Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 145

Mampanantena Paradisa Andriamanitra

Mampanantena Paradisa Andriamanitra

(Lioka 23:43)

  1. 1. Hanao ny tany ho paradisa

    ’Lay Fanjakana Arivo Taona.

    Ho vita hatreo ny faharatsiana,

    Ny sento sy tomany ho foana.

    (FIVERENANA)

    Ho paradisa indray ny tany,

    Tazano ange, tsy ho ela izany!

    Jehovah hanao ’zay nokasainy,

    Satria Kristy no hampiasainy.

  2. 2. ’Zay efa maty ho velon’aina

    Satria Kristy niteny izao:

    ‘Ho tonga indray ny Paradisa,

    Dia hiaraka amiko ao ianao.’

    (FIVERENANA)

    Ho paradisa indray ny tany,

    Tazano ange, tsy ho ela izany!

    Jehovah hanao ’zay nokasainy,

    Satria Kristy no hampiasainy.

  3. 3. Jesosy izao efa manjaka,

    Tsy ho ela anie ’lay Paradisa.

    Manaova hira ho fifaliana,

    Jehovah no isaorantsika!

    (FIVERENANA)

    Ho paradisa indray ny tany,

    Tazano ange, tsy ho ela izany!

    Jehovah hanao ’zay nokasainy,

    Satria Kristy no hampiasainy.