Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TAHAFO NY FINOAN’IZY IREO | DEBORA

‘Nitsangana ho Reny teo Amin’ny Israely Aho’

‘Nitsangana ho Reny teo Amin’ny Israely Aho’

NIJERY an’ireo miaramila teo an-tampon’ny Tendrombohitra Tabara i Debora. Nanohina ny fony ny nahita azy ireo teo. Vao maraina izy dia nisaintsaina ny herim-pon’ireo lehilahy ireo sy ny finoan’i Baraka mpitarika azy ireo. Na dia niisa 10 000 aza ireo miaramila ireo, dia ho hita eo androany raha manana finoana sy herim-po izy ireo. Maro an’isa mantsy ny fahavalony, sady be fitaovam-piadiana no tsy mifaditrovana. Tonga ihany anefa izy ireo satria teo io vehivavy iray io mba hampahery azy ireo.

Alao sary an-tsaina i Debora mijery ny manodidina, izay midadasika, miaraka amin’i Baraka. Ny akanjony amin’izany mikopakopaka, tsofin’ny rivotra. Tendrombohitra marin-tampona i Tabara. Tazana avy eny ny Lemak’i Esdraelona, eny amin’ny 400 metatra eo ho eo eny ambany, izay mitohy mankany atsimoandrefana. Ny Renirano Kisona kosa nandalo teo amin’ilay lemaka feno bozaka sy teo akaikin’ny Tendrombohitra Karmela, ka nivarina tany amin’ny Ranomasina Lehibe. Ritra angamba ilay renirano tamin’io maraina io, nefa tazana nanjelanjelatra teny ny vy avy amin’ny tafik’i Sisera, izay nihananatona ihany. Kalesy 900 teo ho eo no nentin’izy ireo, ary nety ho nisy lelan’antsy teo amin’ny kodiarany. Te handresy an’ireo Israelita tsy ampy fitaovana izy, ka tiany hojinjaina hoatran’ny vary izy ireo.

Fantatr’i Debora fa miandry azy hanome toromarika fotsiny i Baraka sy ny miaramilany. Izy irery ve ny vehivavy teo? Tsy navesatra be taminy ve io andraikitra io? Fantany ve izay nataony teo? Mazava ho azy! I Jehovah Andriamaniny ihany no niresaka taminy momba an’io ady io, ary efa noteneniny taminy koa hoe vehivavy no hamarana an’ilay ady. (Mpitsara 4:9) Inona no ianarantsika momba ny finoana, rehefa jerena ny tantaran’i Debora sy ireo mpiady nafana fo ireo?

“MANDEHANA KA AOKA IANAREO HIELY ERAN’NY TENDROMBOHITRA TABARA”

Antsoin’ny Baiboly hoe “mpaminanivavy” i Debora. Tsy mahazatra ilay izy, nefa tsy izy irery no nantsoin’ny Baiboly hoe “mpaminanivavy.” * Izy koa no mpandamina ny adin’ny olona sy milaza amin’izy ireo an’izay vahaolana avy amin’i Jehovah.—Mpitsara 4:4, 5.

Nipetraka tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima i Debora, teo anelanelan’i Betela sy Rama. Teo ambany hazo palmie izy no nanampy ny vahoaka araka ny toromarik’i Jehovah. Azo antoka hoe sarotra izany nefa tsy natahotra izy. Tena nilaina ny asany. Rehefa nandray anjara tamin’ny fanoratana hira iray izy, dia izao mihitsy no nolazainy momba ny Israelita nivadika: “Nifidy andriamani-baovao ny olona. Tamin’izay no nisian’ny ady teny am-bavahady.” (Mpitsara 5:8) Navelan’i Jehovah hampijalin’ny fahavalony ny Israelita satria lasa nivavaka tamin’ny andriamani-kafa. I Jabina, mpanjaka kananita, no nanjakazaka tamin’izy ireo, ary i Sisera mpitari-tafiny no nampiasainy hampijaly azy ireo.

Vao naheno hoe Sisera fotsiny ny Israelita dia efa nivarahontsana. Tena ratsy ny fivavahan’ny Kananita sy ny kolontsainy. Nanao sorona zazakely izy ireo ary nivaro-tena tany amin’ny tempoliny. Hita amin’ilay hiran’i Debora fa nijaly ny Israelita teo ambany fahefan’ny Kananita. Zara raha nisy nivezivezy teny an-dalana, ary tsy nisy nipetraka intsony tany ambanivohitra. (Mpitsara 5:6, 7) Mitaintaina ny olona rehefa any anaty ala, eny an-tendrombohitra, hiasa tany, handeha amin’ny lalambe, ary tsy sahy mipetraka amin’ny tanàna tsy misy manda. Misy manafika sy mangala-jaza ary manolana vehivavy mantsy amin’ireny toerana ireny. *

Nihorohoro nandritra ny 20 taona ny Israelita mandra-pahitan’i Jehovah hoe vonona hiova io vahoaka mafy loha io. Araka ilay hiran’i Debora sy Baraka, dia nitohy izany, “mandra-pitsangako, izaho Debora, mandra-pitsangako ho reny teo amin’ny Israely.” Tsy haintsika raha tena nanan-janaka tokoa i Debora vadin’i Lapidota. Nanana heviny an’ohatra anefa ilay hoe “reny”, satria nampiasain’i Jehovah hiahy an’ilay firenena toy ny reny i Debora. Nasainy niantso an’i Baraka Mpitsara, lehilahy iray tena nanam-pinoana, izy mba hiady amin’i Sisera.—Mpitsara 4:3, 6, 7; 5:7.

Nampirisika an’i Baraka hamonjy ny vahoakan’Andriamanitra i Debora

Hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Debora: “Mandehana ka aoka ianareo hiely eran’ny Tendrombohitra Tabara.” Nasaina nanangona lehilahy 10 000 avy tamin’ny foko roa amin’ny Israely koa i Baraka. Nilaza i Debora hoe nampanantena Andriamanitra fa handresy an’i Sisera sy ireo kalesiny 900 izy ireo. Nahagaga an’i Baraka angamba izany. Tsy nanana tafika ny Israely ary zara raha nanana fitaovam-piadiana. Nanaiky handeha hiady ihany anefa izy, raha mandeha koa i Debora.—Mpitsara 4:6-8; 5:6-8.

Misy milaza fa tsy ampy finoana i Baraka satria nangataka an’izany. Tsy izany mihitsy anefa! Izy angaha moa nangataka fitaovam-piadiana fanampiny! Nanam-pinoana kosa izy ka fantany hoe hahazo hery izy sy ny namany raha miaraka amin’ny solontenan’Andriamanitra. (Hebreo 11:32, 33) Neken’i Jehovah ny fangatahany ka navelany handeha koa i Debora. Nasainy naminany anefa i Debora hoe vehivavy ho hahazo voninahitra amin’ilay ady fa tsy lehilahy. (Mpitsara 4:9) Nanapa-kevitra Andriamanitra fa vehivavy no hamono an’i Sisera.

Iharan’ny tsy rariny sy herisetra ary hararaotina ny vehivavy ankehitriny. Mahalana izy ireo vao hajaina araka ny itiavan’Andriamanitra azy. Samy sarobidy amin’Andriamanitra anefa ny lehilahy sy ny vehivavy, ary samy afaka ny hankasitrahany. (Romanina 2:11; Galatianina 3:28) Hitantsika amin’ny tantaran’i Debora fa matoky ny vehivavy Andriamanitra ary manome tombontsoa manokana azy ireo. Tsy tokony hanambany vehivavy hoatran’ny ataon’ny olona eto amin’ity tontolo ity mihitsy isika!

“NIHOVOTROVOTRA NY TANY, ARY NITETE NY LANITRA”

Nangonin’i Baraka ny miaramilany 10 000. Vonona hifanehatra tamin’ny tafika mampahatahotr’i Sisera izy ireo. Faly i Baraka rehefa nitarika azy ireo ho any an-tendrombohitra Tabara, satria “niara-niakatra taminy koa i Debora.” (Mpitsara 4:10) Tsy maintsy ho nampahery an’ireo miaramila ireo ny nahita an’io vehivavy mahery fo io niaraka tamin’izy ireo. Vonona hamoy ny ainy izy satria nino an’i Jehovah Andriamanitra!

Rehefa henon’i Sisera fa sahy nanangana tafika hiady aminy ny Israelita, dia nanao zavatra haingana izy. Maromaro koa ny mpanjaka kananita nanampy an’i Jabina Mpanjaka, ary izy no mety ho natanjaka indrindra tamin’izy ireo. Nihovotrovotra mihitsy ny tany rehefa nandeha teo amin’ilay lemaka ny kalesin’ady be dia be an’i Sisera. Nihevitra ireo Kananita ireo hoe tsy hisy dikany amin’izy ireo ny handresy ny tafika kelin’ny Israelita.—Mpitsara 4:12, 13; 5:19.

Inona no nataon’i Baraka sy Debora rehefa nanatona azy ireo ny fahavalony? Raha nijanona teny amin’ilay tendrombohitra izy ireo, dia ho tsara toerana kokoa noho ireo tafiky ny Kananita nanatona azy. Nila toerana malalaka sy mitovy tantana mantsy ny kalesin’ny Kananita vao ho afaka hiasa tsara. Nanaraka ny toromarik’i Jehovah anefa i Baraka ka niandry izay holazain’i Debora. Farany, dia hoy i Debora: “Mitsangàna fa izao no andro hanoloran’i Jehovah an’i Sisera eo an-tananao. Tsy i Jehovah ve no efa mivoaka ho eo alohanao?” Hoy ny Baiboly: “Nidina avy tany an-tendrombohitra Tabara i Baraka sy ireo lehilahy iray alina nanaraka azy.”—Mpitsara 4:14. *

Nidina an’ilay tendrombohitra ny tafiky ny Israelita ary tonga teny amin’ny tany malalaka, nanitsy teny amin’ilay tafika mampahatahotra. Nialoha azy ireo araka ny tenin’i Debora ve i Jehovah? Hoy ny Baiboly: “Nihovotrovotra ny tany, ary nitete ny lanitra.” Nisomaritaka ny tafik’i Sisera. Avy ny orana, avy be mihitsy ka vetivety dia niakatra ny rano. Lasa nanahirana indray ireo kalesy misy vy nantenaina hanampy. Nilentika tao anaty fotaka izy ireo ary tsy afa-nihetsika intsony.—Mpitsara 4:14, 15; 5:4.

Tsy natahoran’i Baraka sy ny namany ilay oram-be satria fantatr’izy ireo hoe avy tamin’iza. Nanitsy teny amin’ny Kananita izy ireo. Nataony tsy nisy niangana ny tafik’i Sisera rehefa nampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra izy ireo. Tondraka ny Renirano Kisona ary lasa nahery be, ka nifaoka an’ireo faty nankany amin’ny Ranomasina Lehibe.—Mpitsara 4:16; 5:21.

Tanteraka ny tenin’i Debora hoe hiady ho an’ny vahoakany i Jehovah ka ho resy ny tafik’i Sisera

Tsy alefan’i Jehovah miady intsony izao ny mpanompony. Asainy manao ady ara-panahy kosa izy ireo. (Matio 26:52; 2 Korintianina 10:4) Raha mankatò azy isika, dia miandany aminy amin’io ady io. Mila herim-po isika rehefa manao an’izany satria mety henjehina mafy. Tsy niova anefa i Jehovah. Mbola miaro an’izay mino sy matoky azy foana izy, toy ny nataony tamin’i Debora sy Baraka ary ireo miaramila nahery fo tany Israely fahiny.

“HOTAHINA MIHOATRA NOHO NY VEHIVAVY REHETRA”

Tafatsoaka i Sisera, ilay nampahatahotra indrindra tamin’ny Kananita, sady tena mpampijaly ny vahoakan’Andriamanitra. Navelany ho faty tao anaty fotaka ny miaramilany, nanavatsava ny miaramila israelita izy, ary nankany amin’ny toerana akaiky indrindra fantany hoe misy namany. Nihazakazaka an-kilaometatra maro izy sady nitaintaina sao ho hitan’ny miaramila israelita. Nankany amin’ny tranolain’i Hebera izy. Kenita izy io ary nanao fifanarahana tamin’i Jabina Mpanjaka. Tsy nifindra monina niaraka tamin’ny mpiray foko aminy any atsimo i Hebera.—Mpitsara 4:11, 17.

Vizana be i Sisera rehefa tonga. Tsy tao anefa i Hebera fa i Jaela vadiny no tao. Nieritreritra i Sisera hoe hanaja an’ilay fifanarahana nataon’ny vadiny tamin’i Jabina Mpanjaka i Jaela. Nihevitra angamba izy hoe aiza no hisy vehivavy tsy hitovy hevitra amin’ny vadiny! Tsy fantany marina i Jaela! Hitan’i Jaela tsara ny fampijalian’ny Kananita, ary azo antoka fa fantany hoe nanana safidy izy teo. Na izy hanampy an’ity lehilahy ratsy fanahy ity, na hiandany amin’i Jehovah ka hamely an’io fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra io. Inona anefa no azony natao? Vehivavy ve dia haharesy miaramila mpiady sy matanjaka be?

Nila nanapa-kevitra haingana i Jaela. Nasainy naka aina i Sisera. Nanafatra an’i Jaela i Sisera mba tsy hiteniteny raha misy olona mitady azy. Norakofan’i Jaela lamba izy rehefa natory, ary nomeny ronono rehefa nangataka rano. Vetivety i Sisera dia renoka. Naka fantsika be fanenjanan-day sy marotoa i Jaela. Fampiasan’ny vehivavy mipetraka an-day ireo. Nampahatahotra ny zavatra nataony manaraka. Nijaikojaiko nankeo an-dohan’i Sisera izy, hampihatra an’ilay didim-pitsaran’i Jehovah. Raha nisalasala kely fotsiny izy, dia mety ho loza no vokany. Nahatsiaro ny fampijalian’io lehilahy io ny vahoakan’Andriamanitra nandritra ny taona maro ve izy tamin’izay fotoana izay? Sa izy nieritreritra hoe zava-dehibe ny miandany amin’i Jehovah? Tsy miresaka momba an’izany ny Baiboly. Fantatsika fotsiny hoe vetivety dia vitany ilay izy. Maty i Sisera!—Mpitsara 4:18-21; 5:24-27.

Tonga hitady an’i Sisera i Baraka avy eo. Rehefa nasehon’i Jaela azy ny fatiny, niaraka tamin’ilay fantsika be teo amin’ny fihirifany, dia hitan’i Baraka fa tanteraka ilay faminanian’i Debora. Vehivavy tokoa no namono an’ilay mpiady mahery! Lazain’ny mpitsikera ankehitriny fa olona mahavanon-doza i Jaela, nefa tsy izany mihitsy no fiheveran’i Baraka sy Debora azy. Nidera an’i Jaela tamin’ny hira izy ireo hoe “hotahina mihoatra noho ny vehivavy rehetra” izy satria be herim-po. (Mpitsara 4:22; 5:24) Tsy nialona mihitsy i Debora. Tsy tezitra izy rehefa noderaina i Jaela, fa faly kosa satria tanteraka ny tenin’i Jehovah.

Lefy ny herin’i Jabina Mpanjaka rehefa maty i Sisera. Ela ny ela ka tsy natahorana intsony ny Kananita! Nilamina ny tany nandritra ny 40 taona. (Mpitsara 4:24; 5:31) Notahina tokoa i Debora sy Baraka ary Jaela satria nino an’i Jehovah. Raha manam-pinoana toa an’i Debora isika ka sahy miandany amin’i Jehovah sy mampirisika ny hafa hanao izany, dia hataon’i Jehovah handresy zava-tsarotra maro, sady hataony miadana mandrakizay.

^ feh. 7 Mpaminanivavy koa i Miriama, Holda, ary ny vadin’i Isaia.—Eksodosy 15:20; 2 Mpanjaka 22:14; Isaia 8:3.

^ feh. 9 Hita avy amin’ilay hiran’i Debora fa anisan’ny babo alain-dry Sisera ny vehivavy, ary mihoatra ny iray isaky ny miaramila izany indraindray. (Mpitsara 5:30) Midika ara-bakiteny hoe “tranonjaza” ilay teny hoe “vehivavy” eo. Ny taovam-pananahany àry no tena nilan’izy ireo an’ireny vehivavy ireny. Azo inoana fa nahazatra ny fametavetana, tamin’izany.

^ feh. 17 Indroa ny Baiboly no miresaka momba an’io ady io. Mitantara momba an’izany ny Mpitsara toko 4, sy ilay hiran’i Debora sy Baraka ao amin’ny toko 5. Mifameno ireo fitantarana roa ireo, ka milaza tsipiriany tsy voalaza ao amin’ny iray ny iray.