Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Fandikana ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2020 hoe “Mifalia Foana!”

Fandikana ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2020 hoe “Mifalia Foana!”

10 JOLAY 2020

 Samy hijery fandaharan’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra mitovy ny rahalahy sy anabavy eran-tany amin’ny Jolay sy Aogositra 2020. Sambany vao hisy hoatr’izany. Tsy ho tanteraka izany raha tsy adika ho amin’ny fiteny 500 mahery ilay fandaharana. Matetika no herintaona na mahery vao vita ny tetikasa mitovitovy amin’izany. Noho ny fiparitahan’ny coronavirus anefa, dia tsy nanana afa-tsy efa-bolana latsaka ny rahalahy sy anabavy nandika ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2020 hoe “Mifalia Foana!”

 Nanampy tamin’io tetikasa goavana io ny Sampan-draharaha Foiben’ny Fandikan-teny sy ny Sampan-draharahan’ny Fividianana Entana Maneran-tany, any amin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hitan’ny Sampan-draharaha Foiben’ny Fandikan-teny hoe maro ny ekipa mpandika teny mila fitaovana fanampiny, indrindra fa mikrô avo lenta. Nividy mikrô 1 000 àry ny Sampan-draharahan’ny Fividianana Entana Maneran-tany ary nalefany tany amin’ny toerana efa ho 200 izany.

 Be dia be no indray novidina mba hitsitsiana vola. Nalefa tany amin’ny toerana iray izy ireo, talohan’ny nandefasana azy tany amin’ny mpandika teny maneran-tany. Mitentina 170 dolara (650 000 Ar) eo ho eo ny mikrô iray rehefa maka maro, ary efa tafiditra amin’io ny saran-dalany. Lafo be noho izany no vidiny raha novidina tsirairay ilay izy.

 Tamin’ny volana Aprily sy Mey 2020 ny Sampan-draharahan’ny Fividianana Entana Maneran-tany no tsy maintsy nikarakara ny fividianana sy fandefasana an’ireo entana ireo. Tsy afaka niasa araka ny tokony ho izy anefa ny mpandraharaha maro, tao anatin’ireo volana ireo, satria niparitaka be ny aretina. Na izany aza, dia efa naharay ny fitaovana nilainy ny ankamaroan’ny biraon’ny fandikan-teny mitokana sy ny biraon’ny sampana ary ny toerana hafa misy mpandika teny, raha mbola tsy nifarana akory ny volana Mey.

 Hoy i Jay Swinney, ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fividianana Entana Maneran-tany: “Niara-niasa tsara tamin’ireo sampan-draharaha eto amin’ny Betela ny mpandraharaha samihafa, tamin’ity tetikasa ity. Vita haingana ny zava-drehetra sady niasa tamin’ny fomba tsara ny vola fanomezana mba hanampiana ny rahalahy sy anabavy. Tsy ho vita mihitsy izany raha tsy teo ny fanahin’i Jehovah.”

 Hoy i Nicholas Ahladis, ao amin’ny Sampan-draharaha Foiben’ny Fandikan-teny: “Nahazo tamin’ilay fitaovana ny mpandika teny any amin’ny toerana efa nisy fihibohana. Nampahery be azy ireo izany. Na tsy afaka nihaona mivantana aza mantsy ny iray ekipa, dia afaka niara-niasa tsara izy ireo rehefa nandika sy naka feo an’ireo lahateny sy tantara ary hira ho amin’ny fiteny 500 mahery.”

 Natao ho an’ny rahalahy sy anabavy maneran-tany ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2020 hoe “Mifalia Foana!” Maro ny tetikasa natao mba hamoahana azy io fa vao iray fotsiny no noresahintsika tato. Ny fanomezana nataonareo tao amin’ny donate.dan124.com sy tamin’ny fomba hafa no nahafahana nividy an’ireny fitaovana tena ilaina ireny.