Hijery ny anatiny

Fizarana Diplaoman’ny Kilasy Faha-135 Amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada

Fizarana Diplaoman’ny Kilasy Faha-135 Amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada

Tamin’ny 14 Septambra 2013 no natao ny fizarana diplaoman’ny kilasy faha-135 amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada. Tao amin’ny foibem-pampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah any Patterson, New York, no natao izany ary 10500 teo ho eo no nanatrika. Vavolombelon’i Jehovah mpitory efa za-draharaha no ampiofanina amin’io sekoly io mba hahay kokoa ny asa hanendrena azy.

I Guy Pierce, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no mpanolotra fandaharana. Izy no nanao ny lahateny fanokafana, niorina tamin’ny Matio 28:19, 20 hoe: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra. ... Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.”

Nilaza ny Rahalahy Pierce hoe rehefa nilaza an’ireo teny ireo i Jesosy, dia nisy zavatra nitohitohy ka tonga hatratỳ amintsika. Rehefa manao mpianatra isika, dia mampianatra ny olona hankatò an’izay rehetra nandidian’i Jesosy. Mazava ho azy fa tafiditra amin’izany ilay didiny hoe tsy maintsy torina ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana.” (Matio 24:14) Lasa mpitory sy mpampianatra koa àry ny mpianatra tsirairay. Inona no vokatr’izany zavatra mitohitohy izany? Hoy ny Rahalahy Pierce: “Mitombo ny mponina [eto an-tany] fa mitombo koa ny vahoakan’Andriamanitra.”

“Nanome Mihoatra Noho Izay Zakany Izy Ireo.” Niorina tamin’ny 2 Korintianina 8:1-4 ny lahatenin’i Thomas Cheiky, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia. Tena nahantra ireo fiangonana tany Makedonia tamin’ny taonjato voalohany, nefa niangavy izy ireo mba hanao fanomezana ho an’ny rahalahy nila fanampiana tany Jerosalema. Tia manome sy mahafoy tena toy izany koa ireo mpianatra amin’ny sekolin’i Gileada.

Azontsika antoka hoe nahay nandanjalanja ireo Makedonianina. Tsy nanome be loatra izy ireo, ka hoe lasa fadiranovana ny fianakaviany na voasakana ny fanompoany an’i Jehovah. Nampirisihin’ny Rahalahy Cheiky ireo mpianatra mba hanahaka ny Makedonianina ka hahay handanjalanja foana rehefa manome.

“Nifarana ny Sekoly.” Nasongadin’i Samuel Herd, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, ny antony tokony hitadidian’ireo mpianatra ny zavatra niainany nandritra ny sekolin’i Gileada. Rehefa mihaino hira mahafinaritra ny olona iray, amin’ny maraina, dia tsy afaka ao am-bavany iny mandritra ny andro. Toy izany koa fa afaka manampy an’ireo mpianatra mandritra ny fotoana ela be ny fahatsiarovany an’ilay sekoly.

Nampahatsiahivin’ny Rahalahy Herd an’ireo mpianatra hoe tsy misy fetrany ny fitadidian’Andriamanitra. Omeny anarana tsirairay ireo kintana an-tapitrisa tapitrisany eo amin’izao rehetra izao ary tsy misy hadinony na ny iray aza. (Salamo 147:4) Mainka fa ny ezaka nataon’ireo mpianatra nandritra ny sekoly! Tsy hohadinoiny mihitsy izany. Nanangona ‘harena any an-danitra’ izy ireo ka hotsaroan’i Jehovah foana. Tsy misy olona afaka mangalatra an’izany ao an-tsain’i Jehovah mihitsy.—Matio 6:20.

Mety raha mahatsiarotsiaro ny sekolin’i Gileada ny mpianatra satria Andriamanitra aza mahatsiaro an’izay nataon’izy ireo sy ny fitiavan’izy ireo azy. Hoy ny Rahalahy Herd: “Rehefa ilay falifaly mahatsiaro ny sekoly iny ianareo, dia aza hadino ny misaotra an’i Jehovah satria izy no mahatonga anareo ho faly. Handray soa foana ianareo raha mitadidy an’izay nianaranareo.”

“Aoka Hampahery Anao ny Hery Tsy Hita Fetra Ananan’i Jehovah.” Mpampianatra amin’ilay sekoly i Sam Roberson, ary nampirisihiny ny mpianatra mba hiantehitra amin’ny herin’i Jehovah fa tsy hatoky tena rehefa misy olana. Milaza ny Efesianina 3:20 fa afaka “manao mihoatra noho izay rehetra angatahintsika na eritreretintsika” Andriamanitra. Tsy takatry ny saintsika mihitsy ny heriny, ka tsy mahalaza azy na dia ilay hoe ‘mihoatra noho izay eritreretintsika’ aza. Milaza mantsy ilay andininy fa afaka manao “mihoatra lavitra” noho izany mihitsy aza izy.

Manome ny heriny ho an’ny Kristianina rehetra i Jehovah. Toy ny “lehilahy mahery sy mampahatahotra” izy rehefa misy olana goavana. (Jeremia 20:11) Nampahatsiahivin’ny Rahalahy Roberson an’ireo mpianatra fa hanampy azy ireo foana i Jehovah na inona na inona olana hatrehin’izy ireo.

“Hazòny Foana ny Hajanao Rehefa Manompo.” Mpampianatra amin’ilay sekoly koa i William Samuelson, ary nanazava tamin’ny mpianatra izy fa antony roa no mahatonga azy ireo hanana ny hajany rehefa manompo. Efa noporofoin’izy ireo fa mendrika ny hohajaina izy ireo noho ny zavatra nataony taloha sy nandritra ilay sekoly. Mbola hahazo voninahitra sy haja foana koa izy ireo satria misolo tena ny Fanjakan’Andriamanitra, ilay fitondrana ambony indrindra eo amin’izao rehetra izao.

Ahoana no hihazonan’ireo mpianatra ny hajany foana? Nampirisika azy ireo ny Rahalahy Samuelson mba hanome voninahitra an’i Jehovah sy hanaja ny hafa, toy ny nanajan’i Jesosy ny olon-kafa, na dia rehefa tsy maintsy nanitsy sy nananatra azy ireo aza izy. Inona no vokany raha manao an’izany ny mpianatra? Toy ny apostoly Paoly, dia vao mainka izy ireo hahazo haja rehefa miezaka hanome voninahitra ny fanompoany fa tsy hitady voninahitra ho an’ny tenany.—Romanina 11:13.

“Eo Amin’ny Vavan’ny Soavaly no Misy ny Fahefany.” Mpampianatra amin’ilay sekoly koa i Michael Burnett. Nilaza izy fa manatanteraka ny Apokalypsy 9:19 isika rehefa mitory ka mampiasa an’izay ianarantsika any am-pivoriana mba hitenenana toy ny manana fahefana. Nanadinadina mpianatra izy, avy eo, ka notantarain’izy ireo na nataony fampisehoana izay zavatra nahafinaritra azy teny amin’ny fanompoana nandritra an’ilay sekoly. Nitory tamin’ny rangahy iray mpiasan’ny tobin-dasantsy, ohatra, ny mpianatra iray. Liana ilay rangahy rehefa nanontaniany hoe: “Oviana no nanomboka sy nifarana ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena?” (Lioka 21:24) Rehefa niverina nitsidika an’ilay rangahy izy, dia ny Daniela toko faha-4 sy ny fanazavana fanampiny ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? no nampiasainy mba hamaliana an’ilay fanontaniana.

“Nohatanjahina ny Fon’izy Ireo.” Nanadinadina mpivady roa i Adrian Fernandez, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia. Nilaza ny Rahalahy Helge Schumi fa resahin’ny Baiboly hoe lasa nanambony tena ny mpanompon’Andriamanitra sasany rehefa nahazo tombontsoa manokana. (2 Tantara 26:16) Niverimberina tamin’ilay sekoly àry hoe ilaina foana ny manetry tena. Tsaroan’ny Rahalahy Peter Canning koa ny torohevitra tao amin’ny lahateny iray momba ny fianarana ny fitenin’ny olona eo an-toerana. Izao ilay torohevitra: “Aza mihevi-tena ho ambony. Aza menatra mihomehy ny tenanao.” Nilaza izy efatra fa nanatanjaka ny fon’izy ireo hiatrika ny asa miandry azy ilay sekoly, ka tena ankasitrahany.—Hebreo 13:9.

“Mifalia Satria Voasoratra any An-danitra ny Anaranareo.” (Lioka 10:20) I Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fototra. Tsy mitovy amin’ireo nanatrika sekolin’i Gileada taloha ny ankamaroan’ireo mahazo diplaoma amin’izao fotoana izao. Tsy omena fanendrena vaovao mantsy izy ireo sady tsy hiaina ny zavatra miavaka sasany hitan’ireo nitory tany amin’ny faritany mbola tsy nisy nitory. Ahoana àry no tokony ho fihetsik’izy ireo?

Rehefa niverina avy nitory ireo mpianatra 70 nirahin’i Jesosy, dia faly nitantara taminy hoe namoaka demonia tamin’ny anarany. (Lioka 10:1, 17) Neken’i Jesosy fa mahafaly tokoa izany, nefa hoy izy: “Na izany aza, dia aza mifaly satria hoe manjary manaiky anareo ny fanahy, fa mifalia kosa satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.” (Lioka 10:20) Nasehon’i Jesosy fa tsy isan’andro izy ireo no hiaina zavatra miavaka toy izany. Tsy ny vokatra azony àry no tokony hifantohan’izy ireo, fa ny hoe tsy mivadika amin’i Jehovah izy ireo ary “voasoratra any an-danitra” ny anarany.

Hoy ny Rahalahy Jackson: “Mihatra amintsika koa ny tenin’i Jesosy tamin’ireo mpianatra 70.” Tsy tokony ho arakaraka ny vokatra hitantsika eny amin’ny fanompoana no hahatonga antsika ho faly na tsia, ary tsy tokony ho izany koa no hamaritantsika hoe mankatò tsara an’i Jehovah isika sa tsia. Ahoana àry no hahatonga antsika ho faly sy hanaporofoantsika hoe mifikitra amin’i Jehovah isika? Miezaka mifandray tsara amin’i Jehovah foana ary miasa mafy manatanteraka ny fanompoana.

Na i Jesosy aza niatrika zavatra nahakivy koa. Rehefa avy nomeny sakafo tamin’ny fomba mahagaga, ohatra, ny olona an’arivony dia nanomboka nanaraka azy. (Jaona 6:10-14, 22-24) Vetivety anefa ny ankamaroany dia tafintohina tamin’ny fampianarany ka niara-nandao azy, na dia nirohotra nanatona azy aza tamin’ny voalohany. (Jaona 6:48-56, 60, 61, 66) Ireo apostoly tsy nivadika kosa tapa-kevitra ny hiaraka tamin’i Jesosy foana. Modely ho antsika izy ireo satria tsy ny vokatra azo no tena nifantohany fa ny fifikirany tamin’i Jehovah sy ny fifandraisany taminy.—Jaona 6:67-69.

Famaranana. Nahazo ny diplaomany ireo mpianatra, ary nisy solontenan’ny mpianatra namaky taratasy fankasitrahana. Teo am-pamaranana, dia nilaza ny Rahalahy Pierce fa tsy olona miavaka no fahitan’ny olona eo amin’izao tontolo izao antsika vahoakan’Andriamanitra, anisan’izany ireo mpianatra. (Asan’ny Apostoly 4:13; 1 Korintianina 1:27-31) Rehefa nanokan-tena ho an’i Jehovah anefa isika dia nekeny, ary nomeny antsika ny fanahiny masina. Nilaza ny Rahalahy Pierce fa mety tsy hampiaiky volana an’i Jehovah ny fahaizantsika, nefa “mampiaiky volana azy ny tsy fivadihantsika sy ny fifikirantsika aminy ary ny fahafoizan-tena ananantsika.”