Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontaniana 1: Fa Maninona àry Aho no Nisy?

Fanontaniana 1: Fa Maninona àry Aho no Nisy?

LEHIBE tany Angletera i Rosalind, ary tena tia nianatra. Te hanampy olona koa izy. Nahita asa tsara izy taorian’ny nahazoany diplaoma. Nanampy olona tsy manan-kialofana sy kilemaina ary votsa saina izy. Efa nanana ny ampy izy nefa mbola nieritreritra ihany nandritra ny taona maro hoe: “Mba inona re no antony ahavelomantsika e? Dia maninona isika no nisy?”

Nahoana ny olona no manontany an’izany?

Misaina isika olombelona fa tsy toy ny biby. Mahay maka fianarana avy amin’ny zavatra lasa isika ary mahay mitsinjo ny hoavy. Afaka mieritreritra koa isika hoe inona no antony isiantsika.

Inona no lazain’ny olona sasany?

Maro no mihevitra fa ny hitady vola na laza mba ho sambatra no tena antony mampisy antsika.

Inona no dikan’izany?

Isika ihany no mamaritra izay zava-dehibe eo amin’ny fiainantsika. Ny sitrapontsika aloha no tiantsika hatao vao ny sitrapon’Andriamanitra.

Inona no lazain’ny Baiboly?

Nanan-karena be i Solomona Mpanjaka sady nanao izay rehetra nahafinaritra azy. Hitany anefa fa tsy nitondra nankaiza akory ireo. Nolazainy kosa hoe inona no tena mahasambatra. Hoy izy: “Izao no famaranan-teny rehefa re izany rehetra izany: Matahora an’Andriamanitra ka tandremo ny didiny, fa izany no adidy tokony hataon’ny olombelona.” (Mpitoriteny 12:13) Inona no tafiditra amin’ny hoe mitandrina ny didin’Andriamanitra?

Tian’Andriamanitra hankafy fiainana isika. Anisan’ny antony namoronany antsika izany. Hoy i Solomona: “Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana, sy misotro, ary mifaly noho ny asa mafy ataony. Hitako koa fa avy amin’Andriamanitra izany.”—Mpitoriteny 2:24.

Tian’Andriamanitra ho tia sy hikarakara ny fianakaviantsika koa isika. Ireto misy torohevitra nomeny ho an’ny mpianakavy tsirairay:

  • ‘Tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy.’—Efesianina 5:28.

  • ‘Aoka ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny.’—Efesianina 5:33.

  • “Ianareo zanaka, ankatoavy ny ray aman-dreninareo.”—Efesianina 6:1.

Ho faly sy ho afa-po kokoa isika raha mankatò an’ireo toro lalan’ny Baiboly ireo. Misy zavatra faran’izay lehibe tokony hataontsika anefa. Mila mianatra momba an’ilay Mpamorona isika ary mifandray tsara aminy toy ny hoe Namana. Milaza mihitsy aza ny Jakoba 4:8 hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” Tena ho sambatra isika raha manao izany.

Mahafantatra ny antony mampisy azy izao i Rosalind, ilay noresahina teny am-piandohana. Tantarainy ao amin’ny pejy 10 ny nahatonga izany.