Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Thomas Jackson/Stone via Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Te Hanana Fanantenana ve Ianao Amin’ity 2024 Ity? Inona no Lazain’ny Baiboly?

Te Hanana Fanantenana ve Ianao Amin’ity 2024 Ity? Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Be dia be no efa mieritreritra hoe tsy ho voavaha ny olana hitranga eran’izao tontolo izao amin’ity 2024 ity. Misy fanantenana ihany anefa ny momba ny hoavy. Aiza no ahitantsika an’izany?

Manome fanantenana ny Baiboly

 Mampanantena ny Baiboly fa hovahan’Andriamanitra ny olana mahatonga antsika hieritreritra hoe tsy misy azo antenaina intsony ny amin’ny fiainantsika amin’izao. Tsy ho ela Andriamanitra dia ‘hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny mason[tsika], ary tsy hisy intsony ny fahafatesana, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.’​—Apokalypsy 21:4.

Afaka manampy anao ny Baiboly dieny izao

 Rehefa mahafantatra ny fanantenana resahin’ny Baiboly momba ny hoavy ianao, dia tsy hieritreritra intsony hoe tsy misy azo antenaina ny amin’ny hoavy fa hatoky aza ianao hoe mbola hihatsara ny fiainana any aoriana any. (Romanina 15:13) Misy torohevitra azo ampiharina koa ao amin’ny Baiboly. Afaka manampy anao hiatrika ny olana mahazo anao ireny torohevitra ireny, anisan’izany, ohatra, ny fahantrana, ny tsy rariny, ary ny aretina.

  •   Nahantra kely ny fianakavian’ny lehilahy iray tamin’izy mbola kely, nefa lasa milamin-tsaina sy sambatra izy. Ahoana no nanampian’ny fampanantenan’ny Baiboly azy? Jereo ny valiny ao amin’ilay video hoe Juan Pablo Zermeño: Nataon’i Jehovah Mahafinaritra Be ny Fiainako.

  •   Manamelo-tena ve ianao, na kivy be, na miady saina, na koa hoe maty ny olona iray tena tianao? Ahoana no azon’ny Baiboly anampiana anao? Jereo ny valiny ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Afaka Mampahery Ahy ve ny Baiboly?

  •   Nilaza ny vehivavy miaramila iray hoe “ratsy toetra be sady tsy niraharaha an’iza na iza” izy taloha. Nianatra Baiboly anefa izy dia lasa nanana fanantenana. Jereo ny zavatra tantarainy ao amin’ilay video hoe Navelako ny Basiko.

 Tianao ve raha mahafinaritra be ity taona 2024 ity, na ho anao na ho an’ny fianakavianao? Azonao atao tsara izany! Ianaro ny fomba azon’ny Baiboly anampiana anao. Andramo ny fianarana Baiboly miaraka amin’ny mpampianatra maimaim-poana atolotray. Ho hitanao amin’izany hoe afaka manampy anao hanantena “fiadanana” Andriamanitra sady afaka manome anao “hoavy tsara sy fanantenana.”​—Jeremia 29:11.