Hijery ny anatiny

22 JONA 2015
GÉORGIE

Niaiky Tany Amin’ny Fitsarana Eoropeanina i Géorgie fa Nanitsakitsaka ny Zon’ny Vavolombelon’i Jehovah

Niaiky Tany Amin’ny Fitsarana Eoropeanina i Géorgie fa Nanitsakitsaka ny Zon’ny Vavolombelon’i Jehovah

Nanaiky ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH) rehefa niaiky ny fanjakana any Géorgie fa tsy nohajain’izy ireo ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah hanana fahalalahana ara-pivavahana sy hanao fivoriana. Nodinihin’io Fitsarana io ny raharaha Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Hafa miady amin’i Géorgie. Nesorin’ny fanjakana tsy ho ao anatin’ny lisitr’ireo fikambanana ara-dalàna mantsy ny fikambanana roa an’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary anisan’ny nahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah ho niharan’ny herisetra be tamin’ny 2001 ka hatramin’ny 2004 izany.

Niaiky tany amin’ny CEDH i Géorgie fa diso

Namoaka didim-pitsarana ny CEDH tamin’ny 21 Mey 2015. a Voalaza tao fa nanoratra fanambarana ofisialy ny fanjakana any Géorgie, tamin’ny Septambra 2014, hoe “miaiky ary manenina satria tsy nanaja” ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Nolazaina tao anatin’ilay fanambarana koa fa “tsy marim-pototra” ny nanesorana an’ireo fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo tamin’ny taona 2000, ary niaiky ny fanjakana hoe tsy mba nisy lalàna nahafahana namerina azy ireo ho ara-dalàna.

Hitan’ny CEDH fa ampy mba handaminana an’ilay raharaha iny fanambaran’ny fanjakana iny. Nilaza ny CEDH hoe: “Rehefa misy fikambanana ara-pivavahana mangataka ny hosoratana ara-dalàna, dia manitsakitsaka ny zon’izy ireo hanaraka ny fivavahana tiany sy ny zon’izy ireo hivory ny manam-pahefana raha tsy manaiky ny fangatahany, na manala azy ireo tsy ho anisan’ny fikambanana ara-dalàna intsony. Mandika ny Andininy faha-11 sy faha-9 amin’ilay Fifanarahana [Eoropeanina] izany.” Nanaiky handoa onitra 6000 euros ny fanjakana.

Nenjehina nandritra ny taona maro satria tsy fikambanana ara-dalàna

Lasa fikambanana ara-dalàna ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Solontenan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania (Etazonia) eto Géorgie, tamin’ny 1998. Te handrara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah manerana an’i Géorgie anefa ny solombavambahoaka iray, izay tena nafana fo ho an’ny fiandrianam-pirenena. Nanohana azy ny mpitondra fivavahana ortodoksa sasany sy ny olona mahery fihetsika sasany ka nanely tsaho sy nampirisika ny olona hahery setra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nametraka fangatahana tany amin’ny fitsaram-paritr’i Isani-Samgori any Tbilisi io solombavambahoaka io, amin’ny maha solontenan’ny antoko politika azy, tamin’ny Aprily 1999. Nangataka izy mba horarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ary hesorina tsy ho anisan’ny fikambanana ara-dalàna ireo fikambanana roa ampiasain’izy ireo. Nanatrika teo ny pretra ortodoksa sy ny mpanohana azy rehefa nanomboka ilay fitsarana, tamin’ny Jona 1999. Nandoro boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah tao ivelan’ilay trano fitsarana i Vasili Mkalavishvili, pretra ortodoksa niongana, sy ny mpanohana azy.

Rehefa nandinika an’ireo porofo ny fitsaram-paritr’i Isani-Samgori dia nilaza fa tsy mitombina ny fangatahan’ilay solombavambahoaka. Nanao fampakarana any amin’ny fitsarana ambony izy avy eo. Nofoanan’ilay fitsarana ambony ilay didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany, ka namoaka didy hanafoanana an’ireo fikambanana roa an’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, tamin’ny 26 Jona 2000. Nanararaotra an’ilay didy ireo Ortodoksa mafana fo tafahoatra ka nitarika fanafihana nisesisesy an’ireo Vavolombelon’i Jehovah. Nanaiky an’ilay didy hanafoanana an’ireo fikambanana ihany koa ny Fitsarana Tampony any Géorgie, tamin’ny 22 Febroary 2001, satria hono, raha ny lalàna dia tsy misy azony atao mba hanomezana rariny ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nahita vahaolana tamin’ireo fitsarana tany Géorgie mihitsy ny Vavolombelona, ka nandefa fitarainana tany amin’ny CEDH, tamin’ny 16 Aogositra 2001.

Vao mainka nenjehina sy niharan’ny herisetra ny Vavolombelon’i Jehovah taorian’ilay didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Tampony, ka an-jatony ny fanafihana niseho. Matetika ny mpitandro filaminana no tsy niaro ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa nisy nanafika izy ireo. Nandray anjara tamin’ny herisetra natao tamin’ny Vavolombelona mihitsy aza izy ireo indraindray. Betsaka ny Vavolombelona naratra mafy. Nisy mpivavaka mafana fo tafahoatra mantsy nanakorontana ny fivorian’izy ireo, nandoro sy nandroba ny tranony, nangalatra sy nanimba ny fananany, ary nandoro ny boky sy gazetiny. Tsy navelan’ny manam-pahefana hanafatra boky sy gazety koa ireo Vavolombelona ary nalainy izay efa nohafarana. Tsy navelan’ny manam-pahefana hanofa trano ahafahany mivory koa ny Vavolombelona. Tafahoatra ilay fanenjehana sady tsy nety niaro an’ireo niharan’ny herisetra ny fanjakana, ka nandefa fitarainana tany amin’ny CEDH ny Vavolomben’i Jehovah any Géorgie. Nohazavain’izy ireo tao fa nampijalina izy ireo ary miray tsikombakomba amin’ireo mpanao ratsy ny mpitandro filaminana. Efa raharaha roa mifandray amin’izany no nahazoan’ny Vavolombelon’i Jehovah rariny tany amin’ny CEDH. b

Nihatsara ny toe-javatra tany Géorgie ka afaka namerina ny fikambanany ho ara-dalàna indray ny Vavolombelon’i Jehovah, ary afaka manana fananana manokana sy miaro ny zony ara-dalàna. Nosamborina sy nogadraina kosa i Mkalavishvili, ilay mpitarika ny herisetra, sy ny mpanaraka azy sasany, tao anatin’izany fotoana izany. Nifarana ilay fanenjehana mivaivay an’ireo Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 2004.

Amin’izao fotoana izao

Marina fa nihanilamina ny fiainan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa nandeha ny fotoana, nefa misy manelingelina ihany indraindray ny zavatra ataony mifandray amin’ny fivavahana. Asehon’ny tatitra nalefa tany amin’ny Fikambanana Misahana ny Filaminana sy ny Fiaraha-miasa Eoropeanina vao haingana, fa nisy 63 ny heloka bevava noho ny fankahalana natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Géorgie, tamin’ny 2014.

Nilaza i Michael Jones, solontenan’ny Vavolombelon’i Jehovah any an-toerana hoe: “Mankasitraka ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona izahay satria tsy nojereny fotsiny ny tsy rariny nihatra taminay Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny taona maro. Faly izahay mahita fa vonona hiaro ny zon’olombelona ny fitondrana eto Géorgie. Enga anie iny didim-pitsarana vao haingana iny sy ny didy hafa nanome rariny anay ka hahatonga anay Vavolombelon’i Jehovah eto Géorgie hoentina amin’ny fomba ara-drariny sy hahazo fahalalahana ara-pivavahana kokoa.”

a Efa tapaky ny CEDH tamin’ny 21 Aprily 2015 io raharaha io fa iray volana tatỳ aoriana ilay izy vao nampahafantariny ny besinimaro.

b Fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Gldani miady amin’i Géorgie, no. 71156/01, 3 Mey 2007; sy Begheluri sy ny Hafa miady amin’i Géorgie, no. 28490/02, 7 Oktobra 2014.