Hijery ny anatiny

“Efa Niandry ny Antsonareo Foana Aho”

“Efa Niandry ny Antsonareo Foana Aho”

 Nanandrana nitory an-telefaonina i Ed sy Jennie vadiny tamin’ny 2010. a Hoy i Jennie: “Tena tsy tiako mihitsy ilay izy, dia noteneniko ny vadiko hoe: ‘Izaho tsy hanao intsony mihitsy!’” Hoatr’izay tsy misy hafa koa no tsapan’i Ed. Nanazava izy hoe: “Indraindray misy olona mitelefaonina anao satria te hivarotra zavatra aminao. Tsy tiako mihitsy anefa ny antsointsoina hoatr’izany. Dia tsy nazoto hitory an-telefaonina aho, satria mety hahatsapa hoatr’ahy koa izany izay olona hantsoiko.”

 Niparitaka ny COVID-19 tatỳ aoriana, dia tsy nitory isan-trano intsony ny Vavolombelon’i Jehovah. Mbola nanohy ny fanompoany anefa ry zareo satria mankatò an’ilay didin’i Jesosy hoe tokony hitory ny vaovao tsara. (Matio 24:14; 28:19, 20) Ny fitoriana an-taratasy sy an-telefaonina no tena nataon-dry zareo. Natao tamin’ny alalan’ny vidéoconférence koa ny fivoriana kristianina, anisan’izany ny fivoriana alohan’ny fanompoana. Nanandrana nitory an-telefaonina indray i Ed tamin’ny fivoriana anankiray, na dia sarotra taminy aza izany. Inona no tsapany rehefa handeha hiantso olona voalohany izy? Hoy izy: “Natahotra be aho dia nivavaka mba hampian’i Jehovah! Niantso aho avy eo, dia tamin’izay no nahafantarako an’i Tyrone.” b

 Mipetraka any ambanivohitr’i Kentucky, any Etazonia, i Tyrone sy Edith vadiny. Efa 83 taona i Tyrone tamin’izany, dia tsy nahita firy intsony ny masony. Nanaiky anefa izy rehefa nasain’i Ed hianatra Baiboly. Novakiny tamin’ny lopy ilay boky fianarana Baiboly, dia nianatra tsy tapaka an-telefaonina izy sy Ed.

 Nanomboka nanatrika ny fivoriana nalamin’ny fiangonana tany akaikin-dry zareo i Tyrone sy Edith, iray volana teo ho eo taorian’izay. Tsy nanana Internet anefa izy mivady, dia nihaino an’ilay izy tamin’ny telefaonina. Ary ahoana indray ny tantaran’i Edith?

 Rehefa mianatra i Tyrone, dia henon’i Ed sy Jennie hoe ao ambadika ao i Edith manampy an’i Tyrone hamaly sy hamadika Baiboly. Izay ihany anefa no nataony fa mbola tsy niteny izy hoe te hianatra koa. Hoy i Jennie: “Rehefa henoinay ny feony dia hoatran’ny hoe malahelo be izany izy, nefa tsy fantatray sy Ed hoe fa maninona.”

Ed sy Jennie mitory an-telefaonina

 Tapa-kevitra i Jennie, indray andro, hoe aleo izy hiresaka amin’i Edith. Niandry fotoana nety tsara izy, dia nangatahiny tamin’i Ed ilay telefaonina, dia hoy izy: “Tyrone a, henoko ao ambadika ao ny feon’ny vadinao, dia mba tiako hasaina hamaky andinin-teny anankiray izy na hamaly teny.”

 Nisy fahanginana vetivety, dia izay vao niteny i Edith. Hoy izy tamin’ny feo malefaka: “Efa hatramin’ny voalohany aho no te hiresaka taminareo. Vavolombelon’i Jehovah aho, fa efa 40 taona aho izay no tsy nivory sy tsy nitory intsony.”

 Gaga be i Jennie. Niteny izy avy eo hoe: “Rahavaviko kay izany ianao!” Dia niara-nitomany izy roa vavy.

 Nomen’i Ed an’ilay bokikely hoe Miverena Amin’i Jehovah i Edith, taoriana kelin’izay. Tsikaritr’i Ed sy Jennie avy eo hoe niova i Edith. Hoy i Ed: “Heno tamin’ny feony tamin’ny voalohany hoe malahelo be izy, fa amin’izao efa lasa falifaly amin’izay izy.” Nandroso ara-panahy tsara i Edith, dia lasa mpitory ny vaovao tsara mazoto indray izy izao. Natao batisa ny vadiny tamin’ny Jolay 2022 dia lasa Vavolombelon’i Jehovah.

 Rehefa mieritreritra ny hevitra nananany taloha momba ny fitoriana an-telefaonina i Ed, dia tadidiny ny resaka nifanaovany tamin’i Tyrone. Novakin’i Ed taminy ny Jaona 6:44, dia avy eo i Ed nanazava hoe taomin’i Jehovah hahafantatra ny fahamarinana ny olona. Nanaiky i Tyrone sady niteny hoe: “Efa niandry ny antsonareo foana aho.” Faly be koa i Jennie hoe niezaka hanana herim-po hitoriana an-telefaonina izy mivady. Nilaza izy hoe: “Tahin’i Jehovah isika rehefa miezaka hoatr’izany.”

a Mankatò ny lalàna momba ny fiarovana ny fanazavana momba ny olona tsirairay ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mitory sy mampianatra.

b Novana ny anarana sasany.