Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FANAMBADIANA

Mahaiza Mifamela

Mahaiza Mifamela

OLANA

Rehefa mifamaly ianareo mivady, dia tanisainareo daholo indray izay zavatra nampiady anareo taloha na dia efa tokony hoe nilamina aza. Nahoana? Mety ho mitana lolompo ny iray aminareo na ianareo mivady mihitsy.

Azonareo atao anefa ny mianatra mamela heloka. Andao aloha hojerena ny anton’ilay zava-manahirana.

INONA NO MAHATONGA AN’ILAY OLANA?

Fomba fiady. Tsy mamela heloka ny olona sasany, amin’izay rehefa miady izy mivady dia mbola afaka manome tsiny an’ilay vadiny izy. Dia tsy afaka mamaly intsony ilay iray satria diso.

Mbola misy lonilony. Elaela vao afaka ny alahelo indraindray. Mety hiteny ny iray hoe “mamela anao aho”, nefa mbola misy lonilony kely any am-pony any, ary mety hoe te hamaly faty mihitsy aza izy.

Manantena be loatra. Misy mieritreritra fa hahafinaritra be hoatran’ny amin’ny filma na tantaram-pitiavana ny fanambadiany. Rehefa mifamaly àry izy ireo, dia tsy eken’ny sainy mihitsy hoe ilay olona “tena mety aminy indrindra” no tsy mitovy hevitra aminy. Raha manantena be loatra amin’ny vadinao ianao, dia lasa kianinao daholo izay ataony sady sarotra aminao ny mamela azy rehefa diso izy.

Diso hevitra. Misy tsy mamela heloka, satria tsy hainy izay mety ho vokany. Anisan’izany ireto:

Raha mamela azy aho, dia hoatran’ny hoe fahadisoana kely ilay izy.

Raha mamela azy aho, dia tsy maintsy ataoko hoatran’ny tsy nisy ilay izy.

Raha mamela azy aho, dia vao mainka izy hanao amin’ny manaraka.

Diso daholo anefa ireo rehetra ireo. Na izany aza anefa, dia sarotra foana ny mifamela, indrindra fa ho an’ny olona mifandray be hoatran’ny mpivady.

INONA NO AZONAO ATAO?

Ovao ny fisainanao. Midika hoe “mamela handeha” na “tsy mitazona” ny hoe “mamela heloka” ao amin’ny Baiboly. Raha mamela heloka àry ianao, dia tsy voatery hoe manamaivana an’ilay fahadisoana na koa hoe tsy maintsy manadino an’ilay izy. Aza raharahaina fotsiny ilay izy fa avelao amin’izao, mba hahasoa anao sy ny tokantranonao.

Eritrereto ny vokatry ny lolompo. Milaza ny mpandinika fa ny olona mitana lolompo, dia mora ketraka sy miakatra tosidra, ary mora voan’ny aretina hafa sady marary fo tsy amin’antony. Ny olana ao an-tokantrano moa dia tsy lazaina intsony. Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe: “Aoka kosa ianareo ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka.”—Efesianina 4:32.

Tadidio fa mahasoa ny mifamela. Aza tonga dia mihevitra hoe ratsy toetra ny vadinao matoa nanao zavatra tsy tianao, fa diniho aloha sao mba nisy antony hafa tao. Raha tsy mitana lolompo ianao, dia hifankatia kokoa ianareo mivady fa tsy hifampila vaniny foana.—Toro lalan’ny Baiboly: Kolosianina 3:13.

Aza mitady ny tonga lafatra. Ho mora aminao ny hamela heloka, raha ekenao hoe mba manana ny toetra ratsiny koa ny vadinao nefa tianao foana. Hoy ilay boky hoe Avoty ny Tokantranonao (anglisy): “Raha ny toetra ratsin’ny vadinao ihany no eritreretinao, dia ho hadinonao daholo ny toetra tsarany. Ka iza amin’ireo àry no tianao hifantohana?” Tadidio fa tsy misy ny olona lavorary, ary anisan’izany ianao!—Toro lalan’ny Baiboly: Jakoba 3:2.

Mahaiza mandefitra. Rehefa miteny na manao zavatra mahatezitra anao ny vadinao, dia eritrereto hoe: ‘Tena fahadisoana be ve iny nataony iny? Tsy hanaiky ve aho raha tsy miala tsiny izy? Sa azoko andeferana ilay izy ka hodiako tsy hita fotsiny?’—Toro lalan’ny Baiboly: 1 Petera 4:8.

Resaho ilay olana raha tena lehibe. Mitonia tsara, ka hazavao ny antony nahatezitra na nampalahelo anao. Aza tonga dia manome tsiny na manizingizina be, satria vao mainka ny vadinao hiezaka hanamarin-tena. Lazao fotsiny hoe inona no vokatr’izay nataony teo aminao.