Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Mankafy Fiainana Ianao na Be Taona Aza

Afaka Mankafy Fiainana Ianao na Be Taona Aza

INONA no tsapanao rehefa mieritreritra hoe hihantitra ianao? Maro no manahy ary misy aza matahotra mihitsy. Matetika mantsy ny fahanterana no ampifandraisin’ny olona amin’ny zavatra mahakivy, ohatra hoe lasa miketrona ny tarehy, manomboka malemy ny vatana, lasa very tadidy, ary marary matetika.

Tsy mitovy mihitsy anefa ny olona rehefa mihantitra. Misy mantsy salama tsara ihany, na ara-batana izany na ara-tsaina. Afaka mitsabo tena koa ny be taona sasany na dia marary matetika aza, satria efa mandroso izao ny fitsaboana. Lasa ela velona sy salama kokoa àry ny olona any amin’ny tany maro.

Samy te ho faly sy hankafy fiainana ny ankamaroan’ny be taona, na manana olana mifandray amin’ny fahanterana izy na tsia. Inona àry no azo atao? Miankina amin’ny toe-tsainao sy ny fahavononanao ary ny fahaizanao miatrika an’io fiovana vaovao eo amin’ny fiainanao io izany. Ireto misy toro lalan’ny Baiboly tsotra sady mahasoa, nefa tena afaka manampy anao.

MIEZAHA HANETRY TENA: “Izay manetry tena ... no hendry.” (Ohabolana 11:2) Ny hoe “manetry tena” eto, dia azo ilazana an’ireo be taona izay miaiky fa tsy vitany daholo ny zavatra fanaony taloha. Niaiky i Charles, 93 taona, any Brezila, hoe tena marina izany. Hoy izy: “Rehefa ela niainana ianao dia tsy maintsy mihantitra. Tsy misy azonao atao intsony mba hahatonga anao ho tanora indray.”

Tsy midika anefa izany hoe tsy afaka manao na inona na inona intsony ianao satria efa be taona. Lasa kamokamo sy tsy ho faly amin’ny fiainana mantsy ianao raha mieritreritra an’izany. Hoy ny Ohabolana 24:10: “Kivy ve ianao amin’ny andro mahory? Raha izany, dia ho kely ny herinao.” Hendry kosa ny olona manetry tena, ka miezaka manao izay vitany.

Hoy i Corrado, 77 taona, any Italia: “Rehefa miaka-piakarana ny fiara, dia ahenanao fotsiny ny hafainganam-pandehany fa tsy hajanonao ilay izy.” Tena mila manao fanitsiana tokoa ny be taona. Izany no nataon’i Corrado sy ny vadiny. Nianatra nandanjalanja izy ireo rehefa manao raharaha ao an-trano, ka manokana fotoana hakana aina, amin’izay tsy mahatsiaro reraka be loatra rehefa hariva ny andro. Hoy koa i Marian, 81 taona, any Brezila: “Rehefa manao zavatra aho, dia ataoko tsikelikely ilay izy. Isaky ny mahavita raharaha koa aho, dia miato kely rehefa te haka aina. Mba mipetrapetraka kely aho na matoritory, ka mamaky boky na mihaino mozika. Jereko hoe inona avy no mety ho vitako dia izay ihany no ataoko.”

Mahaiza mandanjalanja

MAHAIZA MANDANJALANJA: “Iriko koa ny vehivavy mba hihaingo amin’ny akanjo milamina tsara, sy amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena.” (1 Timoty 2:9) Ilay hoe manao “akanjo milamina tsara” dia mampiseho hoe mahay mandanjalanja nefa koa mahay mihaingo. Hoy i Barbara, 74 taona, any Kanada: “Miezaka hadio sy hilamina tsara foana aho. Tsy tiako raha hoatran’ny ra-Neny be ny paoziko satria hoe efa antitra aho ka tsy mivaky loha intsony.” Hoy koa i Fern, 91 taona, any Brezila: “Mividy akanjo vaovao aho indraindray mba hampifalifaliana ny tenako.” Ary ahoana indray ny amin’ny lehilahy be taona? Hoy i Antônio, 73 taona, any Brezila: “Miezaka manao metimety aho, dia soloako matetika ny akanjoko sady ataoko madio foana.” Hoy koa izy momba ny fahadiovan’ny vatana: “Mandro sy miharatra isan’andro aho.”

Mitandrema anefa mba tsy hifantoka be loatra amin’ny paozinao, ka mety hahatonga anao hanao zavatra tsy “amim-pahendrena.” Miezaka hahay handanjalanja momba ny akanjo anaovany i Bok-im, 69 taona, any Korea Atsimo. Hoy izy: “Fantatro hoe tsy mety amiko intsony ny akanjo sasany nanaovako tamin’izaho tanora.”

Mifantoha amin’ny zavatra tsara

MIFANTOHA AMIN’NY ZAVATRA TSARA: “Manjombona foana ny andron’ny ory, fa ny olona manana fo falifaly kosa toa manao fety foana.” (Ohabolana 15:15) Rehefa mihantitra ianao dia mety halahelo rehefa mahatsiaro hoe natanjaka ianao taloha sady nahavita zavatra betsaka. Tsy diso ianao raha mahatsapa an’izany, nefa mitandrema sao lasa kivy loatra. Raha manembona ny lasa foana mantsy ianao, dia hanjombona ny andronao ary tsy ho vitanao izay mbola azonao atao. Mifantoka amin’ny zavatra tsara i Joseph, 79 taona, any Kanada. Hoy izy: “Miezaka aho mba ho faly rehefa manao an’izay azoko atao ary tsy halahelo amin’ny zavatra tsy vitako intsony.”

Hifantoka amin’ny zavatra tsara koa ianao raha tia mamaky teny sy mianatra, ary hampivelatra ny sainao izany. Raha mbola afaka mamaky teny sy mianatra zava-baovao àry ianao dia hararaoty izany. Mazoto mitady boky mahaliana any amin’ny tranomboky i Ernesto, 74 taona, any Philippines. Hoy izy: “Mbola tiako foana ilay mientanentana iny rehefa mamaky boky, sy ilay hoatran’ny lasa any lavitra any fa tsy hoe ao an-trano.” Nianatra teny vahiny mihitsy aza i Lennart, 75 taona, any Soeda.

Miezaha ho tia manome

MIEZAHA HO TIA MANOME: “Aoka ianareo ho zatra manome dia mba homena koa ianareo.” (Lioka 6:38) Ataovy fahazarana ny miaraka amin’ny olon-kafa sy manao zavatra ho azy ireo. Ho faly ianao amin’izay sady hahatsapa hoe mba nahavita zavatra. Miezaka manampy olona i Hosa, 85 taona, any Brezila, na dia tsy afaka manao zavatra firy intsony aza. Hoy izy: “Antsoiko an-telefaonina sy anoratako taratasy izay namako marary na kivy. Omeko fanomezana kely izy ireo indraindray. Tiako koa ny mikarakara sakafo ho an’ireo tsy salama.”

Raha tia manome ianao dia ho lasa tia manome koa ny olon-kafa. Hoy i Jan, 66 taona, any Soeda: “Rehefa maneho fitiavana amin’ny olona ianao, dia anehoany fitiavana koa.” Mahafinaritra tokoa ny miaraka amin’ny olona malala-tanana satria lasa mankasitraka azy ianao sady lasa mifankatia ianareo.

AOKA IANAO HO SARIAKA: “Izay mitokantokana dia tsy mitady afa-tsy izay mahafinaritra ny tenany, ka toheriny daholo rehefa mety ho hevitra feno fahendrena.” (Ohabolana 18:1) Marina fa ilaina ny hoe irery indraindray. Tsy mety anefa ny mitokantokana sy tsy mifandray amin’olona. Tia miaraka amin’ny namany i Innocent, 72 taona, any Nizeria. Hoy izy: “Faly erỳ aho miaraka amin’ny olona samy hafa taona.” Hoy koa i Börje, 85 taona, any Soeda: “Miezaka hinamana amin’ny tanora aho. Mahatsiaro ho tanora indray aho rehefa mahita azy ireo mavitribitrika.” Maninona raha mba manasa olona tsindraindray? Hoy i Han-sik, 72 taona, any Korea Atsimo: “Tianay mivady ny manasa olona, na tanora na be taona, mba hiaraka aminay hisakafo na hiala voly.”

Aoka ianao ho sariaka

Miresaka amin’ny hafa ny olona sariaka. Ilaina anefa ny mahay miresaka, izany hoe mamela an’ilay olona hiresaka sy mihaino azy. Asehoy hoe tena miahy azy ianao. Hoy i Helena, 71 taona, any Mozambika: “Sariaka aho sady manaja olona. Henoiko tsara izay lazainy mba hahalalako an’izay eritreretiny sy izay tiany.” Hoy koa i José, 73 taona, any Brezila: “Mahafinaritra ny miaraka amin’ny olona mahay mihaino, izany hoe miombom-pihetseham-po aminao, miahy anao, midera anao rehefa ilaina izany, ary tia vazivazy.”

Ataovy “mahafinaritra” àry ny fomba ilazanao hevitra. (Kolosianina 4:6) Eritrereto tsara izay hoteneninao ary miezaha hampahery.

MAHAIZA MANKASITRAKA: “Asehoy fa mahay mankasitraka ianareo.” (Kolosianina 3:15) Rehefa nisy nanampy anao dia isaory ilay olona. Hifandray tsara amin’ny olona ianao raha manao an’izany. Hoy i Marie-Paule, 74 taona, any Kanada: “Nifindra trano izahay mivady, vao haingana, ary betsaka no nanampy anay. Te hisaotra azy ireo izahay ka nanamboatra karta kely misy teny fisaorana. Nisy koa nasainay hiara-misakafo aminay.” Tena faly i Jae-won, 76 taona, any Korea Atsimo, rehefa misy manatitra amin’ny fiara any amin’ny Efitrano Fanjakana. Hoy izy: “Hankasitrahako ilay izy ka manome vola mba hividianana solika aho. Misy fotoana aho manomana fanomezana kely sady asiako hoe ‘misaotra.”

Tena tokony hisaotra an’Andriamanitra koa ianao satria mbola velon’aina. Hoy ny Baiboly momba azy: “Ianao no loharanon’aina.” (Salamo 36:9) Raha manana toe-tsaina tsara ianao sady vonona hiaina mifanaraka amin’ny zava-misy, dia ho afaka hankafy fiainana na dia efa be taona aza.

Mahaiza mankasitraka