Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Fivorian’ny Fiangonana Atao Amin’ny Alalan’ny Vidéoconférence

Fivorian’ny Fiangonana Atao Amin’ny Alalan’ny Vidéoconférence

26 JONA 2020

 Maro ny fitondram-panjakana mandrara ny fivorivoriana sy mitaky ny hanajana ny elanelana. Vonona hankatò an’izany ny Vavolombelon’i Jehovah sady manohy manompo an’Andriamanitra. Mba hahafahany miara-mivory àry dia mampiasa programa fanaovana vidéoconférence izy ireo, ohatra hoe Zoom.

 Neken’ny Filan-kevi-pitantanana ny hividianana kaonty Zoom ho an’ny fiangonana, mba tsy ho tapaka ny fivoriana mahazatra, ka ny fanomezana nataontsika no nividianana an’izany. Mandray soa amin’ilay izy ny fiangonana sasany, satria tsy takatr’izy ireo ny vidin’ny kaonty tsotra fanaovana vidéoconférence, izay mitentina 15 ka hatramin’ny 20 dolara (55 000 ariary - 75 000 ariary) na mihoatra noho izany. Matetika ireny fiangonana ireny no nampiasa programa tsy andoavam-bola, nefa voafetra ny isan’ny olona afaka miditra ao sady tsy tena azo antoka ilay izy. Mandray soa kosa ny fiangonana rehetra mampiasa an’ireny kaonty Zoom an’ny fikambanana ireny. Tsotra ny fomba iarovana azy ary be dia be no afaka miditra amin’ny fivoriana tsirairay. Efa fiangonana 65 000 mahery izao no mampiasa kaonty toy izany, any amin’ny firenena 170 mahery.

 Nampiasa programa tsy andoavam-bola ny Fiangonana Kairagi any Manado, any Indonezia, taloha. Mampiasa an’ilay kaonty Zoom an’ny fikambanana anefa io fiangonana io izao. Hoy ny Rahalahy Hadi Santoso: “Afaka mivory izao na dia ny rahalahy sy anabavy tsy zatra mampiasa fitaovana elektronika aza. Tsy voatery miverimberina miditra mantsy izy ireo mandritra ny fivoriana iray.”

 Hoy i Lester Jijón, Jr., anti-panahy ao amin’ny Fiangonana Guayacanes Oeste any Guayaquil, Ekoatera: “Betsaka ny rahalahy sy anabavy tsy manam-bola. Tena tsy vitan’ny fiangonana sasany ny hividy fahazoan-dalana amin’ny Zoom mba hahafahan’ny fiangonana manontolo hanatrika fivoriana. Be dia be anefa izao no afaka miditra amin’ny fivoriana, noho ilay kaonty Zoom nomen’ny fandaminana. Afaka manasa olon-kafa maimaim-poana koa izahay sady tsy matahotra hoe hihoatra ny isan’ny olona miditra.”

 Hoy i Johnson Mwanza, anti-panahy ao amin’ny Fiangonana Ngwerere Avaratra any Lusaka, Zambia: “Imbetsaka ny rahalahy sy anabavy no miteny hoe: ‘Tsapanay izao fa lasa akaiky kokoa anay ny mpiara-manompo, noho ilay fivoriana amin’ny Zoom, sady tsapanay hoe tian’i Jehovah sy karakarainy izahay.’”

 Vola natokana ho an’ny fanampiana tra-boina no nividianana an’ireny kaonty ho an’ny fikambanana ireny. Avy ao amin’ny fanomezana ho an’ny asa maneran-tany io vola io. Natao tamin’ny alalan’ny donate.dan124.com ny ampahany amin’io fanomezana io. Misaotra amin’ny fanomezana be dia be ataonareo. Hanampiana ny tra-boina hafa maneran-tany koa mantsy izy ireny.—2 Korintianina 8:14.