Hijery ny anatiny

Nanampy Tamin’ny Fanaovana Fefiloha Izy Ireo

Nanampy Tamin’ny Fanaovana Fefiloha Izy Ireo

Nisy oram-be nivatravatra tany Eoropa afovoany, tamin’ny Jona 2013, ka be dia be ny renirano tondraka. Niakatra be ny Reniranon’i Danube any Hongria, ary mbola tsy nisy hoatr’izany mihitsy hatramin’izay.

Nanontany ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Hongria àry ny fanjakana sao mba afaka manampy amin’ny fiarovana an’ilay renirano tsy ho tondraka izy ireo. Nanaiky ny biraon’ny sampana, ka nanasa ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah manamorona ny Reniranon’i Danube mba handray anjara amin’ilay asa nalamin’ny manam-pahefana.

Mahavariana fa be dia be no tonga tamin’ilay izy. Tao anatin’ny andro vitsivitsy, dia Vavolombelon’i Jehovah 900 mahery avy amin’ny fiangonana 72 no nanamafy an’ilay fefiloha tsy ho vaky. Nasaina nanao karatra famantarana izy ireo. Nisy soratra hoe “Vavolombelon’i Jehovah” ilay izy, ary natao teo koa ny anarana sy ny tanàna niavian’ilay olona.

Nanoratra ho an’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny solontenan’ny Vokovoko Mena tao amin’ny tanàna iray. Hoy izy: “Misaotra betsaka anareo izahay satria vitsy ny olona toa anareo. Miray hina ianareo sady vonon-kanampy. Misy aminareo aza nanao dia lavitra mihitsy. Faly erỳ aho rehefa mitantara ny zavatra tsara nataonareo teto amin’ny tanànantsika.”

Tompon’andraikitra ao amin’ny fikambanana mpanampy tra-boina ny lehilahy iray sady anisan’ny solombavambahoaka any Hongria. Nankasitraka ny fanampian’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, ka nandefa taratasy fisaorana tany amin’ny biraon’ny sampana.