no hataonao?

Nantitranterin’i Jesosy tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra, fa matetika isika no tsy maintsy manao safidy rehefa manompo an’i Jehovah. Nampianatra izy hoe: Na tsotra ny masonao, na mifantoka amin’ny zava-dratsy; na ianao manompo an’Andriamanitra, na ianao manompo harena; na ianao mandeha amin’ilay lalana tery, na mandeha amin’ilay lalana malalaka. (Matio 6:22-24; 7:13, 14) Mbola nisy safidy hafa nomen’i Jesosy an’ireo mpanara-dia azy, rehefa nilaza an’ilay fanoharana momba an’ireo lehilahy roa nanorina trano izy: Na izy ireo hanao toa an’ilay lehilahy malina, na toa an’ilay lehilahy adala.

Malina ianao raha ankatoavinao amin’ny fo manontolo foana ny zavatra ianaranao ao amin’ny Baiboly. Eny, handray fitahiana dieny izao sy amin’ny hoavy ianao, raha mihady lalina ka manorina eo ambony vatolampy.—Ohabolana 10:25.

[Sary, pejy 30]

Hijoro tsara isika raha mampihatra izay ianarantsika