Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lasa Tsy An’asa ve Ianao? Inona ny Toro Lalan’ny Baiboly Hanampy Anao?

Lasa Tsy An’asa ve Ianao? Inona ny Toro Lalan’ny Baiboly Hanampy Anao?

 Sahirana ara-bola ianao rehefa lasa tsy an’asa. Tsy izay ihany fa mety hitebiteby sy hiasa saina be koa ianao. Hanampy anao hiatrika an’izany anefa ireto toro lalana tsy mety lany andro avy ao amin’ny Baiboly ireto:

  •   Resaho amin’ny olon-kafa ny fihetseham-ponao.

     Izay lazain’ny Baiboly: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana.”​—Ohabolana 17:17.

     Mety halahelo be sady ho tezitra ianao rehefa lasa tsy an’asa, dia lasa sahiran-tsaina koa. Mety hieritreritra aza ianao hoe tena tsy misy ilana anao. Afaka mampahery anao mba tsy ho kivy be ny fianakavianao sy ny namanao akaiky raha resahinao aminy ny ao am-ponao. Mety hanome soso-kevitra hanampy anao hahita asa hafa koa izy.

  •   Aza mitebiteby be loatra.

     Izay lazain’ny Baiboly: “Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa aleo rahampitso no manahy ny amin’ny rahampitso.”​—Matio 6:34.

     Mampirisika antsika hiomana mialoha ny Baiboly. (Ohabolana 21:5) Milaza koa anefa izy fa tsy tokony hitebiteby na hanahy tafahoatra momba ny hoavy isika. Matetika mantsy tsy mitranga akory ilay zavatra mampitebiteby antsika. Aleo ny androany ihany aloha no eritreretina.

     Mbola misy torohevitra tsara be hiatrehana ny zavatra mampiady saina anao amin’izao ao amin’ny Baiboly. Vakio ilay lahatsoratra hoe “Ahoana no Hiatrehana ny Adin-tsaina?

  •   Miezaha mitsitsy.

     Izay lazain’ny Baiboly: ‘Nianatra ny [atao hoe] manam-be na tsy manana mihitsy aho.’​—Filipianina 4:12.

     Mianara mizatra an’izao zava-misy iainanao izao. Ovao, ohatra, ny fahazaranao mividy zavatra, amin’izay ianao tsy mandany vola mihoatra noho izay anananao. Aza midi-trosa tsy amin’antony.​—Ohabolana 22:7.

     Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ahoana Raha Lasa Mihena ny Vola Miditra Aminao?”, raha te hanova ny fahazaranao mividy zavatra ianao.

  •   Ampiasao tsara ny fotoananao.

     Izay lazain’ny Baiboly: “Manehoa fahendrena foana. ... Dia ampiasao tsara ny fotoananareo.”​—Kolosianina 4:5.

     Na dia tsy mandeha miasa intsony aza ianao dia manaova fandaharam-potoana mba tsy ho lanilany fotoana fotsiny. Hilamina tsara ny fiainanao amin’izay, dia ianao koa hahatsapa tena mba hoe misy vidiny.

  •   Ataovy izay asa misy eo.

     Izay lazain’ny Baiboly: “Ahazoana tombony foana ny asa mafy rehetra.”​—Ohabolana 14:23.

     Ataovy izay asa misy eo na dia tsy mitovy amin’ilay asanao taloha aza. Mety ho asa hoatran’ny ambany ilay izy, na asa kely karama noho ilay nataonao teo aloha.

  •   Aza milavo lefona mihitsy.

     Izay lazain’ny Baiboly: “Mamafaza voa amin’ny maraina, ary aza avela haka aina ny tananao mandra-paharivan’ny andro. Fa tsy fantatrao izay ho vanona.”​—Mpitoriteny 11:6.

     Mitadiava foana raha mbola tsy mahita. Ampahafantaro olona hoe mitady asa ianao. Teneno ny havanao, ny olona fantatrao, ny mpiara-miasa aminao taloha, ary ny mpiray tanàna aminao. Mitadiava asa any amin’ireny fikambanana fitadiavana asa ireny. Jereo koa izay tolotr’asa amin’ny gazety na peta-drindrina na ao amin’ny Internet. Miomàna mba hadinadinina any amin’ny asa isan-karazany, dia mandefasa fangatahana be dia be.