Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 73

Omeo Fahasahiana Izahay

Omeo Fahasahiana Izahay

(Asan’ny Apostoly 4:29)

  1. 1. Na dia miezaka aza izahay

    Amin’ny asa fitoriana,

    Maro be no maneso anay,

    Manakivy, manakiana.

    Nef’ianao no ekenay;

    Tsy hatahotra olona izahay.

    Hatanjaho re ’zahay, Jehovah,

    Ny fanahinao no ilainay.

    (FIVERENANA)

    Omeo fahasahiana izahay,

    Omeo herim-po hatrany.

    Omeo toky mba tsy hanahy,

    Fa hitory eran-tany.

    Efa kely ’zao ny fotoana;

    Ef’akaiky Hara-magedona.

    Omeo fahasahiana izahay,

    Hitory foana.

  2. 2. Na matahotra aza izahay,

    Dia miantehitra aminao.

    N’inon’inona hanjo anay,

    Fantatray fa eo ianao.

    Ry Jehovah, mba jereo

    Satria mandrahona izy ’reo.

    Koa ampio ’zahay tsy ho kivy,

    N’inon’inona mbola hiseho.

    (FIVERENANA)

    Omeo fahasahiana izahay,

    Omeo herim-po hatrany.

    Omeo toky mba tsy hanahy,

    Fa hitory eran-tany.

    Efa kely ’zao ny fotoana;

    Ef’akaiky Hara-magedona.

    Omeo fahasahiana izahay,

    Hitory foana.

(Jereo koa ny 1 Tes. 2:2; Heb. 10:35.)