Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA | TE HO FALY KOKOA VE IANAO REHEFA MANOMPO?

Ampio ny Mpianatra Baiboly mba Hiala Amin’ny Fahazaran-dratsy

Ampio ny Mpianatra Baiboly mba Hiala Amin’ny Fahazaran-dratsy

Izay madio fitondran-tena ihany no naman’i Jehovah. (1Pe 1:14-16) Rehefa miala amin’ny fahazaran-dratsy ilay mpianatra dia mety ho sambatra kokoa ny fianakaviany, ho salama kokoa izy, ary hanam-bola kokoa.

Hazavao tsara aminy ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena. Hazavao aminy hoe nahoana i Jehovah no nametraka an’ireny fitsipika ireny ary nahoana no mahasoa ny manaraka an’izany. Ampio izy hanova ny fomba fisainany, dia ho mora aminy ny hanao an’izay tian’i Jehovah. (Ef 4:22-24) Omeo toky izy hoe rehefa hampian’i Jehovah izy dia ho vitany ny hiala amin’ilay fahazaran-dratsiny. (Fi 4:13) Ampianaro azy hoe mila mitalaho ny fanampian’i Jehovah izy rehefa mafy be ny faniriany hanao ratsy. Ampio izy hamantatra hoe inona no toe-javatra mety hahatonga azy hanao ratsy ka tokony hialany. Ampirisiho izy hanao zavatra mahasoa azy fa tsy zavatra manimba azy. Ho faly ianao rehefa mahita hoe nampian’i Jehovah ilay mpianatra dia nahavita niova.

JEREO ILAY VIDEO HOE AMPIO NY OLONA AMPIANARINAO BAIBOLY MBA HIALA AMIN’NY FAHAZARAN-DRATSY. VALIO IRETO AVY EO:

  • Ahoana no nampisehoan’i Nita sy ny anti-panahy hoe natoky an’i Sendra ry zareo?

  • Ahoana no mbola nanampian’i Nita an’i Sendra?

  • Ahoana no nataon’i Sendra mba hahazoana fanampiana avy amin’i Jehovah?