Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Iza ireo “ankohonan’i Kaisara”, izay niteny tamin’i Paoly hoe mampamangy any amin’ireo Filipianina?

Tany Roma ny apostoly Paoly no nanoratra ho an’ny fiangonana tany Filipy, tamin’ny taona 60 ka hatramin’ny 61 tany ho any. I Néron Mpanjaka ilay Kaisara noresahiny. Iza tamin’ny ankohonan’i Kaisara anefa no niteny hoe mampamangy ho an’ny Kristianina tany Filipy?—Filipianina 4:22.

Tsy voatery hoe havana akaikin’ny mpanjaka ireo lazaina hoe “ankohonan’i Kaisara.” Anisan’izy ireo kosa ireo olona rehetra niasa ho an’ny mpanjaka, toa an’ireo mpanompo sy andevo afaka, tany Roma sy tany amin’ireo faritany. Nisy mpanompo an’arivony àry tao amin’ny “ankohonan’i Kaisara.” Mety ho ireo mpanao raharaha rehetra tao an-tranon’ny mpanjaka na tao an-dapany izy ireo na mpiasa ny taniny. Mety ho nanana toerana ambony tao amin’ny fitondrana mihitsy aza ny sasany.

Lasa Kristianina ny sasany tamin’ireo mpanompon’ny mpanjaka tany Roma. Tsy hay raha ny fitorian’i Paoly no nahatonga izany. Na ahoana na ahoana, dia mety ho naneho fiahiana an’ilay fiangonana tany Filipy izy ireo. Azo antoka àry fa naman’ireo Kristianina sasany tany Filipy ireo niteny hoe mampamangy. Zanatany romanina mantsy i Filipy, ary miaramila sy mpiasan’ny mpanjaka maro efa nisotro ronono no nipetraka tany.

Inona ilay hoe mitondra loloha resahin’ny Lalàn’i Mosesy?

Raha maty tsy niteraka ny lehilahy manambady iray, teo amin’ny Israely fahiny, dia tokony halain’ny rahalahiny ho vady ilay vehivavy, mba tsy ho lany taranaka ilay lehilahy maty. (Genesisy 38:8) Nantsoina hoe fitondrana loloha io fandaharana io, ary nampidirina tao amin’ny Lalàn’i Mosesy tatỳ aoriana. (Deoteronomia 25:5, 6) Afaka mitondra loloha koa ny lehilahy hafa havan’ilay maty, raha efa maty daholo ny rahalahiny. Izany no nataon’i Boaza, voatantara ao amin’ny bokin’i Rota.—Rota 1:3, 4; 2:19, 20; 4:1-6.

Mbola nampiharina ny fitondrana loloha tamin’ny andron’i Jesosy. Niresaka momba azy io mantsy ny Sadoseo, ao amin’ny Marka 12:20-22. Nilaza i Flavius Josèphe, mpahay tantara jiosy tamin’ny taonjato voalohany, fa tsy very ny anaram-pianakaviana noho io fandaharana io. Nijanona ho an’ny fianakaviana koa ny harena, sady voatsimbina ilay vehivavy maty vady. Tsy nanan-jo handova ny fananan’ny vadiny mantsy ny vehivavy tamin’izany. Raha miteraka amin’izay lehilahy mitondra loloha azy anefa izy, dia ho voahazona ny fananan’ilay vadiny maty.

Araka ilay Lalàna, dia azon’ny havan’ilay lehilahy maty natao ny nanda tsy hitondra loloha. Tena afa-baraka anefa ny lehilahy iray raha ‘tsy nanome taranaka ho an’ny rahalahiny.’—Deoteronomia 25:7-10; Rota 4:7, 8.