Hijery ny anatiny

Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ve ny Fampianarana Sasany Momba ny Famoronana?

Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ve ny Fampianarana Sasany Momba ny Famoronana?

 Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa Andriamanitra no namorona ny zava-drehetra. Tsy inoanay kosa anefa ny fampianarana sasany momba ny famoronana, satria tsy mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly. Andeha isika handinika roa amin’izany.

  1.   Ny halavan’ireo andro famoronana enina. Misy mino hoe naharitra 24 ora avy ny andro tsirairay, tamin’ireo andro famoronana enina. Mety hidika fotoana lava kokoa anefa ny teny hoe “andro” ao amin’ny Baiboly.—Genesisy 2:4; Salamo 90:4.

  2.   Ny fotoana nisian’ny tany. Misy mino hoe vao an’arivony taona teo ho eo izay no nisian’ny tany. Milaza anefa ny Baiboly fa efa nisy ny tany sy ny lanitra, talohan’ireo andro famoronana enina. (Genesisy 1:1) Noho izany, dia tsy lavin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy ny filazan’ny mpahay siansa hoe efa an’arivony tapitrisa taona izay no nisian’ny tany.

 Na mino aza ny Vavolombelon’i Jehovah hoe nisy namorona ny zava-drehetra, dia tsy mitsipaka ny zavatra resahin’ny mpahay siansa izahay. Mino izahay fa mifanaraka ny Baiboly sy ny siansa.