Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA HOE

Inona no Azoko Atao Raha Misy Manadala Ahy?

Inona no Azoko Atao Raha Misy Manadala Ahy?

 Inona no atao hoe fanadalana?

 Efa manadala ny olona iray rehefa manao fihetsika hafahafa, ohatra hoe mikitikitika na miresaka zavatra vetaveta. Tsy tena fantatrao anefa indraindray raha mananihany sy misangisangy fotsiny ilay olona, na efa manadala.

  Ahoana no ahalalanao raha efa misy manadala ianao? Jereo ireo fanontaniana momba an’izany mba hahitanao ny valiny.

 Mampalahelo fa mbola mety hisy hanadala foana ianao, na dia efa tsy mianatra intsony aza. Raha hainao anefa ny miatrika an’ilay izy dieny izao, dia ho vitanao koa izany rehefa miasa ianao. Mety tsy hanadala olon-kafa intsony aza ilay mpanadala, raha hainao ny manohitra azy!

 Inona no hataoko rehefa misy manadala ahy?

 Azo inoana kokoa hoe tsy hanadala anao intsony ny olona raha fantatrao ny atao hoe fanadalana ary hainao izay tokony hatao. Diniho ireto zava-mitranga telo ireto.

 ZAVA-MITRANGA:

“Nisy lehilahy efa zokiko lavitra be niara-niasa tamiko. Niteny foana ry zareo hoe manja kely aho, ary tiany raha mba tanora toa ahy ry zareo. Ny iray taminy aza nanaraka ahy ary nofofoniny ny voloko.”​—Tabitha, 20 taona.

 Mety hieritreritra i Tabitha hoe: ‘Tsy hanadala intsony angamba ilay olona, raha tsy miraharaha an’ilay izy aho fa miaritra fotsiny.’

 Nahoana izany no tsy mety? Milaza ny manam-pahaizana fa matetika no mitohy ilay fanadalana, ary hihamafy aza, rehefa tsy raharahaina.

 Izao kosa atao: Teneno ilay olona manadala anao hoe tsy tianao ny zavatra lazainy na ataony. Tokony ho tony sy ho hentitra ianao. Hoy i Taryn, 22 taona: “Raha vao misy mikitikitika ahy, dia mitodika any aminy aho sady mandrara azy tsy hikitika ahy intsony. Tsy ampoizin’ilay mpanadala izany matetika.” Tokony ho hentitra ianao ary tsy hanaiky mihitsy, raha mbola manohy izy. Miezaha hanana fitsipi-pitondran-tena tsara foana satria mampirisika antsika ny Baiboly mba “hikely aina” sy “ho matotra” ary “hatoky tanteraka.”—Kolosianina 4:12.

 Ary ahoana raha mandrahona ny hanisy ratsy anao ilay olona? Aza mamaly azy fa mandosira haingana araka izay azo atao ary mitadiava vonjy amin’ny olon-dehibe azo itokiana.

 ZAVA-MITRANGA:

“Nobedain’ny ankizivavy roa aho tao an-dalantsaran’ny sekoly, tamin’izaho tao amin’ny kilasy fahenina. Vehivavy tia vehivavy ilay iray ary te hiaraka amiko izy. Tsy nanaiky aho nefa nadalainy foana isan’andro. Natosiny teo amin’ny rindrina aza aho, indray mandeha.”​—Victoria, 18 taona.

 Nety ho nieritreritra i Victoria hoe: ‘Holazain’ny olona fa kanosa aho raha miresaka an’ilay izy, ary mety tsy hinoany.’

 Nahoana izany no tsy mety? Hanadala anao foana ilay olona sady hanadala olon-kafa koa, raha tsy resahinao amin’ny hafa ny zavatra ataony.—Mpitoriteny 8:11.

 Izao kosa atao: Mitadiava fanampiana. Afaka manampy anao ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra. Ahoana anefa raha tsy miraharaha ny fitarainanao izy ireo? Izao atao: Soraty amin’ny an-tsipiriany ny zavatra ataon’ilay olona, isaky ny manadala anao izy. Ataovy ao ny daty sy ny ora ary ny toerana nitrangan’ilay izy. Soraty ao koa ny zavatra nolazainy. Omeo amin’ilay taratasy ny ray aman-dreninao na ny mpampianatra anao. Mazàna no tsy ataon’ny olona tsinontsinona ny fitarainana, rehefa atao an-tsoratra.

 ZAVA-MITRANGA:

“Tena natahorako ilay ankizilahy iray mpanao rigby izay. Efa ho roa metatra izy ary nilanja 135 kilao teo ho eo! Efa masaka tao an-tsainy ny hiaraka tamiko. Nadalainy foana aho isan’andro, nandritra ny herintaona. Izahay sy izy irery no tao an-dakilasy, indray mandeha. Saika hanatona ahy izy, ka nitsangana haingana aho ary nihazakazaka nivoaka ny varavarana.”—Julieta, 18 taona.

 Mety hieritreritra i Julieta hoe: ‘Hoatr’izany mihitsy ny ankizilahy.’

 Nahoana izany no tsy mety? Tsy hiova mihitsy ilay mpanadala raha mieritreritra ny olona hoe mety ny ataony.

 Izao kosa atao: Aza mitsiky na mihomehy rehefa misy manadala. Asehoy amin’ny endrikao na ny fihetsikao na ny teninao hoe inona no zavatra ekenao sy tsy ekenao.

 Inona no azoko atao?

 TANTARA 1:

“Tsy te hasiaka amin’ny olona aho. Na efa manadala ahy aza ny ankizilahy, dia tsy hentitra aho mibedy azy ireo, ary matetika no mitsiky rehefa miteny. Mieritreritra ry zareo hoe misangisangy aho.”—Tabitha.

  •   Inona no ho nataonao raha ianao no Tabitha? Nahoana?

  •   Inona no mety hahatonga an’ilay mpanadala hihevitra hoe misangisangy aminy ianao?

 TANTARA 2:

“Nisy ankizilahy nananihany ahy tamin’izahay nanao gym. Tsy noraharahaiko ny tenin’izy ireo nandritra ny herinandro vitsivitsy, ka vao mainka nahatsiravina ny zavatra nolazainy. Nipetraka teo akaikiko izy ireo tatỳ aoriana ary nisakambina ahy. Natosiko izy ireo nefa tsy noraharahainy aho. Nomen’ny iray taminy taratasy misy hafatra maharikoriko aho taorian’izay. Nomeko ny mpampianatra izany ka tsy nahazo nianatra nandritra ny fotoana kelikely ilay ankizy. Hitako hoe vao nanomboka ilay izy dia efa tokony ho niteny tamin’ilay mpampianatra aho.”—Sabina.

  •   Araka ny hevitrao, nahoana i Sabina no tsy nankany amin’ilay mpampianatra aloha kokoa? Nety ve ny nataony? Nahoana?

 TANTARA 3:

“Nohatonin’ny ankizilahy iray tao amin’ny efitrano fandroana i Greg zandriko lahy ary nasainy nanoroka azy. Nanda i Greg nefa mbola nisisika ihany ilay ankizy. Tsy maintsy natosiny ilay ankizy tamin’ny farany.”—Suzanne.

  •   Azo lazaina hoe nanadala an’i Greg ve ilay ankizilahy, araka ny hevitrao? Nahoana?

  •   Araka ny hevitrao, nahoana no misy ankizilahy tsy sahy miteny rehefa adalain’ny ankizilahy?

  •   Nety ve ny nataon’i Greg? Inona no ho nataonao raha ianao no Greg?