Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Fitehirizam-boky Azonao Entina Miaraka Aminao Foana

Fitehirizam-boky Azonao Entina Miaraka Aminao Foana

1 SEPTAMBRA 2021

 “Tsy ela akory izay, dia hoatran’ny sarotra eritreretina izany hoe hampiasa boky amin’ny endrika elektronika.” Manaiky an’izany koa angamba ianao. Izany no noresahin’i Geoffrey Jackson tao amin’ilay fanazavana mampahery nomeny, ao amin’ny Vaovao Farany avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana (2020) #6. Hoy izy avy eo: “Izao anefa lasa saina isika hoe ahoana no hiatrehantsika an’ity valanaretina ity raha tsy misy fitaovana hoatran’ny JW Library. Efa nampiomana antsika an-taonany maro i Jehovah mba ho vonona amin-javatra hoatr’izao isika.”

 Ahoana no nanomanan’i Jehovah antsika? Ahoana no namoronana an’ilay programa JW Library, ary inona avy no ilaina atao mba hanatsarana sy hampandeha tsara foana an’ilay izy?

Mbola tsy nisy hoatran’io

 Nasain’ny Filan-kevi-pitantanana namorona programa ahafahana mijery ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina (amin’ny fitaovana elektronika) ny Sampan-draharaha Miandraikitra ny MEPS, any amin’ny foibe, tamin’ny Mey 2013. Miasa ao amin’io sampan-draharaha io i Paul Willies. Hoy izy: “Mbola tsy namoaka programa ho an’ny fitaovana elektronika mihitsy izahay talohan’io. Namorona ekipa anankiray anefa izahay, nisy tetikasa vitsivitsy naatonay, dia niara-niasa tamin’ny sampan-draharaha hafa izahay mba hanamboatra an’ilay programa sy ny ao anatiny. Nivavaka matetika koa izahay. Nampian’i Jehovah izahay dia navoaka tamin’ny fivoriana fanao isan-taona ilay programa, dimy volana fotsiny taorian’ny nanamboarana azy.”

 Tsy mora ny namadika an’ilay programa ho lasa tena fitehirizam-boky ahitana boky sy gazety betsaka kokoa ary amin’ny fiteny maro kokoa. Izany mantsy no dingana nanaraka. Efa azo nalaina tao amin’ilay programa ny ankamaroan’ny boky sy gazety faramparany, tamin’ny Janoary 2015, fa mbola tamin’ny teny anglisy. Enim-bolana taorian’izay fotsiny anefa, dia efa azo nalaina tamin’ny fiteny hafa an-jatony koa ireo boky sy gazetintsika ireo.

 Nanomboka tamin’izay, dia be dia be ny fanatsarana natao tamin’ilay programa. Lasa misy video, ohatra, ilay izy. Natao ao amin’ny toerana iray koa ny boky sy gazety ary video ho an’ny fivorian’ny fiangonana. Lasa tonga dia azo jerena koa ny loharanon-kevitra ao amin’ny Fitaovana Fikarohana mifandray amin’ny andininy ao amin’ny Baiboly.

Ahoana no atao mba handeha tsara foana ilay programa?

 Fitaovana elektronika 8 tapitrisa no manokatra ny JW Library isan’andro, ary 15 tapitrisa mahery isam-bolana. Ahoana no atao mba hampandeha tsara foana an’io programa io amin’ireo fitaovana ireo? Hoy ny Rahalahy Willies: “Tsy mety vita tanteraka ny zavatra atao amin’ny programa iray ampiasaina amin’ny fitaovana elektronika. Misy zavatra tsy maintsy ampidirina foana amin’ilay izy, sady misy zavatra mila hatsaraina mba ho mora ampiasaina kokoa ilay izy. Matetika no misy fanavaozana ny rafitra fikirakirana (système d’exploitation) fitaovana elektronika, dia mila atao mifanaraka amin’izay foana koa ilay programa. Mitombo foana koa ny boky sy gazety ary raki-peo sy video ao amin’ny JW Library, dia tsy maintsy manao fanavaozana ny programa ampiasainay izahay sady ataonay koa izay hampandeha tsara an’ilay izy.” Raha atambatra ny fiteny rehetra, dia misy boky sy gazety 200 000 eo ho eo, ary raki-peo sy video maherin’ny 600 000 ao amin’ny JW Library.

 Tsy ordinatera fotsiny anefa no ilaina mba hampandeha tsara foana an’io programa io. Misy fahazoan-dalana maromaro tsy maintsy vidina koa. Fahazoan-dalana iray fotsiny, ohatra, dia efa andoavana 1 500 dolara (amerikanina) isan-taona. Ankoatra izay, dia mandany 10 000 dolara eo ho eo isan-taona ny Sampan-draharaha Miandraikitra ny MEPS mba hividianana fitaovana elektronika vaovao avy amin’ny orinasa isan-karazany mpanamboatra azy ireny, amin’izay azo antoka hoe handeha tsara foana amin’ny ordinatera sy tablette ary telefaonina vaovao vokarin’ireny orinasa ireny ilay programa.

Mitsitsy vola ilay izy

 Nihena be ny vola lany amin’ny fanaovana pirinty sy fanakambanana boky ary fandefasana entana, noho ilay programa JW Library. Efa ho 12 tapitrisa ohatra, ny bokikely Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro 2013 natao pirinty. Dimy tapitrisa teo ho eo fotsiny anefa no nataontsika pirinty ho an’ny taona 2020, na dia niampy 700 000 teo ho eo aza ny mpitory eran-tany. Inona no nahatonga an’izany? Be dia be izao ny rahalahy sy anabavintsika mamaky ny teny vakina isan’andro ao amin’ny JW Library. a

“Tsy voavidim-bola ilay izy!”

 Tena manampy be koa ny JW Library. Mipetraka any Kanada i Geneviève. Tsapany hoe mahavita mianatra tsy tapaka izy rehefa mampiasa an’ilay programa. Hoy izy: “Tsoriko aloha hoe tsy hahavita fianarana samirery isa-maraina aho raha mbola tsy maintsy manangona ny boky rehetra ilaiko e! Izao anefa aho efa manana an’ilay programa, dia raisiko fotsiny ny tablette-ko dia efa ao daholo izay ilaiko. Lasa matanjaka kokoa izao ny finoako sady lasa akaiky kokoa an’i Jehovah aho satria mahavita mianatra tsy tapaka.”

Geneviève

 Hita hoe tena nanampy be ilay programa, indrindra ao anatin’izao valanaretina COVID-19 izao. Hoy i Charlyn, any Etazonia: “Efa herintaona mahery izay aho no tsy nahazo boky sy gazety vita pirinty vaovao, satria miparitaka maneran-tany ny COVID-19. Noho ny JW Library anefa, dia mahazo an’izay ilaintsika foana isika mba hanatanjahana ny finoantsika. Misaotra an’i Jehovah nanome ny JW Library!”

 Be dia be koa no mahatsapa hoatran’i Faye, anabavy mipetraka any Philippines. Hoy izy: “Mampiasa an’io programa io aho mba ho akaiky an’i Jehovah foana. Vao maraina aho dia io aloha no vakiko. Io no henoiko rehefa manao ny raharaha ato an-trano aho. Io koa no ampiasaiko rehefa manomana fivoriana sy mianatra samirery. Mijery video ao amin’ilay izy koa aho rehefa malalaka. Mamaky lahatsoratra na mamaky Baiboly ao aho rehefa milahatra bisy. Tsy voavidim-bola ilay izy!”

 Tena manampy be koa ilay programa rehefa eny amin’ny fanompoana. Rehefa nitory, ohatra, ny anabavy iray any Cameroun, dia te hampiasa andinin-teny nampiasain’ny anabavy iray hafa herinandro maromaro talohan’izay. Tsy tadidiny anefa ilay andininy. Hoy izy: “Soa ihany aho fa nahatadidy teny vitsivitsy tao amin’ilay andininy. Nosokafako ilay programa, dia nojereko ny Baiboly, dia notadiaviko tao ireo teny tadidiko. Teo no ho eo ihany dia hitako ilay andininy. Rehefa mampiasa an’ilay programa aho, dia mahita andinin-teny be dia be izay tsy tadidiko indraindray.”

 Ny fanomezana ataonareo ao amin’ny donate.dan124.com no ahafahanay mampitombo ny zavatra ao amin’ny JW Library sy mampandeha tsara ary manatsara an’ilay izy foana. Lasa afaka mandray soa amin’ilay izy daholo ny rahalahy sy anabavy eran-tany. Mankasitraka anareo satria tia manome ianareo.

Zava-nitranga miavaka momba ny JW Library

  1. Oktobra 2013: Navoaka ny programa JW Library misy ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina

  2. Janoary 2015: Nasiana boky sy gazety hafa amin’ny teny anglisy, dia amin’ny fiteny hafa an-jatony tatỳ aoriana

  3. Novambra 2015: Lasa azo atao ny manoritra teny

  4. Mey 2016: Lasa misy fizarana hoe Fivoriana

  5. Mey 2017: Lasa azo atao ny mandray naoty

  6. Desambra 2017: Nampidirina ny Baiboly Fianarana amin’ny teny anglisy

  7. Martsa 2019: Azo atao ny maka raki-peo, mijery video, ary miditra ao amin’ny Fitaovana Fikarohana

  8. Janoary 2021: Lasa azo ijerena lahatsoratra sy video ao amin’ilay hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!

a Misy vola kely tsy maintsy aloa isaky ny misy olona maka zavatra iray ao amin’ny JW Library. Nandany 1 500 000 dolara mahery, ohatra, isika tamin’ny herintaona mba hahafahan’ny olona mijery fandaharana sy maka zavatra ao amin’ny jw.org sy ao amin’ny JW Library. Na izany aza, dia tena mora kokoa ny maka boky sy gazety amin’ny endrika elektronika sy maka raki-peo sy video noho ny manamboatra sy mandefa boky sy gazety ary CD sy DVD.