Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 91

Asa Mafy Natao Tamim-pitiavana

Asa Mafy Natao Tamim-pitiavana

(Salamo 127:1)

  1. 1. Andro manokana izao;

    Jehovah ô, misaotra anao.

    Nahavita trano iray izahay,

    Ho an’ny anaranao.

    Notahinao ny ezakay

    Sy ny asa mafy nataonay.

    Endrey ’ty trano ity, kanto erỳ!

    Faly ny fonay.

    (FIVERENANA)

    Jehovah Ray ô, faly ’zahay,

    Nanao ’ty trano ity ho anao.

    Ny hanompo anao no tena tianay.

    Ny fiainanay, hideranay ny anaranao.

  2. 2. Feno hafaliana ny fo,

    Lasa mpinamana kokoa.

    Ireo fiarahanay, tsaroanay,

    Maminay tokoa!

    Dia niray saina izahay,

    Noho ny fanahinao, ry Ray.

    Ny mankalaza anao toy izao,

    Tombontsoa ho anay!

    (FIVERENANA)

    Jehovah Ray ô, faly ’zahay,

    Nanao ’ty trano ity ho anao.

    Ny hanompo anao no tena tianay.

    Ny fiainanay, hideranay ny anaranao.