Hijery ny anatiny

Tsy Namono Tena avy eny Amin’ny Sky Tower Indray Izy

Tsy Namono Tena avy eny Amin’ny Sky Tower Indray Izy

Nahavita nandresy lahatra lehilahy marary saina mba tsy hamono tena ny Vavolombelon’i Jehovah iray atao hoe Graham Browne, izay 80 taona. Natahorana hitsambikina avy eny amin’ny Sky Tower, any Auckland any Nouvelle-Zélande ilay lehilahy. Mirefy 328 metatra io tranobe io. Hoy i Graham: “Rehefa nangataka hiresaka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay lehilahy dia nantsoin’ny polisy aho.

“Nampanaovin’ny mpiasan’ny Sky Tower an’ireny karazana tady fiarovana ireny aho. Nafatony tamin’ny tady lava be koa ny Baiboliko. Nentin’ny polisy teo ivelan’ny toerana fitazantazanana, any amin’ny 192 metatra, aho avy eo. Nangatsiaka sady nifofofofo ny rivotra teny ambony teny. Nipetraka tsy dia lavitra ahy, teo amin’ny lalana kely iray ilay lehilahy, ary akiraviraviny any ambany ny tongony.

“Niteny mafy be aho hoe Vavolombelon’i Jehovah aho ary te hanampy azy. Nivavaka mangina aho, nosokafako ny Baiboliko, ary nanomboka niresaka aho.

“Nohazavaiko taminy fa masina ny aina. Momba an’izany ny lahateny nataoko vao haingana tany amin’ny Efitrano Fanjakana fivorianay.

“Hoy aho: ‘Sarobidy amin’Andriamanitra ianao ary nomeny fanomezana tena tsara, dia ny aina. Maninona raha mba aseho azy hoe sarobidy aminao io fanomezana io? Avia moa atỳ anatin’ity fefy ity e!’

“Namaky andinin-teny maromaro koa aho, anisan’izany ny Jaona 3:16 hoe: ‘Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.’

“Hoy koa aho: ‘Tena tia anao àry Andriamanitra ary tiany ho velona ianao.’

“Hoatran’ny tsy nihaino mihitsy ilay lehilahy tamin’ny voalohany. Nivavaka mangina tamin’i Jehovah àry aho mba hahafahako handresy lahatra azy. Nitsangana moramora ihany izy avy eo ka nanatona. Niasa saina be ny fijery azy.

“Hoy ilay lehilahy: ‘Nisy Vavolombelon’i Jehovah nankany aminay, vao haingana, nefa noroahiko. Nanenina be aho avy eo. Mamela ahy ve ianareo?’

“‘Na ny sasany taminay koa aza mba nanao hoatran’izany tamin’ny mbola tsy Vavolombelon’i Jehovah’, hoy aho. ‘Matokia fa hamela anao i Jehovah.’

“‘Misaotra’, hoy izy. ‘Izay aho vao maivamaivana.’

“Hoy ihany aho: ‘Fa hitanao, matahotra be aho. Izaho mantsy manao an’ity tady fiarovana ity, fa ianao raha misolifatra eo dia ho faty. Tena halahelo be anefa i Jehovah raha izany. Izany no hitenenako hoe mankanesa atỳ amin’ity fefy ity.’

“Tony izy avy eo ka namaly moramora hoe: ‘Eny àry fa ho avy aho e!’

“Niditra tao amin’ilay toerana fitazantazanana izy ary tonga dia nokarakarain’ny polisy haingana. Adiny iray teo ho eo izahay no nifampiresaka.”

Miezaka ny Vavolombelon’i Jehovah mba hiahy an’izay hahasoa ny olona, indrindra fa ireo kivy. Manome fanantenana sy mampahery ny olona amin’ny alalan’ny Baiboly izy ireo, ary manao izany maneran-tany. Omeny toky ny olona fa tena tia azy ireo Andriamanitra.