Hijery ny anatiny

2 APRILY 2019
KAZAKHSTAN

Asain’ny Vavolombelon’i Jehovah Hitsidika Efitrano Fanjakana ny Olona any Kazakhstan

Asain’ny Vavolombelon’i Jehovah Hitsidika Efitrano Fanjakana ny Olona any Kazakhstan

Nanasa olona hitsidika ny Efitrano Fanjakana any amin’ny tanàna fito manerana an’i Kazakhstan ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 11 Mey ka hatramin’ny 10 Novambra 2018. Nahafantatra misimisy kokoa momba ny Vavolombelon’i Jehovah àry ny manam-pahefana, ny mpanao gazety, ny manam-pahaizana, ary ny olon-tsotra. Olona 1500 mahery no namaly ny antso.

Toerana nanaovana an’ireo fampirantiana: 1) Öskemen, 2) Qaraghandy, 3) Qostanay, 4) Semey, 5) Shymkent, 6) Taldyqorghan, ary 7) Taraz.

Ny Efitrano Fanjakana any Öskemen, Qaraghandy, Qostanay, Semey, Shymkent, Taldyqorghan, ary Taraz no nasaina notsidihin’ny olona. Nanomboka tamin’ny 1892 ny asantsika tany Kazakhstan, ary faly nijery tabilao sy sary mitantara an’izany ny olona. Naseho tamin’izy ireny koa ny zava-bitan’ny Vavolombelon’i Jehovah tato ho ato, ohatra hoe ny fivoahan’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny kazakh, tamin’ny 2014.

Hoy ny Rahalahy Bekzat Smagulov, ao amin’ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna sy ny Sampan’asan’ny Filazam-baovao ao amin’ny sampan’i Kazakhstan: “Tena faly ny olona nitsidika sady lasa fantatr’izy ireo tsara isika Vavolombelon’i Jehovah. Anisan’ny nitsidika tamin’izy ireny ny manam-pahefana avy ao amin’ny Minisiteran’ny Raharaha Ara-pivavahana sy ny mpanao gazety nalefan’ny mpamokatra vaovao Kazakhstan-Öskemen ary ny mpanao gazetin’ny Rudnyi Altai sy Semei Vesti.”

Tonga tao amin’ny Efitrano Fanjakana tany Taldyqorghan, izay tanàna misy ny biraom-panjakana ho an’ny faritr’i Almaty, ny tompon’andraiki-panjakana misahana ny resaka fivavahana ao amin’ilay faritra, sy ny olo-manan-kaja roa miara-miasa aminy. Nitsidika tao koa ny tompon’andraikitra ao amin’ny gazety Zhetysu Dialog. Nanadinadina ny sasany tamin’ny mpiasa an-tsitrapo tao izy, ary namoaka lahatsoratra mifandray amin’izany, avy eo.

Nizara Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao miisa 560 mahery, amin’ny teny kazakh sy rosianina, koa ny rahalahy sy anabavy. Ireo no fiteny tena fampiasan’ny olona any Kazakhstan. Faly isika hoe nisy vokany tsara iny fandaharana iny. Nahazo voninahitra i Jehovah ary lasa fantatry ny olona ny “asa tsara” ataontsika.—Matio 5:16.

 

Manao tenin’ny tanana ny Ranabavy Saniya Akhmetzhanova, ao Qaraghandy, satria nanazava tamin’ny mpivady marenina iray hoe inona no ataontsika mba hampianarana Baiboly amin’ny marenina.

Ankizy roa mijery an’ilay video hoe Arovy ny Zanakao amin’ny teny rosianina, tao Qaraghandy.

Manazava ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kazakhstan ny Rahalahy Lev Gladyshev, tao Qaraghandy. Anisan’ireo nanatrika teo i Kudaibergen Beksultanov, sekreteran’ny Parlemanta eo an-toerana, sy Nikolay Sarsenbayev, lehiben’ny manam-pahaizana mandinika momba ny fivavahana, ary Nurlan Bikenov, tompon’andraiki-panjakana misahana ny resaka fivavahana ao Qaraghandy.

Manazava ny fiasan’ilay programa hoe JW Library® amin’ny mpivady iray tonga nitsidika tao Taldyqorghan ny Ranabavy Aisha Yakovleva.

Manazava amin’ny mpitsidika tao Taraz ny Rahalahy Aleksey Alyoshin hoe efa niseho tany amin’ny asa soratra sy vakoka isan-karazany ny anaran’Andriamanitra.

Manazava ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kazakhstan ny Rahalahy Sergey Petkevich, tao Öskemen, sady mitazona Ny Tilikambo Fiambenana tranainy amin’ny teny rosianina. Anisan’ny nanatrika teo i Sergey Lebedev, tompon’andraikitry ny fikambanana Edinstvo.

Miresaka amin’ny mpitsidika iray any Qostanay ny Rahalahy Georgiy Pismenoy (eo ankavanana). Nisy rahalahy telo sy anabavy iray niakatra fitsarana mantsy, tamin’ny 1982. Nomelohina izy ireo satria voarara ny bokintsika tamin’izany, nefa izy ireo nitahiry sy namoaka ary nizara azy ireny. Afaka nijery ny video momba an’io fitsarana io ny mpitsidika. Iray amin’ireo rahalahy telo ireo ny Rahalahy Pismenoy, ary nomelohina hiasa an-terivozona roa taona sy tapany izy. Tantarainy amin’ny olona ny zavatra niainany tany.

Misy mpitendry zavamaneno tao amin’ilay fampirantiana tao Shymkent. Anisan’ny zavamaneno notendren’izy ireo ny dombra (eo amin’ny sisiny havia sy havanana).

Rahalahy sy anabavy nandray anjara an-tsitrapo tamin’ilay fampirantiana tao Qaraghandy.