Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Trano Midera An’ilay Mpampianatra Be Voninahitra

Trano Midera An’ilay Mpampianatra Be Voninahitra

1 JOLAY 2023

 Tia mampianatra ny vahoakany i Jehovah. Noho izany, dia nandamina sekoly be dia be ny fandaminany mba hampiofanana ny mpianatra hamita tsara ny asa anendrena azy. Anisan’ireny sekoly ireny ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana (SMIF). Tsy ny zavatra ianarana mandritra an’io sekoly io ihany no nohatsarain’ny fandaminana tato ho ato, fa ny trano anaovana an’ilay izy koa. Ny tena tanjona amin’izany dia ny hoe mba ho mora kokoa amin’ny mpampianatra ny mampianatra ary ho mora kokoa amin’ny mpianatra ny mianatra. Nahoana no manampy amin’io tanjona io ny fanomezana ataonao?

Betsaka kokoa ny mpianatra sady tsara kokoa ny toeram-pianarana

 Tany amin’ny Efitrano Fanjakana na Efitrano Fivoriambe ny sekoly ara-baiboly no natao nandritra ny taona maro. Nahoana àry isika no nanorina na nanavao trano be dia be hatokana hanaovana sekoly ara-baiboly? Ireto misy antony telo.

 Betsaka kokoa ny zavatra ilana mpitory nanao SMIF. Nanazava i Christopher Mavor, mpanampy ny Komitin’ny Fanompoana eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana, hoe: “Be dia be ny biraon’ny sampana miteny aminay hoe mila rahalahy sy anabavy betsaka kokoa hanompo eny amin’ny saha. Nanombantombana, ohatra, ny sampan’i Brezila tamin’ny 2019 hoe mbola nila mpitory avy nanao SMIF 7 600 teo ho eo fanampiny ny faritanin’ny sampana misy azy.” Nilaza koa ny sampan’i Etazonia fa mila mpisava lalana be dia be ry zareo mba hampiofana ny hafa amin’ny fandaharana manokana hitoriana eny amin’ny toerana be olona any an-tanàn-dehibe, amin’ny fitoriana eny amin’ny seranan-tsambo, ary amin’ny fitoriana any amin’ny fonja. Be dia be koa ny rahalahy ilaina mba hanampy ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana eo An-toerana sy ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly. Afaka manampy amin’ireo asa ireo ny mpitory nanao SMIF.

 Betsaka kokoa ny mpianatra. Betsaka kokoa noho ny isan’ny mpianatra azo raisina hanao sekoly ny isan’ny mpitory manao fangatahana, any amin’ny sampana maro. Fangatahana hanao SMIF 2 500 eo ho eo isan-taona, ohatra, no voarain’ny sampan’i Brezila. Mpianatra 950 fotsiny anefa no azon’ny sampana raisina hanao an’ilay sekoly satria tsy ampy ny toerana hanaovana azy.

 Toerana ipetrahana mety tsara. Rehefa any amin’ny Efitrano Fanjakana na Efitrano Fivoriambe no atao ilay sekoly, dia matetika no any an-tranon’ny mpiara-manompo eo akaiky eo ny mpianatra no mipetraka. Mety tsara io fandaharana io raha vitsivitsy ihany ny sekoly atao isan-taona ao amin’ny tany iray. Raha be dia be anefa ny sekoly atao ao amin’ilay tany, dia mety tsy ho vitan’ny mpitory ny hampiantrano mpianatra mandritra ny volana maromaro ao anatin’ny taona. Noho izany dia nomena trano akaikin’ny efitra fianarana ny mpianatra, ary namboarina manokana ho an’ny zavatra ilain-dry zareo izany.

 Arakaraka ny tany sy ny zavatra hafa, dia mety hitentina an-tapitrisa dolara amerikanina ny trano iray misy efitra iray fianarana, efitrano ipetrahan’ny mpampianatra, efitrano ho an’ny mpianatra 30 eo ho eo, miaraka amin’ny toerana ampiasaina ho an’ny zavatra isan-karazany ilain-dry zareo.

Zavatra mampiavaka ny trano fanaovana sekoly

 Matetika ny trano fanaovana sekoly no atao any amin’ny toerana mangina lavitra ny tanàn-dehibe nefa tongan’ny fitateram-bahoaka. Tsara kokoa ilay izy raha faritra misy mpitory be dia be afaka manampy mba hampandehanana tsara an’ilay sekoly sady afaka manampy amin’ny fikojakojana an’ilay trano sy ny fitaovana ao.

 Misy fitehirizam-boky, toerana azo ianarana, ordinatera, fitaovana fanaovana pirinty ary fitaovana hafa ao amin’ireny trano ireny. Matetika koa no misy toerana fisakafoana azon’ny mpampianatra sy ny mpianatra iaraha-misakafo ao amin’ilay izy. Ankoatra an’izay, dia asiana toerana malalaka tsara azo anaovana spaoro na ialana voly koa ao.

 Atao mety tsara koa ny efitra fianarana. Nanazava i Troy, miara-miasa amin’ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana Eran-tany any Warwick, New York, hoe: “Nangataka fanampiana tamin’ny sampan-draharahan’ireo sekoly any Patterson izahay rehefa hanao ny planin’ny efitra fianarana, mba ho mora kokoa amin’ny mpianatra ny mianatra ao amin’ilay izy. Natoron-dry zareo anay hoe tokony ho hoatran’ny ahoana ny haben’ilay efitra sy ny paozipaoziny, inona ny karazana jiro mety hatao ao, ary inona avy no fitaovana hilaina mifandray amin’ny feo sy video.” Hoy i Zoltán, mpampianatra amin’ny SMIF any Hongria, momba ny fitaovana mifandray amin’ny feo: “Tsy nanana mikrô izahay tamin’ny voalohany, dia tsy maintsy nampahatsiahivina foana ny mpianatra hoe mila miteny mafy. Efa misy mikrô anefa izao isaky ny latabatra, dia milamina amin’izay izahay!”

“Vahiny manan-kaja asain’i Jehovah”

 Inona no vokany tamin’ny mpianatra sy ny mpampianatra rehefa nohatsaraina ny trano fanaovana sekoly? Hoy i Angela, nanao SMIF tany Palm Coast any Floride any Etazonia: “Tena milamina tsara ilay toerana. Mipetrapetraka tsara daholo ny zava-drehetra, na ny efitra fianarana izany na ny efitranonay, dia tena afaka mifantoka tsara amin’ny fianarana izahay.” Tena tian’i Csaba, mpampianatra any Hongria, indray ilay hoe afaka miara-misakafo amin’ny mpianatra izy. Hoy izy hoe amin’ireny fotoana ireny “matetika no misokatra kokoa aminay ny mpianatra dia mitantara aminay ny zavatra niainany. Lasa mahafantatra kokoa an-dry zareo izahay avy eo dia lasa hitanay ny fomba azo ampifanarahana an’ilay zavatra ianarana amin’izay ilain-dry zareo.”

 Amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra, dia fitahiana avy amin’i Jehovah, ilay “Mpampianatra Be Voninahitra”, ireny fanatsarana natao tamin’ny trano fanaovana sekoly ireny. (Isaia 30:20, 21) Nilaza ny anabavy iray any Philippines, nanatrika ny SMIF tany amin’ny trano iray navadika ho lasa trano fanaovana sekoly, hoe: “Nampahatsiahy anay ilay toerana fa tsy hoe mpianatra fotsiny izahay fa vahiny manan-kaja asain’i Jehovah. Tiany ho falifaly izahay rehefa mandalina ny Teniny.”

 Ny fanomezana ataonareo no ahafahana manorina sy manavao ary mikojakoja trano fanaovana sekoly. Betsaka amin’izany no ataonareo amin’ny alalan’ny donate.dan124.com. Misaotra betsaka fa tena tia manome ianareo.

Fidirana ao amin’ny trano fanaovana sekoly, Palm Coast, Floride, Etazonia

Modelin’ny tempoly tamin’ny andron’i Jesosy, efitrano fiandrasana, Palm Coast, Floride, Etazonia

Tonga hanatrika ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana, Brezila

Eo am-pianarana, Brezila

Tonga hanatrika ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana, Philippines

Miara-misakafo ao amin’ny efitra fisakafoana, Philippines