Hijery ny anatiny

Ahoana no Fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fisaraham-panambadiana?

Ahoana no Fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fisaraham-panambadiana?

 Izay lazain’ny Baiboly momba ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana no arahinay. Andriamanitra no namorona ny lehilahy sy vehivavy ho mpivady, ary tiany haharitra ny fanambadiana. Ny fijangajangana ihany no lazain’ny Soratra Masina fa antony ahafahana misara-panambadiana.—Matio 19:5, 6, 9.

Manampy ve ny Vavolombelona raha mitady ho rava ny tokantrano iray?

 Eny. Ireto avy ny fomba anampianay ny mpivady:

  •   Boky sy gazety: Misy lahatsoratra manampy ny mpivady hifankatia kokoa ao amin’izy ireny, na dia ny mpivady efa mitady hisaraka aza. Jereo, ohatra, ireo lahatsoratra hoe “Aoka Ianao Hitana ny Voady Nifanaovanareo”, “Mahaiza Mifamela”, ary hoe “Mbola Hifampatoky Indray ve Izahay?

  •   Fivoriana: Mandinika hevitra avy ao amin’ny Baiboly tena azon’ny mpivady ampiharina izahay, mandritra ny fivorian’ny fiangonana sy ny fivoriambenay.

  •   Anti-panahy: Afaka manampy ny mpivady koa ny anti-panahin’ny fiangonana, satria atorony azy mivady ny andinin-teny azo ampiharina, ohatra hoe ny Efesianina 5:22-25.

Tsy maintsy eken’ny anti-panahy ve vao mahazo misara-panambadiana ny Vavolombelona?

 Tsia. Mety hisy mpivady hangataka ny hampian’ny anti-panahy rehefa manana olana izy mivady. Tsy anjaran’ny anti-panahy anefa ny milaza amin’izy mivady hoe inona no tokony hataon’izy ireo. (Galatianina 6:5) Mety hifidy ny hisara-panambadiana ny Kristianina iray, na dia tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina aza ny antony isarahany. Raha izany, dia tsy ho azo omena tombontsoam-panompoana eo anivon’ny fiangonana izy, ary tsy mahazo manambady indray.—1 Timoty 3:1, 5, 12.

Ahoana no fiheveran’ny Vavolombelona ny fisarahan-toerana?

 Milaza ny Baiboly hoe tsy tokony hisaraka ny mpivady na dia rehefa misy olana aza. (1 Korintianina 7:10-16) Be dia be ny olana azo alamina raha mivavaka mafy izy mivady, mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly, ary mifaneho fitiavana.—1 Korintianina 13:4-8; Galatianina 5:22.

 Misy Kristianina manapa-kevitra ny hisara-toerana amin’ny vadiny anefa, rehefa ao anatin’ny toe-javatra tsy azo anoarana, ohatra hoe:

  •   Minia tsy mamelona ny ankohonany ilay vadiny.—1 Timoty 5:8.

  •   Tena mahery setra izy.—Salamo 11:5.

  •   Misakana tanteraka azy tsy hifandray amin’Andriamanitra ilay vadiny. Raha teren’ny vadiny handika ny didin’Andriamanitra, ohatra, ilay Vavolombelona dia mety hanapa-kevitra izy hoe aleo misaraka, amin’izay afaka manaraka izay voalazan’ny Baiboly hoe: “Andriamanitra no mpitondra anay ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.”—Asan’ny Apostoly 5:29.