Hijery ny anatiny

Bokikely Feno Sarintany

Bokikely Feno Sarintany

Misy sarintany feno tsipiriany ao amin’ilay bokikely hoe ‘Jereo Ilay Tany Soa’, ary hanampy anao hanao fikarohana lalina kokoa rehefa mianatra samirery ny Baiboly ianao. Betsaka ny toerana sy tanàna resahin’ny Baiboly. Hanampy anao haka sary an-tsaina an’izay vakinao ilay bokikely hoe ‘Jereo Ilay Tany Soa’ sady ho hitanao hoe taiza ho aiza ilay izy no nitranga. Ho azonao koa ny fizotran’ny tantara sasany rehefa fantatrao tsara hoe manao ahoana ilay toerana nitrangany.

Feno tabilao sy sarintany miloko ahitana ny faritra samihafa voaresaka ao amin’ny Baiboly ilay bokikely hoe ‘Jereo Ilay Tany Soa.’ Misy kisarisary, sary namboarina tamin’ny ordinatera, ary zavatra hafa be dia be koa ao, mba hahatonga ny fianaranao hahafinaritra.

Hanampy anao io bokikely io mba...

  • hahazo an-tsaina ny dia nataon’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba

  • hahita ny lalana nalehan’ny Israelita, rehefa niala tany Ejipta hankany amin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo

  • hahita hoe taiza ho aiza tamin’ny fahavalony no nisy ny Israelita

  • hahita hoe taiza avy ny lalana nalehan’i Jesosy nandritra ny fanompoany

  • hahazo an-tsaina ny haben’ny faritanin’ny fanjakana resahin’ny Baiboly, ohatra hoe Babylona, Gresy, na Roma

Azonao jerena maimaim-poana ato amin’ny Internet io bokikely feno sarintany io.