Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ny ankizy sy ny Telefaonina—Fizarana 1: Tokony Havelako Hanana Telefaonina Raitra ve ny Zanako?

Ny ankizy sy ny Telefaonina—Fizarana 1: Tokony Havelako Hanana Telefaonina Raitra ve ny Zanako?

 Lasa be dia be amin’izao ny ankizy manana telefaonina raitra, a dia ilay rehefa ry zareo irery iny no ao amin’ny efitranony, dia amin’iny ny ankamaroany no tena mampiasa Internet amin’ilay izy. Raha avelanao hanana telefaonina raitra ny zanakao, dia inona no lafy tsarany, ary inona no lafy ratsiny? Adiny firy isan’andro ny zanakao no avelanao hampiasa telefaonina?

 Tsara ho fantatra

 Lafy tsarany

  •   Ho voaro ny zanakao sady hilamin-tsaina ianao. Hoy i Bethany, manan-janaka tanora mianadahy: “Mampatahotra be ny fiainana amin’izao, dia tena ilaina be ny hoe tonga dia afaka miantso ny ray aman-dreniny ny ankizy rehefa misy zavatra mitranga.”

     Hoy koa i Catherine, renim-pianakaviana iray: “Misy programa azonao ampidirina ao amin’ny telefaoninao sy ny an’ny zanakao, dia lasa azonao fantarina hoe aiza ho aiza no misy azy. Raha mitondra aotomobilina aza izy, dia azonao jerena mihitsy hoe mandeha mafy izy sa tsia.”

  •   Manampy ny zanakao amin’ny devoarany. Hoy i Marie, renim-pianakaviana iray: “Azon’ny mpampianatra alefa e-mail na SMS ny devoaran’ny ankizy, sady afaka mifandray amin’ny alalan’izy ireny koa ny ankizy sy ny mpampianatra.”

 Lafy ratsiny

  •   Mandany fotoana be. Matetika no mandany ora maromaro eo amin’ny telefaonina eo ny tanora isan’andro. Ny an’ny ray aman-dreny indray mitovitovy amin’ny fotoana laniny amin’ny fitaovana elektronika ny fotoana laniny iresahana amin’ny zanany. Hoy mihitsy ny manam-pahaizana iray hoe misy fianakaviana sasany lasa hoatran’ny “olona vitsivitsy tsy mifankafantatra nefa tafaraka eo, dia samy variana amin’ny fitaovana elektronikany eo.” b

  •   Mahatonga ny ankizy hijery sary vetaveta. Araka ny fanadihadiana iray dia efa ny antsasany mahery amin’ny tanora no mitady sary vetaveta, ao amin’ny Internet, isam-bolana. Tsy mahagaga izany satria mora kely ny mikaroka sary vetaveta amin’ireny telefaonina raitra ireny. Hoy i William, manan-janaka tanora mianadahy: “Tsy fanahy inian’ny ray aman-dreny ilay izy, fa raha vao avelany hanana telefaonina raitra ny zanany, dia hoatran’ny hoe avelany hijery sary vetaveta isan-karazany, any amin’izay toerana alehany.”

  •   Mahatonga ny ankizy hiraiki-po amin’ilay telefaonina. Be dia be ny olona lasa miraiki-po be amin’ny telefaoniny. Raha vao tsy hitany kely fotsiny, ohatra, ny nametrahany ny telefaoniny, dia matahotra be izy, tsy hitany izay atao, ary lasa marary mihitsy aza. Milaza ny ray aman-dreny sasany hoe lasa tsy mahalala fomba ny zanany rehefa mampiasa telefaonina. Hoy i Carmen: “Rehefa te hiresaka amin’ilay zanako lahy aho indraindray, dia angarihany, na anaovany valy boraingina. Tsy te helingelenina mantsy izy rehefa mampiasa telefaonina.”

  •   Mampisy olana hafa. Raha mampiasa telefaonina raitra ny ankizy, dia mety ho tratran’ny fampijaliana amin’ny alalan’ny Internet, na haharay hafatra vetaveta. Mety ho tratran’ny aretina isan-karazany koa izy, satria tsy ampy torimaso na manao fijoro sy fipetraka ary fihetsika tsy mety. Misy tanora indray mampiasa karazana programa hafakely mba hanafenana ny zavatra sasany ao amin’ny telefaoniny amin’ny ray aman-dreniny. Programa tsy mampaninona no miseho eo rehefa mijery ianao, ohatra hoe programa fanaovana kajy, nefa zavatra hafa mihitsy no ao anatiny.

     Mamintina an’ilay izy ny tenin’i Daniel, manan-janaka vavy tanora iray: “Raha manana an’ireny telefaonina raitra ireny ianao, dia afaka mahita ny zavatra rehetra ao amin’ny Internet, na zavatra ratsy io na zavatra tsara.”

 Fanontaniana tsara eritreretina

  •   ‘Tena mila telefaonina raitra ve ny zanako?’

     Hoy ny Baiboly: ‘Ny malina mandinika ny diany.’ (Ohabolana 14:15) Eritrereto àry hoe:

     ‘Tena fahendrena ve ny hananan’ny zanako telefaonina raitra, na dia hoe mba hiarovana azy aza no anomezako an’ilay izy na hoe satria tena ilainy ilay izy? Efa noeritreretiko tsara ve hoe inona avy ny lafy tsarany sy ny lafy ratsiny raha manana telefaonina izy? Sao dia mba misy zavatra hafa azo atao ankoatra ny hoe hanome telefaonina raitra azy, ohatra hoe mba hiarovana azy, na hanaovany devoara?’

     Hoy i Todd, raim-pianakaviana iray: “Mbola azo atao tsara ny mividy telefaonina tsotsotra amin’izao. Azonao iantsoana ny zanakao sy andefasana SMS any aminy ireny telefaonina ireny. Sady mitsitsy vola koa ianao amin’izay.”

  •   ‘Efa tokony hanana telefaonina ve ny zanako?’

     Milaza ny Baiboly hoe: “Ny fahendren’ny malina no mahatonga azy hahalala ny ataony.” (Ohabolana 14:8) Eritrereto àry hoe:

     ‘Inona no mahatonga ahy ho resy lahatra hoe tena azo atokisana ny zanako? Miresaka tsara amiko ve izy? Efa nisy fotoana ve izy nanafin-javatra tamiko, ohatra hoe momba ny namany? Mahavita mifehy tena ve izy rehefa mampiasa fitaovana hafa, ohatra hoe tablette na ordinatera, na rehefa mijery tele? Hoy i Serena, renim-pianakaviana iray: “Fitaovana tena mahasoa ireny telefaonina raitra ireny, nefa koa mety hampidi-doza. Raha avelanao hanana telefaonina raitra ny zanakao, dia andraikitra be sahady no omenao azy nefa izy mbola kely.”

  •   ‘Vonona hanampy ny zanako ve aho?’

     Hoy ny Baiboly hoe: “Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza.” (Ohabolana 22:6) Eritrereto àry hoe:

     ‘Mahafantatra tsara momba an’ilay telefaonina ve aho, ka afaka manampy ny zanako tsy ho tratran’ny loza? Ho haiko tsara ve ny hanara-maso ny zavatra ao amin’ilay telefaonina? Ahoana no anampiako ny zanako hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy rehefa mampiasa telefaonina? Hoy i Daniel, ilay raim-pianakaviana noresahintsika teny aloha: “Mampalahelo fa be dia be mihitsy ny ray aman-dreny manome telefaonina raitra ny zanany, nefa tsy mba manara-maso akory hoe ahoana no ampiasain’ilay ankizy an’ilay izy.”

 Tadidio izao: Mila ampiofanina ny ankizy mba hahay hampiasa tsara an’ireny telefaonina raitra ireny. Hoy ilay boky hoe Indistractable: “Tsy vitan’ny ankamaroan’ny ankizy izany hoe hahafehy tena izany dia tsy handany fotoana be amin’ireny fitaovana ireny, indrindra raha tsy fantatry ny ray aman-dreniny akory hoe inona no ataon-dry zareo, na tsy mba manome toromarika azy ireo ny ray aman-dreniny.”

a Ireny telefaonina azo ampiasana Internet ireny no tiana hotenenina amin’ilay hoe “telefaonina raitra” ato amin’ity lahatsoratra ity.

b Nalaina avy tao amin’ilay boky hoe Disconnected, nosoratan’i Thomas Kersting.