Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 21

Katsaho Foana Aloha Ilay Fanjakana

Katsaho Foana Aloha Ilay Fanjakana

(Matio 6:33)

  1. 1. Sarobidy amin’i Jehovah,

    Tena tiany, andrian’ny fony,

    Ilay Fanjakan’i Kristy,

    ’Zay hanao ny sitrapony.

    (FIVERENANA)

    Dia katsaho ’lay Fanjakana,

    Aza avela ho faharoa.

    Ka ’zay tenin’i Jehovah

    Ankatoavy amin’ny fo.

  2. 2. Aza mba manahy ’zay ampitso:

    ‘Aiza indray no hahita ny ampy?’

    Fanompoana no ataovy aloha,

    Fa Jehovah tena hanampy.

    (FIVERENANA)

    Dia katsaho ’lay Fanjakana,

    Aza avela ho faharoa.

    Ka ’zay tenin’i Jehovah

    Ankatoavy amin’ny fo.

  3. 3. Ambarao ilay Fanjakana

    Ary ampio ’zay rehetra liana,

    Dia ’zay mila fanantenana,

    Hoe Jehovah azo itokiana.

    (FIVERENANA)

    Dia katsaho ’lay Fanjakana,

    Aza avela ho faharoa.

    Ka ’zay tenin’i Jehovah

    Ankatoavy amin’ny fo.