Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Nahoana no Ilain’ny Ankizy ny Mamaky Teny? Fizarana 2: Efijery sa Taratasy?

Nahoana no Ilain’ny Ankizy ny Mamaky Teny? Fizarana 2: Efijery sa Taratasy?

 Rehefa mamaky teny ny zanakao dia inona no tiany kokoa: Boky vita pirinty sa fitaovana elektronika?

 Aleon’ny ankamaroan’ny ankizy fitaovana elektronika. Izao no nosoratan’ny Dr. Jean M. Twenge: “Tsy mahaliana ny ankizy amin’izao izany boky izany. Efa zatra manindry rohy na manakorisa ny tanany fotsiny izy, dia mivadika any amin’ny pejy manaraka ao anatin’ny segondra vitsivitsy.” a

 Misy tombony aloha ny mamaky teny amin’ny fitaovana elektronika e! Hoy i John, 20 taona: “Boky amin’ny endrika elektronika no nampiasainay tany am-pianarana. Misy fanaovana fikarohana amin’ilay izy, dia vetivety kely dia hitako izay fanazavana ilaiko.”

 Rehefa fitaovana elektronika no amakiana teny, dia be dia be ny zavatra tena manampy sady tsy sarotra ny mahita azy. Manindry kely indray mandeha fotsiny, ohatra, ny mpamaky dia efa afaka mahita ny famaritana ny teny iray, mihaino raki-peo, mijery video mifandray amin’ilay izy, na mahita fanazavana fanampiny amin’ny alalan’ny rohy. Midika ve anefa izany hoe matiantoka izay mamaky teny amin’ny boky vita pirinty?

 Aleon’ny olona sasany mamaky zavatra vita pirinty rehefa te handalina bebe kokoa izy. Fa maninona?

  •   Tsy mifantoka. Hoy ny tanora iray atao hoe Nathan: “Misy hafatra kely mipoitra foana matetika rehefa mamaky eo amin’ny efijery aho, dia lasa variana amin’ireny aho fa tsy amin’ilay zavatra mba tiako hifantohana.”

     Manana olana mitovitovy amin’izany koa i Karen, 20 taona. Hoy izy: “Rehefa telefaonina na tablette no amakiako teny, dia mora alaim-panahy hanokatra programa hafa aho na hanao jeu.”

     Toro lalan’ny Baiboly: “Ampiasao tsara ny fotoananareo.”​—Kolosianina 4:5.

     Eritrereto izao: Mahafehy tena ve ny zanakao ka tsy variana amin-javatra hafa rehefa mamaky teny na mianatra amin’ny fitaovana elektronika? Raha tsy mahavita an’izay izy, inona no azonao atao mba hampianarana azy hifantoka?

     Soso-kevitra: Ataovy azon’ny zanakao tsara hoe raha variana amin-javatra hafa ao anaty fitaovana elektronika izy, dia vao mainka ho ela kokoa vao ho vitany ny devoarany, ka hihena ny fotoana ahafahany manao zavatra hafa.

  •   Tsy mahazo tsara. Hoy ilay boky hoe Be the Parent, Please: “Hita tamin’ny andrana maromaro natao fa mahazo kokoa ny zavatra vakiny ny olona mamaky amin’ny taratasy raha oharina amin’ny olona mamaky eo amin’ny efijery.”

     Inona no mahatonga an’izany? Rehefa eo amin’ny efijery ny olona no mamaky, dia matetika vakiny maimaika fotsiny ilay izy fa tsy dinihiny lalina. Hoy ilay mpanoratra atao hoe Nicholas Carr: “Te hanangona fanazavana be dia be isika rehefa mampiasa Internet, ary tiantsika hatao haingana be hoatran’ny fandehan’ny masontsika sy ny tanantsika izany.” b

     Mazava ho azy aloha fa mahasoa ihany indraindray ilay hoe mamaky maimaika. Ny olana anefa, araka ny lazain’i Carr, dia hoe “lasa izay no tena fomba famakintsika.” Mety ho lasa zatra mamaky maimaika àry ny zanakao, nefa tsy azony akory ny dikan’izay vakiny.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Ankoatra an’izay efa azonao rehetra, dia miezaha ho lasa mahira-tsaina.”​—Ohabolana 4:7.

     Eritrereto izao: Ahoana no azonao anampiana ny zanakao handalina hevitra iray bebe kokoa, na amin’ny taratasy izany na eo amin’ny efijery?

     Soso-kevitra: Mahaiza mandanjalanja. Tsy hoe tsy maintsy taratasy ihany izany no ampiasainao, na hoe tsy maintsy efijery ihany. Samy misy maha tsara azy mantsy ireo. Misy zavatra sasany afaka manampy anao hahazo an’izay vakinao, ohatra, ao amin’ny fitaovana elektronika. Mahaiza àry mandanjalanja rehefa miresaka amin’ny zanakao hoe inona no maha tsara sy maha ratsy ny mamaky amin’ny taratasy sy eo amin’ny efijery. Tadidio koa hoe tsy mitovy ny ankizy tsirairay.

  •   Tsy mitadidy. Milaza i Ferris Jabr ao amin’ny lahatsoratra iray nivoaka tao amin’ny Scientific American, fa raha fitaovana elektronika no amakiana teny dia mety “ho vizana kokoa ny atidoha ... ka ho sarotsarotra ny hitadidy an’izay vakintsika.”

     Rehefa boky vita pirinty, ohatra, no vakina dia mora tadidy kokoa ny hevitra iray satria tsaroanao hoe taiza ho aiza teo amin’ilay pejy no nisy azy. Lasa hoatran’ny hoe misy mari-pitadidiana àry ao an-tsainao raha te hitady an’ilay hevitra indray ianao any aoriana any.

     Hitan’ny mpikaroka koa hoe mora milentika kokoa any an-tsain’ny olona ny fanazavana rehefa vakiny amin’ny taratasy. Hoatran’ny hoe hainy kokoa mantsy ilay fanazavana dia tadidiny.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Arovy ny fahendrena sy ny fahaiza-misaina.”​—Ohabolana 3:21.

     Eritrereto izao: Sarotra amin’ny zanakao ve ny mahazo na mitadidy an’izay zavatra novakiny na nianarany? Raha izany, ahoana no azonao anampiana azy hanatsara ny fomba fianarany? Sao dia mba hahasoa azy ny hoe mampiasa zavatra vita pirinty?

     Soso-kevitra: Rehefa mieritreritra an’izay mahasoa ny zanakao ianao, dia ny fahaizany jerena fa tsy izay tiany. Mora manitatra mantsy ny olona rehefa miresaka momba ny fahaizany mamaky teny amin’ny fitaovana elektronika.

a Avy ao amin’ilay boky hoe iGen.

b Avy ao amin’ilay boky hoe The Shallows.