Hijery ny anatiny

Ahoana no Hataoko mba Tsy Hisy Hanadala Ahy?

Ahoana no Hataoko mba Tsy Hisy Hanadala Ahy?

Valiny ara-baiboly

 Diniho ireto torohevitra azo ampiharina avy ao amin’ny Baiboly ireto:

  1.   Aoka ianao ho matotra. Miezaha ho sariaka ary hajao ny mpiara-miasa aminao. Aza atao anefa izay hahatonga azy hieritreritra hoe hanaiky hadalainy ianao.—Matio 10:16; Kolosianina 4:6.

  2.   Manaova akanjo maotina. Mety hisy hanadala ianao raha manao akanjo tsy maotina. Ampirisihin’ny Baiboly isika mba hiakanjo “amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena.”—1 Timoty 2:9.

  3.   Fidio tsara ny namanao. Mety hadalain’ny olona ianao, raha olona manaiky adaladalaina no ataonao namana.—Ohabolana 13:20.

  4.   Aza mihaino resaka maloto. Mialà rehefa mivadika ho “resaka adaladala na vazivazy vetaveta” ny resaka.—Efesianina 5:4.

  5.   Halaviro ny fakam-panahy. Mba mailomailo rehefa misy manasa anao hijanona any am-piasana aorian’ny firavana, nefa tsy misy antony marim-pototra.—Ohabolana 22:3.

  6.   Aoka ianao ho hentitra sy tsy hiolakolaka. Raha misy manadala anao dia tsory aminy hoe tsy tianao ny ataony. (1 Korintianina 14:9) Afaka miteny, ohatra, ianao hoe: “Aza mikasikasika ahy ianao fa tsy tiako izany.” Afaka manoratra taratasy aminy ianao. Lazao ao hoe inona ilay zavatra nataony sy ny fihetseham-ponao vokatr’ilay izy ary izay tianao hataony. Resaho aminy mazava tsara fa ny fivavahanao sy ny fitsipika arahinao no mahatonga anao tsy hanaiky hadalainy.—1 Tesalonianina 4:3-5.

  7.   Mitadiava fanampiana. Raha mbola manadala anao ihany ilay olona, dia miresaha amin’ny namana azo itokisana, na mpianakavinao, na mpiara-miasa aminao, na olona efa zatra manampy an’ireo iharan’izany. (Ohabolana 27:9) Maro koa no nahazo fanampiana rehefa nivavaka. Na mbola tsy nivavaka mihitsy aza ianao taloha dia mivavaha fa afaka manampy anao i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra.”—2 Korintianina 1:3.

 Olona an-tapitrisany no mijaly satria misy manadala any am-piasana. Afaka manampy anefa ny Baiboly.