Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 2

Aza Mivadika Amin’ny Vadinao

Aza Mivadika Amin’ny Vadinao

‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’—Marka 10:9

Tian’i Jehovah tsy hivadika isika. (Salamo 18:25) Tena ilain’ny mpivady io toetra io, satria tsy afaka ny hifampatoky ny mpivady raha tsy samy olona tsy mivadika. Tena ilaina anefa ny mifampatoky raha te hifankatia kokoa.

Tsy mora ny miezaka ny tsy hivadika amin’ny vady ankehitriny. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao ireto zavatra roa ireto ianao, raha te hiaro ny fanambadianao:

1 AZA ATAO TSIRAMBINA MIHITSY NY FANAMBADIANAO

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’ (Filipianina 1:10) Anisan’ny zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainanao ny fanambadianao, ka aza atao tsirambina mihitsy.

Tian’i Jehovah raha ny vadinao no ahinao voalohany. Asainy miaraka ‘mankafy ny fiainana’ koa ianareo. (Mpitoriteny 9:9) Milaza mazava izy fa tsy tokony hanao tsirambina ny vadinao ianao, ary samy tokony hiezaka hitady fomba ampifaliana ny andaniny avy ianareo. (1 Korintianina 10:24) Ataovy tsapany hoe ilainao izy sady tianao.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Manokàna foana fotoana hiarahana, ary aza mieritreritra zavatra hafa amin’iny fotoana iny

  • Asio fiheverana foana ny vadinao

2 AROVY NY FONAO

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady.” (Matio 5:28) Azo lazaina hoe mivadika amin’ny vadiny ny olona iray, raha mieritreritra zava-dratsy foana.

Hoy i Jehovah: “Arovy ny fonao.” (Ohabolana 4:23; Jeremia 17:9) Ilaina ny mifehy ny maso mba hiarovana ny fo. (Matio 5:29, 30) Manahafa an’i Joba. Nanao fifanekena tamin’ny masony izy mba tsy hijerijery vehivavy hafa. (Joba 31:1) Aoka ianao ho tapa-kevitra tsy hijery sary vetaveta mihitsy. Tokony ho tapa-kevitra koa ianao hoe tsy ho raiki-pitia amin’olon-kafa ankoatra ny vadinao.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Ataovy fantatry ny olona hoe an’ny vadinao irery ianao

  • Hevero ny fihetseham-pon’ny vadinao, ka tapaho avy hatrany ny fifandraisanao amin’ny olona iray raha tsy azoazon’ny vadinao ilay izy