Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 40

An’iza moa Isika?

An’iza moa Isika?

(Romanina 14:8)

  1. 1. An’iza moa ianao?

    Ary iza no ekenao?

    ’Zay tena hajainao sy tompoinao,

    Dia izy no andriamanitrao.

    Tsy azonao atao

    Ny manompo tompo roa.

    Tsy maintsy manao safidy ianao:

    Iza no tianao kokoa?

  2. 2. An’iza moa ianao?

    Ary iza no ekenao?

    ’Lay marina ve no hiandaniana,

    Sa ’lay diso ihany no hofidina?

    Kaisara ihany ve

    No mbola hekenao ’ndray?

    Sa ianao hiteny hoe Jehovah irery,

    Dia hanaiky azy am’izay?

  3. 3. An’iza moa izaho?

    Jehovah no ekeko izao!

    Fa izy no Raiko ’zay hajaiko,

    Ny voadiko tsy maintsy hefaiko.

    Ary izy koa tia ahy,

    Ny aiko efa novidiny.

    Hanompo azy ’rery aho, tsisy hoe an-tery,

    Hanao ’zay rehetra takiny.