Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Teboka Mivohitra Manova Olona

Teboka Mivohitra Manova Olona

1 OKTOBRA 2021

 “Azo inoana fa mahafantatra olona jamba ny ankamaroan’ny mpamaky ny gazetinay”, hoy ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1912. “Afaka mahazo boky maimaim-poana ny jamba. ... Atao pirinty amin’ny soratra mivohitra ilay boky, mba ho azon’ny jamba vakina.” Hoy koa ilay gazety: “Be dia be ny jamba tena faly rehefa mahafantatra hoe hahazo fitahiana be dia be ny olona eto an-tany amin’ny hoavy.”

 Mbola tsy nisy soratra braille iombonan’izay miteny anglisy, tamin’ny fotoana nanoratana an’io gazety io. Efa namoaka boky nanazava ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly amin’ny “soratra mivohitra”, na soratra braille, anefa ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Mbola manao an’izany isika hatramin’izao, ka mamoaka boky sy gazety amin’ny soratra braille amin’ny fiteny 50 mahery. Ahoana no anaovana an’ilay izy?

Teboka mivohitra iray hatramin’ny enina no anoratana litera, tarehimarika, na mari-piatoana iray, ary alahatra ao anaty efitrefitra iray ireo teboka

Alamina sy avadika ho soratra braille aloha ilay lahatsoratra ary avy eo atao pirinty amin’ny soratra mivohitra

 Alamina sy avadika ho soratra braille aloha ilay lahatsoratra. Hoy i Michael Millen, izay miara-miasa amin’ny Sampan-draharaha Mikarakara ny Lahatsoratra any Patterson, New York: “Programa novidina no nampiasaintsika taloha mba hamadihana ho soratra braille ny soratra amin’ny boky sy gazetintsika. Tsy azo nampiasaina tamin’ny fiteny rehetra nilaintsika navadika ho soratra braille anefa ilay programa. Ny programa Watchtower Translation System izao no ampiasaintsika, ary afaka mamadika ny ankamaroan’ny fiteny rehetra eran-tany ho soratra braille izy io. Mino aho fa tsy misy programa mitovy amin’io eran-tany.”

 Tsy ny lahatsoratra ao amin’ny boky sy gazety ihany no ao amin’ny boky sy gazety amin’ny soratra braille, fa ny fanazavana sary koa. Izao, ohatra, ny fanazavana an’ilay sary eo amin’ny fonon’ilay boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! amin’ny soratra braille: “Lehilahy iray manomboka mandeha amin’ny lalana miolakolaka voahodidina zavamaniry sy havoana ary tendrombohitra.” Hoy i Jamshed, rahalahy jamba izay mpikarakara fiangonana sady mpisava lalana: “Tena manampy be an’ahy ireny fanazavana sary ireny.”

 Rehefa avy nalamina sy navadika ho soratra braille ny lahatsoratra amin’ny boky sy gazety, dia alefa any amin’ny sampana manao pirinty amin’ny soratra braille ilay izy. Atao pirinty eo amin’ny taratasy matevina ny pejy tsirairay amin’ny boky sy gazety amin’ny soratra mivohitra. Tsy loaka ilay taratasy rehefa asiana an’ilay soratra mivohitra, sady tsy simba rehefa ampiasaina matetika. Akambana amin’ny spirale (fanakambanam-boky plastika) avy eo ireo pejy vita pirinty mba ho lasa boky iray, dia alefa miaraka amin’ny boky sy gazety ho an’ny fiangonana, na alefa paositra raha mandefa an’ilay izy maimaim-poana ho an’ny jamba ny paositra. Raha ilaina aza, dia afaka mitady fomba andefasana an’ilay izy faran’izay haingana ny sampana, amin’izay hahazo an’ireo boky sy gazety ilainy amin’ny fivorian’ny fiangonana ny rahalahy sy anabavy jamba na tsy mahita tsara.

 Mandany fotoana sy vola be izany asa rehetra izany. Manao pirinty Baiboly mahazatra sy Baiboly amin’ny soratra braille ny fanontam-pirintintsika any Wallkill, any New York. Mitovy amin’ny fotoana lany anaovana pirinty Baiboly 50 000, ohatra, ny fotoana lany anaovana pirinty Baiboly soratra braille 2 fotsiny. Atao boky 25 ny Baiboly tsirairay amin’ny soratra braille anglisy sokajy faharoa, ary avo 123 heny noho ny vola lany anaovana pirinty Baiboly iray mahazatra ny lany anaovana an’ireo boky 25 ireo. a Ny fonon’ireo boky 25 ireo fotsiny dia 150 dolara amerikanina eo ho eo.

Natao boky 25 ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny soratra braille anglisy sokajy faharoa!

 Inona no tsapan’ireo manampy amin’ny famoahana boky sy gazety ary Baiboly amin’ny soratra braille? Hoy i Nadia, izay manompo any amin’ny sampan’i Afrika Atsimo: “Faly aho fa afaka manao zavatra hanampiana an’ireo anadahy sy rahavavy jamba na tsy mahita tsara, satria tsy mora ny fiainan-dry zareo. Hita mihitsy hoe tia be an-dry zareo i Jehovah.”

Mianara Mamaky Soratra Braille

 Ahoana anefa raha tsy mahay mamaky soratra braille ny olona iray jamba? Namoaka an’ilay boky hoe Mianara Mamaky Soratra Braille isika, taona vitsivitsy lasa izay. Misy soratra braille sy soratra vita pirinty izy io, ary natao hianaran’ny olona iray jamba miaraka amin’ny olona mahita iray. Misy solaitra sy fanoratana azon’ny jamba ampiasaina hanoratana braille koa miaraka amin’izy io, dia amin’izay izy mihitsy no manoratra ny litera braille tsirairay. Manampy azy ny manao fanazaran-tena hoatr’izany mba hitadidy ny litera mivohitra tsirairay sy hamantatra an’ilay izy rehefa tsapain’ny rantsantanany.

“Satriko foana hamaky azy ireny”

 Mandray soa amin’ireny boky sy gazety amin’ny soratra braille ireny ny rahalahy sy anabavy jamba na tsy mahita tsara. Rahalahy iray mipetraka any Haiti i Ernst. Efa nanatrika fivorian’ny fiangonana foana izy taloha, saingy tsy nanana boky sy gazety amin’ny soratra braille. Tsy maintsy notadidiny tsianjery daholo àry ny anjarany tamin’ny fampiofanana sy ny valin-teniny tamin’ny fiaraha-midinika. Hoy izy: “Amin’izao anefa aho afaka manangan-tanana sy manome valin-teny, na rahoviana na rahoviana. Tsapako hoe tafaray amin’ireo rahalahy sy anabavy aho, satria mitovy daholo ny sakafo ara-panahy azontsika rehetra.”

 I Jan indray, anti-panahy mipetraka any Aotrisy. Tsy mahita tsara izy, ary izy no mitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana. Hoy izy: “Mazava kokoa noho ny boky hafa amin’ny soratra braille ny antsika. Mora hita, ohatra, ny antsika ny nomeraon’ny pejy sy ny fanamarihana ambany pejy, ary voazava tsara amin’ny an-tsipiriany ny sary.”

 Jamba sady marenina i Seon-ok, ranabavy mpisava lalana any Korea Atsimo. Nadika taminy tamin’ny alalan’ny kasi-tanana ny fivoriana rehetra taloha, fa amin’izao izy ihany dia afaka mamaky an’ireo boky fianarana Baiboly amin’ny soratra braille. Hoy izy: “Sarotra vakina ny boky hafa amin’ny soratra braille satria misy tsy ampy ny teboka mivohitra, tsy mahitsy ny andalana, na manify loatra ny taratasin’ilay boky. Tsara kokoa anefa ny taratasy ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary mivohitra tsara kokoa ny soratra, ka mora amiko ny mamaky an’ilay izy.” Hoy koa izy: “Tsy afaka nianatra boky ara-baiboly aho taloha raha tsy nisy olona nanampy ahy. Amin’izao anefa aho afaka mianatra irery. Faly be aho fa afaka manomana ny fivoriana ataontsika isan-kerinandro, dia afaka mandray anjara koa. Vakiko daholo ny bokintsika rehetra amin’ny soratra braille. Satriko foana hamaky azy ireny.”

 Ahitana an’izao ny bokintsika amin’ny soratra braille, hoatran’ny ao amin’ireo vita pirinty ihany: “Tsy natao hamidy ity boky ity. Navoaka izy ity mba hampianarana Baiboly maneran-tany, ary tohanana amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo.” Misaotra anareo manao an’ireny fanomezana ireny araka ny fomba atoro ao amin’ny donate.dan124.com. Lasa mahazo sakafo ara-panahy ny rehetra, anisan’izany ny jamba sy ny tsy mahita tsara, noho ianareo malala-tanana.

a Mampiasa fanafohezana ny fomba fanoratra braille sasany mba hitsitsiana toerana. Amin’ny soratra braille sokajy faharoa, ohatra, dia hafohezina ny teny mahazatra sy ny litera mitambatra. Raha boky mitovy ihany àry, dia kely kokoa ilay amin’ny soratra braille sokajy faharoa raha oharina amin’ilay amin’ny soratra braille sokajy voalohany.