Hijery ny anatiny

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny hoe Mandoro Faty?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny hoe Mandoro Faty?

Valiny ara-baiboly

 Tsy milaza zavatra voafaritra tsara momba ny fandoroana faty ny Baiboly. Tsy misy lalàna ao hoe tsy maintsy alevina na tsy maintsy dorana ny faty.

 Tantaraina ao hoe nandevina ny havany ny mpanompon’Andriamanitra sasany tsy nivadika. Anisan’izany i Abrahama. Nanao zavatra be izy mba hahazoana toerana handevenana an’i Saraha vadiny.—Genesisy 23:2-20; 49:29-32.

 Voalaza ao koa anefa hoe nandoro faty ny mpanompon’Andriamanitra sasany tsy nivadika. Izany, ohatra, no nitranga rehefa maty tany an’ady i Saoly mpanjakan’ny Israely sy ny zanany telo lahy. Tavela tany amin’ny tanin’ny fahavalo ny fatin’izy ireo tamin’ny voalohany, ka nozimbazimbain’ny fahavalo. Rehefa henon’ny miaramila israelita izany, dia nalain’izy ireo ny vatana mangatsiakan’i Saoly sy ny zanany ka nodorany. Nalevin’izy ireo ny taolam-paty avy eo. (1 Samoela 31:8-13) Asehon’ny Baiboly hoe nety ny nataon’ireo lehilahy ireo.—2 Samoela 2:4-6.

Hevi-diso momba ny fandoroana faty

 Hevi-diso: Manao tsinontsinona ny vatan’ilay olona maty ianao raha mandoro ny fatiny.

 Ny tena marina: Milaza ny Baiboly hoe miverina ho vovoka ny maty, ary izany mihitsy no mitranga rehefa mihalò ny vatana. (Genesisy 3:19) Manafaingana an’io zava-mitranga io ny fandoroana faty satria mahatonga an’ilay vatana ho lasa lavenona, izany hoe vovoka ihany.

 Hevi-diso: Ny fatin’ny olona tsy nankasitrahan’Andriamanitra ihany no nodorana taloha.

 Ny tena marina: Nodorana ny fatin’ny olona sasany tsy nankasitrahan’Andriamanitra, ohatra hoe i Akana sy ny vady aman-janany. (Josoa 7:25) Naningana ihany anefa izany fa tsy hoe nodorana foana ny fatin’ny olon-dratsy. (Deoteronomia 21:22, 23) Hitantsika teo aloha hoe nodorana koa na dia ny fatin’ny olona sasany tsy nivadika aza, ohatra hoe i Jonatana zanak’i Saoly Mpanjaka.

 Hevi-diso: Tsy ho azon’Andriamanitra atsangana amin’ny maty ilay olona raha nodorana ny fatiny.

 Ny tena marina: Azon’Andriamanitra atsangana amin’ny maty foana ilay olona, na nalevina izy, na nodorana, na maty tany an-dranomasina, na lanin’ny bibidia. (Apokalypsy 20:13) Mora amin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ny hamorona vatana vaovao ho an’ilay olona.—1 Korintianina 15:35, 38.