Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Fizarana Fanampiana Maneran-tany Mandritra ny Valanaretina

Fizarana Fanampiana Maneran-tany Mandritra ny Valanaretina

1 JOLAY 2021

 Nanao fanambarana ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, tamin’ny Martsa 2020, fa sokajina ho valanaretina ny COVID-19. Betsaka no tsy nanampo tamin’izany hoe mbola hisy vokany eran-tany io virosy io, herintaona mahery atỳ aoriana. Olona an-tapitrisany no niatrika olana vokatr’ilay valanaretina, na ara-batana izany, na ara-pihetseham-po, na ara-bola. Voakasik’izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Ahoana no ataon’izy ireo mba hifanampiana ao anatin’izao fotoan-tsarotra izao?

Nomena fanampiana ireo sahirana

 Hatramin’izay nisian’ny COVID-19 izay, dia Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) miisa 950 mahery no natsangana maneran-tany, ary ny Komitin’ny Mpandrindra eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah no miandraikitra azy ireo. Nahazo fanampiana avy amin’ireo KVRV teo an-toerana ny Vavolombelona sasany, dia ny hafa nahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana. Fanampiana vonjy rano vaky lehibe mihitsy aza indraindray no alamin’ny KVRV.

 Diniho, ohatra, izay nitranga tany Paragoay. Nilaza ny gazety iray fa vokatr’ilay valanaretina dia nitotongana be ny toe-karena, ka “be dia be no tsy manan-kohanina any Paragoay.” Efa nanomboka nizara fanampiana maharitra tapa-bolana anefa ny KVRV tany an-toerana. Sakafo sy zavatra ilaina amin’ny fanadiovana sy ny fidiovana no tao anatin’ny entana tsirairay ho an’ny fianakaviana misy olona efatra, ary nitentina 30 dolara teo ho eo avy ilay izy.

 Ahoana no ataon’ireo mpizara fanampiana mba hiarovana ny tenany sy ny hafa tsy ho voan’ny COVID-19? Manao aro vava sy orona izy ireo ary manaja elanelana. Hamarininy koa hoe madio tsara ve ny toerana ampiasain’ireo orinasa mpivarotra sakafo ary hentitra tsara ve ny fepetra raisin’izy ireo mba hitandroana fahasalamana. Tsy maintsy manao fiarovana daholo, ohatra, izay mikirakira an’ireo entana, sady tsy maintsy manadio sy manisy ranoka famonoana otrikaretina amin’ny fiarany. Toerana efa voadio tamin’ny ranoka famonoana otrikaretina koa no itehirizana an’ireo entana. Farany, dia manaja elanelana ireo mpizara fanampiana rehefa manolotra an’ilay izy amin’ireo rahalahy sy anabavy.

Ampiasaina amim-pahendrena ny fanomezana

 Hatramin’ny Janoary 2021, dia neken’ny Komitin’ny Mpandrindra hoe 25 tapitrisa dolara mahery no hampiasaina amin’ny fanampiana vonjy rano vaky mandritra ny valanaretina COVID-19. Mitandrina tsara ny sampana sy ny KVRV rehefa mampiasa an’ireo vola fanomezana ireo, ary miezaka mitady entana amin’ny vidiny mirary. Te hividy lantihy 750 kilao, ohatra, ireo rahalahy nandamina ny fanampiana vonjy rano vaky tany Silia. Niakatra avo roa heny anefa ny vidin’ny lantihy tao anatin’ny iray volana fotsiny! Efa nanaiky hividy an’ilay izy tamin’ilay vidiny lafo be ry zareo. Adiny roa taorian’izay anefa dia niantso ilay mpivarotra hoe vao nisy olona namerina ny lantihy novidiny. Namidiny tamin’ireo rahalahy indray ilay izy, ary tsy ilay vidiny lafo be efa nifanarahana no nivarotany azy fa ilay vidiny teo aloha.

 Rehefa tonga haka an’ilay lantihy anefa ireo rahalahy, dia nitady hiova hevitra indray ilay mpivarotra. Nendrikendrehiny hoe miangatra hoatran’ny fikambanana hafa ry zareo rehefa mizara sakafo. Nanao vavaka mangina fohy ny iray tamin’ireo rahalahy, dia niteny hoe efa nohadihadina tsara ny fiangonana tsirairay mba hahafantarana hoe iza no tena mila fanampiana. Nohazavain’ireo rahalahy koa fa samy manana ny kolontsainy ireo olona omena fanampiana, ka atao arakaraka izay tena ilain’ny fianakaviana tsirairay ny fanampiana omena azy. Farany, dia nomen’izy ireo toky ilay mpivarotra hoe an-tsitrapo daholo ny vola fanomezana sy ny asa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Gaga be ilay mpivarotra. Tsy vitan’ny hoe nanaiky hanome an’ilay lantihy tamin’ilay vidiny mora izy, fa mbola hanome kadoa 400 kilao koa rehefa hividy amin’ny manaraka ireo rahalahy.

“Porofo hoe tena mifankatia”

 Be taona sady efa maty vady ny anabavy iray atao hoe Lusu, any Liberia. Eni-mianaka ry zareo no miara-mipetraka. Niara-nisakafo sy nandinika ny andinin-teny ho an’ny andro izy ireo, indray maraina. Tamin’izay no tsikaritr’ilay zafikelin’i Lusu fito taona hoe tsy nisy sakafo intsony tao an-trano. Nanontany àry izy hoe: “Dia inona izany izao no hohanintsika?” Nanome toky azy i Lusu fa efa nangataka fanampiana tamin’i Jehovah izy, ary azony antoka hoe tsy maintsy hanome an’izay ilain-dry zareo i Jehovah. Ny tolakandron’io ihany i Lusu dia nantsoin’ny anti-panahy mba haka sakafo fanampiana. Hoy izy: “Niteny tamiko ilay zafikeliko hoe tena mihaino sy mamaly vavaka kay i Jehovah satria novaliany ilay vavaka nataoko.”

Nanao sary ny ankizy tany amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo mba hisaorana an’ireo rahalahy noho ny sakafo fanampiana azon’izy ireo

 Mipetraka eo akaikina fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah ny vehivavy iray, any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Rehefa hitany hoe nahazo sakafo avy amin’ny mpiara-mivavaka aminy ilay fianakaviana, dia hoy izy: “Rehefa tapitra ity valanaretina ity dia mba ho lasa Vavolombelon’i Jehovah koa izahay, satria tena mikarakara ny rahalahy sy anabaviny ry zareo amin’izao fotoan-tsarotra izao.” Nanontanian’ny vadiny izy hoe: “Izay vary iray gony ve no mahatonga anao te ho lasa Vavolombelon’i Jehovah?” Namaly izy hoe: “Tsy izany ka! Fa iny vary iray gony iny anefa no porofo hoe tena mifankatia ry zareo.”

 Tonga dia afaka nanampy an’ireo rahalahy sy anabavy sahirana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ity valanaretina ity, noho ireo fanomezana be dia be nataonareo. Misaotra betsaka satria nanaraka ny fomba natoro tao amin’ny donate.dan124.com ianareo rehefa nanao fanomezana.