Genesisy 41:1-57

  • Nohazavain’i Josefa ny dikan’ny nofin’i Farao (1-36)

  • Nomen’i Farao toerana ambony i Josefa (37-46a)

  • Nitantana ny sakafo tany Ejipta i Josefa (46b-57)

41  Rehefa afaka roa taona katroka, dia nanonofy+ i Farao hoe nijoro teo amoron’ny Reniranon’i Neily* izy.  Dia ireny, hono, nisy ombivavy fito tsara tarehy sady matavy, niakatra avy tao amin’ilay renirano ka niraoka ahitra teo amorony.+  Ireny koa nisy ombivavy fito ratsy tarehy sady mahia, niakatra avy tao Neily taorianan’izy ireo, ka nijoro teo akaikiny teo amoron’ilay renirano.  Avy eo dia nohanin’ireo ombivavy ratsy tarehy sady mahia ireo ny ombivavy fito tsara tarehy sady matavy. Dia taitra tamin’ny torimasony i Farao.  Ary niverina natory indray izy ka nanonofy fanindroany. Dia ireo, hono, nisy salohim-barimbazaha fito vaventy sady tsara,+ nipoitra tamin’ny tahony iray.  Nisy salohim-barimbazaha fito hafa koa nipoitra, mahia sady mainan’ny rivotra avy any atsinanana.  Dia natelin’ireo salohim-bary mahia ireo ny salohy fito vaventy sady tsara. Dia taitra tamin’ny torimasony i Farao, ka fantany fa hay nofy ilay izy.  Nitebiteby anefa i Farao ny ampitso maraina, ka nampanantsoiny daholo ny mpisorona mpanao sikidy sy ny olon-kendry rehetra tao Ejipta. Dia notantarainy tamin’izy ireny ny nofiny, nefa tsy nisy nahavita nanazava ny dikan’ilay nofy ireny na iray aza.  Dia niteny tamin’i Farao ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro hoe: “Miaiky aho hoe nanao diso. 10  Indray andro dia tezitra tamin’ny mpanompony i Farao, izany hoe tamiko sy tamin’ny lehiben’ny mpanao mofo.+ Dia nampidiriny tao amin’ilay fonja ao an-tranon’ny lehiben’ny mpiambina an’i Farao izahay. 11  Samy nanonofy izahay roa lahy indray alina, ary samy nisy dikany ny nofinay.+ 12  Ary niaraka taminay tao ny tovolahy hebreo iray, mpanompon’ny lehiben’ny mpiambina.+ Rehefa notantarainay taminy ny nofinay,+ dia nohazavainy taminay avy ny dikany. 13  Dia nitranga tokoa ny zavatra nolazainy taminay, ka naverina tamin’ny toerako aho, fa nahantona kosa ilay iray.”+ 14  Dia nampanantsoin’i Farao i Josefa,+ ka navoaka haingana avy tao amin’ilay fonja.*+ Niharatra sy nisolo akanjo izy, dia nankao amin’i Farao. 15  Ary hoy i Farao tamin’i Josefa: “Nanonofy aho, saingy tsy misy mahay manazava ny dikany. Henoko anefa hoe rehefa misy nofy lazaina aminao, dia hainao ny manazava ny dikany.”+ 16  Dia hoy i Josefa tamin’i Farao: “Fa inona moa izay izaho? Andriamanitra ihany no hilaza amin’i Farao an’izay mahasoa azy.”+ 17  Hoy ihany i Farao taminy: “Nanonofy aho hoe nijoro teo amoron’ny Reniranon’i Neily, hono, aho. 18  Ary ireny fa nisy ombivavy fito tsara tarehy sady matavy, niakatra avy tao Neily, dia niraoka ahitra teo amorony.+ 19  Ireny koa nisy ombivavy fito hafa, malemilemy sady ratsy tarehy ary mahia, niakatra taorianan’izy ireo. Mbola tsy nahita ombivavy ratsy tarehy hoatr’azy ireo mihitsy aho eran’i Ejipta. 20  Dia nohanin’ireo ombivavy kaozatra sady ratsy tarehy ireo ny ombivavy fito matavy. 21  Rehefa lanin’izy ireo anefa ny ombivavy matavy, dia tsy nisy nahafantatra akory hoe efa laniny ilay izy. Mbola nahia sy ratsy tarehy hoatran’ny teo aloha ihany mantsy izy ireo. Dia taitra tamin’ny torimasoko aho. 22  “Avy eo dia hitako tao amin’ny nofiko indray, fa nisy salohim-barimbazaha fito vaventy sady tsara, nipoitra tamin’ny tahony iray.+ 23  Ary nisy salohim-barimbazaha fito hafa koa nipoitra, malazo sady mahia ary mainan’ny rivotra avy any atsinanana. 24  Dia natelin’ireo salohim-bary mahia ireo ny salohy fito tsara. Dia notantaraiko tamin’ny mpisorona mpanao sikidy+ izany, nefa tsy nisy nahavita nilaza ny dikan’ilay nofy tamiko.”+ 25  Ary hoy i Josefa tamin’i Farao: “Iray ihany ny dikan’ireo nofin’i Farao ireo. Izay hataon’ilay tena Andriamanitra+ no nolazainy tamin’i Farao. 26  Ny ombivavy fito tsara tarehy dia fito taona. Ny salohim-barimbazaha fito tsara koa dia fito taona. Iray ihany ny dikan’ireo nofy ireo. 27  Ny ombivavy fito kaozatra sady ratsy tarehy izay niakatra taorianan’izy ireo dia fito taona. Ary ny salohim-barimbazaha fito izay akofa fotsiny sady mainan’ny rivotra avy any atsinanana, dia fito taona hisian’ny mosary. 28  Izay mihitsy ilay noresahiko tamin’i Farao teo hoe: Izay hataon’ilay tena Andriamanitra no nasehony an’i Farao. 29  “Hisy fito taona mahavokatra be eran’i Ejipta. 30  Aorian’izay indray dia hisy fito taona hisian’ny mosary, ka ho hadino hoe nahavokatra be eran’i Ejipta, fa ho simban’ny mosary ny tany.+ 31  Ary tsy hotsaroana intsony ilay hoe nahavokatra be teto noho ilay mosary aorian’izay, satria ho faran’izay mafy ilay mosary. 32  Naverina indroa tamin’i Farao ilay nofy, satria tian’Andriamanitra hohamafisina tsara, sady tsy ho ela dia hotanterahiny. 33  “Tsara raha mitady lehilahy malina sy hendry i Farao, ka manendry azy hanam-pahefana amin’i Ejipta. 34  Tsara koa raha manendry mpiandraikitra maromaro eto Ejipta i Farao. Tokony hangonin’i Farao koa ny ampahadimin’ny vokatra eto Ejipta, mandritra an’ireo fito taona mahavokatra be.+ 35  Asaivo manangona ny sakafo rehetra mandritra an’ireo taona mahavokatra ho avy ry zareo, dia asaivo tehiriziny ny vokatra voangony, mba hatao sakafo isan-tanàna.+ Dia i Farao no hitantana an’izany. 36  Tokony hatao tahiry ho an’i Ejipta mandritra an’ilay fito taona hisian’ny mosary ireo sakafo ireo, mba tsy ho ripaky ny mosary ny tany.”+ 37  Dia hitan’i Farao sy ny mpanompony rehetra hoe tsara izany hevitra izany. 38  Ary hoy i Farao tamin’ny mpanompony: “Aiza indray isika no hahita lehilahy manana ny fanahin’Andriamanitra tahaka an’io?” 39  Dia hoy i Farao tamin’i Josefa: “Satria nampahafantarin’Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy malina sy hendry tahaka anao. 40  Ianao no hiandraikitra ny ankohonako, ary hankatò an’izay teneninao ny vahoakako rehetra.+ Zavatra iray fotsiny no mahatonga ahy ho ambony noho ianao, dia ny hoe izaho no mpanjaka.”* 41  Hoy koa i Farao: “Manendry anao hanam-pahefana amin’i Ejipta manontolo aho.”+ 42  Dia nesorin’i Farao ny peratra fanombohan-kase teny amin’ny tanany ka nataony tamin’ny tanan’i Josefa. Ary nampitafiany lamba rongony tena tsara koa izy sady nasiany rojo volamena ny vozony. 43  Nasainy nitaingina teo amin’ny kalesy faharoan’i Farao koa izy, dia nisy olona niantsoantso teo alohany hoe: “Avreka!”* Toy izany no nanendren’i Farao azy hanam-pahefana amin’i Ejipta manontolo. 44  Hoy koa i Farao tamin’i Josefa: “Izaho no Farao, nefa tsy misy mahazo manao na inona na inona* eran’i Ejipta,+ raha tsy omenao alalana.” 45  Taorian’izay, dia nataon’i Farao hoe Zafenata-panea ny anaran’i Josefa, ary nomeny ho vadiny i Asenata,+ zanakavavin’i Potifera mpisorona tao Ona.* Dia nanomboka nitantana* an’i Ejipta i Josefa.+ 46  Ary 30 taona+ i Josefa tamin’izy nanomboka niasa ho an’i* Farao mpanjakan’i Ejipta. Dia niala teo anatrehan’i Farao i Josefa ka nitety an’i Ejipta manontolo. 47  Be dia be ny vokatra tao amin’ilay tany, nandritra an’ireo fito taona nahavokatra be. 48  Ary nangoniny ny sakafo rehetra vokatra tamin’ireo fito taona nahavokatra be tany Ejipta, ka notehiriziny tao amin’ireo tanàna. Notehiriziny isaky ny tanàna ny vokatra avy teny amin’ny saha manodidina. 49  Tsy nitsahatra nanangona vokatra i Josefa ka lasa be dia be hoatran’ny fasika any an-dranomasina izany. Tsy nafatra intsony àry izany satria be loatra. 50  Talohan’ny nahatongavan’ny taona nisian’ny mosary, dia niteraka roa lahy tamin’i Josefa+ i Asenata, zanakavavin’i Potifera mpisorona tao Ona.* 51  Nataon’i Josefa hoe Manase*+ ny anaran’ilay lahimatoa. Hoy mantsy izy: “Efa nataon’Andriamanitra izay hanadinoako ny fahoriako rehetra sy ny ankohonan-draiko manontolo.” 52  Ary nataony hoe Efraima*+ ny anaran’ilay faharoa. Hoy mantsy izy: “Efa nomen’Andriamanitra taranaka aho, eto amin’ity tany nahitako ny mangidy ity.”+ 53  Ary tapitra ireo fito taona nahavokatra be tany Ejipta.+ 54  Dia nanomboka ireo fito taona nisian’ny mosary, araka ny efa nolazain’i Josefa.+ Nisy mosary tany amin’ny tany rehetra, fa mbola nisy sakafo* kosa eran’i Ejipta.+ 55  Tamin’ny farany, dia tratran’ny mosary koa i Ejipta manontolo, ka nitaraina tamin’i Farao ny olona mba hahazo sakafo.*+ Dia hoy i Farao tamin’ny Ejipsianina rehetra: “Mankanesa any amin’i Josefa, dia ataovy izay ampanaoviny anareo.”+ 56  Ary mbola nisy mosary ihany tany amin’ny tany rehetra.+ Dia nosokafan’i Josefa ny trano fitehirizam-bokatra rehetra teo amin’izy ireo, ka namidiny tamin’ny Ejipsianina+ ny vokatra notehirizina. Efa mafy mantsy ny mosary tao Ejipta. 57  Tonga tany Ejipta koa ny olona avy any amin’ny tany rehetra mba hividy sakafo tamin’i Josefa, satria mafy ny mosary tany amin’ny tany rehetra.+

Fanamarihana

Na: “Nil.”
Abt: “lavaka fanangonan-drano; lavaka.”
Na: “dia ny seza fiandrianana.”
Angamba teny midika hoe tokony hanome voninahitra sy hanaja azy ny olona.
Abt: “manainga ny tanany na ny tongony.”
Izany hoe Heliopolisy.
Na: “nitety.”
Abt: “nijoro teo anatrehan’i.”
Izany hoe Heliopolisy.
Midika hoe “Ilay Mahatonga ho Be Fanadinoana; Ilay Mampanadino.”
Midika hoe “Manan-taranaka Avo Roa Heny.”
Abt: “mofo.”
Abt: “mofo.”